- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Ikala Serfa: Amboara Iray Voafantina’ Manazava ny Herisetra Manjo Ireo Vehivavy Teratany ao Amerika Avaratra

Sokajy: Amerika Avaratra, Mediam-bahoaka, Teratany, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Rising Voices
[1]

“Ikala Serfa: Amboara iray voafantina” asakanton'i Weshoyot Alvitre [2]. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Mora iharan'ny herisetra loatra ireo vehivavy teratany manerana an'i Amerika Avaratra. Araka ny voalazan'ny Indian Law Resource Center [3], manana ny foibeny any Etazonia, “vehivavy teratany iray amin'ny telo no efa niharan'ny fanolànana teo amin'ny fiainany, ary telo amin'ny dimy no efa niharan'ny daroka ara-batàna. Avo roa heny ny vintana mety hisotasotàna amin'ireo vehivavy teratany raha miohatra amin'ireo vehivavy hafa ary, ny tena ratsy indrindra, avo folo heny ny salanisan'ireo vehivavy teratany maty nisy namono nanerana ny firenena.”

Henjana ny antontanisa, tahaka ny fahanginana izay matetika manodidina ireo olana manjo ny vehivavy teratany rahateo. Ho setriny, miasa manisy endrika ireny tarehimarika ireny ireo vehivavy teratany mpanakanto sy mpanoratra. Ohatra iray amin'izany ilay hivoaka tsy ho ela Ikala Serfa: Amboara iray Voafantina [4],” nifantenana ireo tantara voaravaka sary iresahana ny herisetra ary hanomezana voninahitra ny tanjaka sy ny fiaretan'ireo vehivavy teratany.

Endrika miverimberina any anatin'ireo fombandrazana isankarazany manerana an'i Amerika Avaratra i “Ikala Serfa”. Na maka endrika maro samihafa aza ny tantarany, any anatin'reo dika marobe ” Ikala Serfa [5] “ dia olona matanjaka, ara-panahy natao hampahatsiahy antsika (Olon'ny Famoronana) ny andraikitsika, hikolokolo ny afo tsy ho faty, ary hitandro ireo hery matanjaka izay efa nisy mihoatra lavitra noho ny toerana onenana.”

Ny hevitra niaingàna nahateraka ilay amboara dia avy amin'ny fahombiazan'ny tantara an-tsarin'ilay mpanakanto sady mpanoratra, Elizabeth LaPensée, “Ikala Serfa: Hajia Iray Voasokitra [6],” natontan'ny Native Realities Press [7]tamin'ny 2015. Asongadin'izy io ny vehivavy iray tafarina avy amin'ny herisetra ara-nofo navadiny ho lasa maherifo toa an'i Ikala Serfa ary namely izay rehetra mety ho mpanafika. Na dia tantara an-tsary aza, ny sary voarakitra ao anatiny dia afaka hampiasa saina satria maneho ny zavamisy matroka iainan'ireo vehivavy any anaty vondrom-piarahamonina Teratany. Ahitàna fomba fiarovantena ihany koa ao anatin'ilay tantara an-tsary, teknika avy amin'ny Arming Sisters Reawakening Warriors [8] (Rahavavy Miantafika Mamoha ny Mpiady), fikambanana iray izay mampiroborobo ny velontena sy ny fiarovantena ho fitaovana mankamin'ny fahasitranana.

Araka ny voalazan'i Lee Francis [9], mpanorina ny Native Realities Press, ny dika malalaka amin'ilay boky tantaran'i LaPensée, azo alaina ao amin'ny tranonkalan-dry zareo, no boky be mpitroka indrindra tao amin'ilay tranonkala.

Mba hamoronana ilay amboara, nitambatr'i Elizabeth LaPensée [10] tamin'ny an'ilay mpankanto Weshoyot Alvitre [2] ny heriny, ary niantso mpanakanto sy mpanoratra izy roa mba hizara ireo tantara,  aingam-panahy avy amin’ Ikala Serfa. Notohanan'ny fanentanana Kickstarter [4]  ny ezak'izy ireo, izay nahazoana maherin'ny $18,000.

Three days to go. Over 200% funded. Let's shoot this #kickstarter through the roof these last few days! Link in my profile: https://www.kickstarter.com/projects/1532301108/deer-woman-an-anthology/description #indigenous #women #visiblewomen #deerwoman #folklore #empowerment #feminist #feminism #missingmurderedindigenouswomen #riseup #art #graphicnovel #inks #writing #comics #sequentialart #editorial #portraits #healing #truth #reconciliation [11]

A post shared by Weshoyot Alvitre (@weshoyot) on

‘Toy ny andriamanibavin'ny haikanto no fiasany mba hahafahan'ny vehivavy miresaka momba ireny olana ireny.’

 Weshoyot Alvitre, mpiara-manoratra ilay tantara, nitafa tamin'ny Global Voices momba ny “Ikala Serfa: Amboara iray Voafantina,” ny fikatrohana ao anatin'ny vanimpotoana dizitaly sy ny lanjan'ny Ikala Serfa amin'ireo vehivavy any rehetra any:

Global Voices (GV): Fomba ahoana no namelan'ny vanimpotoana dizitaly hisianà fifanakalozandresaka bebe kokoa momba ireo olana manjo ny vondrom-piarahamonina Teratany ?

Weshoyot Alvitre (WA): Tena voasivana tokoa ny hetsiky ny Indiana Amerikana tany aloha satria tsy nanana fahafahana hiatrika fakantsary handraketany lahatsary ry zareo. Tsy afaka nahazo gazety malalaka. Mora foana ny nìfehy an-dry zareo satria ny olona, afa-tsy ny vaovao iraisampirenena, tsy mba niresaka ireny olana ireny ary vitan-dry zareo ny nifehy ireo olona nahafantatra ny momba ireny olana ireny. Amin'izao androntsika izao, misy fomba maro hiasàna manodidina io (fifehezana) io satria misy ny fàham-baovao azo lazaina ho toy ny eo noho eo. Raha afaka mahazo kely amin'izany ianao ka mahasarika ny sain'ny olona, avy eo ny olona haniry handalina misimisy kokoa ny olana iray.

GV: Iza Ikala Serfa?

WA: Miovaova isaky ny foko ilay tantara. Heveriko fa ity boky ity dia mahaliana tokoa noho izy hoe, amin'ny fifandrasany aminà foko sasantsasany, dia raisina ho toy ny mpaka fanahy izy. Raha manao zavatra tsy manjary eo amin'ny fiainan'izy ireo ny lehilahy, dia vonoiny ny herin'ny fiainan'izy ireny ary entiny miverina ho amin'ny fahamarinana sy ny làlana tsara ry zareo. Ary any amin'ny fombandrazana hafa izy dia fampahatsiahivana fa ho very ianao raha tsy manaraka ny làlana. Any anatin'ny anganon'ireo Teratany, mifamatotra ny tontolon'ny natiora sy ny tontolon'ny fanahy. Toy ny misy endrika manome lanja azy hatrany. Izy no hany manana fifehezana ny zavatra rehetra ataony sy amin'ny fiainan'ny hafa ihany koa.

GV: Ahoana ny fifandraisan'Ikala Serfa amin'ny vaninandro maoderina?

WA: Misy betsaka nampifandòna ary betsaka idealim-behivavy rava ao anatin'ny kolontsaina Teratany, indrindra amin'izao fotoana izao. Ary antenaiko fa miaraka amin'izay nataoko tao anaty boky, sy izay hitako tany anatin'ireo tantara hafa, dia ny haka izay endrika rava sy very izay, izay mbola toy ny anganongano ihany koa, ka hampifanatrika azy amin'ireo olana maoderina. Araka izany dia mikitika ireo tena olana izy ary mandòna ireo vehivavy Teratany.

GV: Inona no iraka tsy maintsy hotontosain'ny “Ikala Serfa: Amboara iray Voafantina”?

WA: Heveriko fa amin'ny alàlan'ireo tantara dia hitondra fahatsiarovantena izy. Afaka mitondra fahatsiarovantena izy ary manao izay handinihan'ny olona misimisy kokoa. Ny tena zava-dehibe, manome sehatra ho an'ireo vehivavy vazimba teratany izy ary tsy mametraka fitsaratsaràna ao anatin'ny tantara tian'izy ireny horesahana amin'ny alàlan'ny Ikala Serfa. Toy ny andriamanibavin'ny haikanto no fiasany mba hahafahan'ny vehivavy miresaka momba ireny olana ireny. Heveriko fa mampianatra antsika hitrandraka ny hery anaty avy amintsika ny “Ikala Serfa” […] Heveriko fa izy no maneho ny venty sy hanitra tsara indrindra amin'ny dikan'ny hoe vehivavy

Voalahatra hivoaka amin'ny Novambra 2017 ny  “Ikala Serfa: Amboara Iray Voafantina”