Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

03 Oktobra 2017

Tantara tamin'ny 03 Oktobra 2017

Lahatsary: Tsy Manana Hialofana Saingy Tsy Voatampim-Bava

Avy any Kolombia hatrany Kanadà, mandalo ny Royaume-Uni sy Etazonia, maro ireo fandraisana andraikitra teraka mba hanomezana fitenenana ireo olona farahidiny sy adinon'ny fiarahamonina: ny ankizy, ny vazimba teratany, ireo mpifindramonina ary ny vondrom-piarahamonina pelaka.

Diabe Volomparasy Mampiray Ny Vehivavy Maleziana An'Arivony Manohitra Ny ‘Politika Manapoizina’

"Tena tsy fahita firy izany. Mety hoe tsy betsaka angamba ny fahenoana ny hoe olona an'arivony, kanefa ao Malezia.....tsy dia mafana loatra ny hetsi-panoherana..."

Ny Olan'ny Google Tao Shina

Nahazo tsikera noho ny tsy fahombiazany tamin'ny fanomezana tolotra tsy mari-toerana ho an'ny mpanjifa Shinoa i Google, ilay maotera fitadiavana goavana indrindra manerantany, noho ny sivana antserasera nohamafisina, na ny Great Firewall of China (Rindrin'Afo Lehibe ao Shina), nandritra ny fankalazana ny faha-17 taonan'ny Famonoan'olona tao Tiananmen.

Ny Fisantarana Andraikitry Ny Olom-pirenena Shiliana

Mirongatra ny heloka bevava. Leo ny mponina. Olona iray tratran'ny fandrobana mitam-piadiana izay nitranga roa herinandro lasa izay tao an-drenivohitra no nanombohan'ny hetsika ara-tsosialy manohitra ny heloka bevava.

Bosnia Sy Herzegovina: Mamahana Bilaogin-tsary An’ I Sarajevo

Teraka tao Sarajevo, niaina ady tao Sarajevo, mipetraka ao Sarajevo. Misotro ronono ankehitriny. Nividy Canon A75 tamin'ny volana Janoary ary nahita ny fitiavana maka sary.......

Teny Quechua Andefasana ny Fientanan-kafaliana Hilazana ny hoe “Gooooooooal”

Rising Voices

Nandritry ny hazakazaky ny firenena hahazo toerana amin'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany amin'ny baolina kitra hatao amin'ny 2018, nizara tamin'ny teny Quechua ny fampitàna ny lalao ireo mpitantara baolina tao Però