- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fisantarana Andraikitry Ny Olom-pirenena Shiliana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 23 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mirongatra ny heloka bevava. Leo ny mponina. Olona iray tratran'ny fandrobana mitam-piadiana izay nitranga roa herinandro lasa izay tao an-drenivohitra no nanombohan'ny hetsika ara-tsosialy manohitra ny heloka bevava. Ao amin'ny lahatsorany [1]voalohany (ES), nanambara ny fandaharany izy: “Tsy andraikitro ny hamolavola lalàna, tsy parlemantera aho, hitsara, tsy mpitsara aho, hanenjika ny mpanao heloka bevava, tsy polisy aho, hanara-maso ny vahoaka, satria tsy miasa ao amin'ny governemanta aho”. Notohizany tamin'ny fanasana hanao fihetsiketsehana am-pilaminana [2](ES) izany. Nahazo fanehoan-kevitra miisa 561 [3] izy tao amin'ny lahatsoratra, avy amin'ireo olona mitantara ny zavatra niainany manokana tamin'ny tsy fandriampahalemana ary nanohana ny santatra andraikitra nataony ny ankamaroan'izany .

Naneho hevitra mikasika ity olana ity ny bilaogera manerana an'i Shily. Namaritra ny tantaran'ny vehivavy iray izay niharan'ny fandrobana mitam-piadina in-40 tao an-tranony ary matory miaraka amin'ny basy amin'izao fotoana izao i Consensus mauvicm [4] (ES). “Saika ny 50% -n'ireo mpanao halabotry no tsy mandany iray andro akory any am-ponja”.

Hoy i Cococita [5] (ES) raha niresaka momba io olana io ihany:

Incredible but true, in a country like Chile there exists something called the revolving door of justice, which means that judges release the most dangerous criminals who have been arrested, back into circulation for them to reoffend, again and again.

Tsy mampino nefa marina, ao amin'ny firenena toa an'i Shily, misy ilay antsoina hoe ny varavaran'ny fitsarana mivoha hoazy, izay midika fa mamoaka ireo jiolahy mampidi-doza indrindra izay voasambotra ny mpitsara ary miverina mivezivezy indray izy ireo mba hanatontosa heloka bevava hafa indray, ary toy izany hatrany hatrany.

Nanadihady ny 100 andro voalohany nitondran'ny Filoha Michelle Bachelet [6] i Patricio [7] (ES). Noresahiny ny hetra, ny tsy fahaizana mifehy ny fitokonan'ny mpianatra, ary hoy izy raha nanoratra momba ny heloka bevava hoe:

Justice only acts in favor of the criminals (“innocent until proven guilty”, shouldn't this be in the other way around, in the case of the accused?).

Manome vahana ny mpanao heloka bevava ny fitsarana (“tsy meloka raha tsy misy porofo”, moa ve tsy tokony mifanohitra amin'izany, raha ny momba ny voampanga?).

Faramparany teo, nanomboka nisongadina ny santatra andraikitra nataon'ny olom-pirenena – ny fitokonan'ny mpianatra , ny hetsika nampiasàna feon'anjomara manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny solika ary ny fanentanana hanitarana ny ora iasan'ny lamasinina. Nanoratra momba ireo tranga ireo tao amin'ny bilaoginy i Celicia [8](ES) . Hoy izy nanamarika tao amin'ny lahatsorany hoe “Tsy nahatadidy nahita fisantaran'andraikitry ny mponina maro nandritra ny governemantan'ny elatra havia tato anatin'ny taona vitsivitsy aho”.