Bosnia Sy Herzegovina: Mamahana Bilaogin-tsary An’ I Sarajevo

(Marihina fa tamin'ny 21 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

sarajevo restored building
Tranobe iray naverina natsangana ao Sarajevo – sary avy amin'ny Seesaw/Quod/Zdenka

Nibilaogy momba ny Balkans nandritra ny herintaona sy tapany tao amin'ny Balkan-Scissors i Seesaw (na i Quod, na antsoina ihany koa hoe Zdenka).

Toy izao ny fomba nahatongavany tamin'ny fakana sary :

Born in Sarajevo, spent the war in Sarajevo, live in Sarajevo. Now retired.
Bought Canon A75 in January and discovered I love to make photos.

Teraka tao Sarajevo, niaina ady tao Sarajevo, mipetraka ao Sarajevo. Misotroronono ankehitriny.
Nividy Canon A75 tamin'ny volana Janoary ary nahita ny fitiavana maka sary.

Azo jerena ao amin'ny Bilaogin-tsary Sarajevo (“Sary ao Sarajevo tsy fahitanao matetika.”) sy ao amin'ny Flickr ireo sarin'i Sarajevo avy amin'i Seesaw.

Namaritra ny sarin'i Seesaw tao amin'ny fijoroana vavolombelona Flickr i Yakima_Gulag, izay mamahana bilaogy momba ny Balkans ao amin'ny YakimaGulagLiteraryGazett:

Quod's pictures of Sarajevo are the best pictures of that city! They have a very lovely and restrained quality. I also enjoy that she has put old postcards from Bosnia i Hercegovina because it kind of tells you how things used to be.

Ny sarin'i Quod mampiseho an'i Sarajevo no sarin'ity tanàndehibe ity amin'ny endrika tsara indrindra! Tena manana kalitao mahafinaritra sy voafehy izany. Tiako ihany koa ny nametrahany karatra paositaly  tranainy mampiseho an'i Bosnia sy Herzegovina satria karazany milaza aminao ny fandehan'ny tantara izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.