Manao Fihetsiketsehana Hametrahana ny Volavolan-dalàna ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’ Ireo Tanora Ao Nizeria

“Mino ny idealisma izahay ao anatin'ny herin'ny tanora” – Moses Siasia nandritra ny diabe  ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’. Pikantsary avy amin'ny tatitry ny Oak TV .

Namaritra ny taona ambany indrindra takiana hahazoana toerana sasany ao amin'ny governemanta ny lalàna Nizeriana. Ohatra, tsy tokony ho latsaky ny 40 taona ny filoham-pirenena, ary tokony ho 30 taona farafahakeliny ny mpikambana ao amin'ny Antenimeram-pirenena  .

Maro amin'ireo tanora no nihevitra ity fepetra ity ho tsy rariny. Afaka mandatsa-bato amin'ny fifidianana ny olom-pirenena 18 taona no miakatra, ka lasa ny fisainana noho izany hoe: “Azo fidiana ihany koa isika raha afaka mifidy.”

Miha-mahazo vahana ny fampidirana ny volavolan-dalàna Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra rehefa manavatsava ny dingan'ny fanaovan-dalàna ao Nizeria.

Tony Nwulu, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena ao Nizeria, sy Abdul-Aziz Murtala Nyako, avy ao amin'ny Antenimieran-doholona no manohana ny fanovana ny volavolan-dalàna Andininy faha 65, 106, 131 ary 177 amin'ny Lalàmpanorenan'ny taona 1999 ao amin'ny Repoblika Federalin'i Nizeria. Izany dia mba hampihenana ny taona hahafahana ho mirotsaka ho filoha ho 35 taona raha 40 taona izany teo aloha; ary 30 taona ho governora raha 35 taona izany teo aloha; ny Antenimieram-pirenena ho 25 taona raha 30 taona izany teo aloha; ary ny Antenimiera ho 25 taona raha 30 izany teo aloha .

Mampiditra ny firotsahana ho kandidà mahaleotena amin'ny fizotry ny fifidianana ao Nizeria ihany koa ny volavolan-dalàna.

Tamin'ny 7 Jona 2016 no nampidirana izany voalohany, ary efa nandalo ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona izany hatramin'izao, ​​ary nahazo ny fankatoavan'ny Fiarahamonina Ara-toekarena ao amin'ny Fanjakana Afrikana Andrefana (CEDEAO).

Saingy mba hanaovana izany ho lalàna dia mila mifidy izany ny Sampana miisa 24 ao amin'ny Antenimiera. Nanomboka tamin'izay ny fanandratan-teny eo amin'ny sehatry ny firenena, ary manantena ny mety ho fahalanian'ny volavolan-dalàna ny tanora.

Nanaraka ny volavolan-dalàna nandritra ny dingana ny fikatrohana. Ohatra, tamin'ny 16 Jolay 2017, nilaza ny tatitra iray avy amin'ny masoivohom-baovao antserasera Sahara Reporters fa nisy ny firaisana tsikombakomba tao amin'ny Antenimiera  mba hialana tamin'ny volavolan-dalàna Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra .

Raha manohy ny Programany, mamono ny volavolan-dalàna ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’ ny Antenimieram-pirenena | Sahara Reporters

Vetivety ny valinteny avy amin'ireo mpanohana ny volavolan-dalàna, miaraka amin'ny hafatra nitobaka tao amin'ny media sosialy sy ny fikarakarana diabe:

Tonga ny fotoana hanavotana ny ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’  sy ny zontsika hitantana ny birao (fitantanana). Miomàna fa hitsidika ny Antenimieram-pirenena isika hanao ny fitakiantsika.

Hanatevin-daharana ireo olom-pirenena hafa aho rahampitso rehefa handeha ho any amin'ny Antenimieram-pirenena mba handrisika azy ireo handany ny ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’. Manao diabe hampandaniana azy isika.

MIJERY  ny Antenimieram-pirenena faha-8 izao tontolo izao. Fidio ny ‘Eny’ mba hanaisotra ny sakan'ny taona satria mampihena ny tsy fitoviana izany

Tsy maintsy mahatratra ny rehetra ny tolona fanavotana ny volavolan-dalàna ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’. Anisan'izany ny tanora izay miasa ao amin'ny fanaovan-dalàna amin'izao fotoana izao.

Avoty ny volavolan-dalàna ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’

Misy ny diabe ho an'ny ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’ ANKEHITRINY.
Andro iraisan'ny firenena: mitranga amin'izao fotoana izao eo amin'ny loharanon'ny firaisankina

Niala avy eo amin'ny Loharanon'ny Firaisankina nankany amin'ny Antenimieram-pirenena, Abuja ireo mpanao hetsi-panoherana hitaky ny fampihenana ny fetran'ny taona

Lahatsary: LAHATSARY FENO: Nahoana no nanakatona ny Antenimieram-pirenena ny fiaraha-mientana ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’

Nahazo fanohanana maro avy amin'ny tanora sy ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ny hetsi-panoherana. Izany dia nahatonga ilay Mpitondrantenin'ny Antenimiera, Yakubu Yogara, hanamafy ny fanohanany ny hampidirana ny tanora ao amin'ny sehatra politika:

The young people should be informed that we made a promise and we will keep to our promise, by God’s grace.

Tokony hampahafantarina ny tanora fa nanao fampanantenana isika ary hitana ny fampanantenantsika, avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Tsy ahitana tsipalotra fileferana ao amin'ny fanentanana ‘Tsy Tanora Loatra Izahay Mba Hitondra’ raha efa manomboka mitodika any amin'ilay volavolan-dalàna ny Antenimieram-panjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.