Okraina: Mitady Fanampiana Avy Amin'ny Ben'ny Tanàna (Tetikasa Maidan)

(Marihina fa tamin'ny 11 Jolay 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

mayor please help“Ry ben'ny tanàna !!! Mianjera ny tranobe !!! Vonjeo izahay !!!”
Tanàndehibe Kyiv, Okraina, Jolay 2006
Avy amin'ny Maidan International's New Project for Democracy

Ity fikasana mafy nataon'ny mponina mba hisarihana ny sain'i Leonid Chernovetsky, ben'ny tanàna vaovao ao an-drenivohitr'i Okraina, amin'ny manjò ny tranobe ity dia nalain'ny Tetikasa Vaovaon'ny Maidan Iraisampirenena ho amin'ny demaokrasia sary – tetikasa misahana ny “fampahafantarana ny ny toetoetran'ny demaokrasia, ny fampiroboroboana ny fahalalahana, ny fiarahamonin'ny tsena misokatra, ny fanolorana tokotanin'ny vaovao avy any amin'ny faritra ho an'ny mpihaino manerantany, ary ny fandraisana anjara amin'ny fandriampahalemana any OKRAINA, BELAROSIA, MOLDAVIA, ary any amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao toy ny any Eoropa Afovoany Atsinanana, Kaokazy, Afovoany Atsinanana ary Azia Afovoany. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.