Kyrgyzstàna sy Ozbekistàna: Sakay Sy Maso Fahiny, Mpinamana Tsy Mifankafoy Ankehitriny?

Mirziyoyev sy Atambayev tao Bishkek. Sry avy ao amin'ny tranonkalan'ny Filoha Kyrgyz, creative commons.

Tsy momba ireo vadinà filoham-pirenena sy ny kirarony mifanentana ihany akory no resaka, fa na tsy nandalo fotsiny aza; ny fitsidihan'ny filoha Ozbeky, Shavkat Mirziyoyev tany Kyrgyzstàna dia nanamarika fiovàna goavana teo amin'ny fifandraisan'ireo firenena roa ao Azia Afovoany izay, hatramin'ny teo aloha kely teo, niaina ela tambanin'ny alok'ilay iraikalahy tsy azo nifanarahana nodimbiasany.

Nanana zavatra vitsivitsy nahafinaritra azo ambara momba an'i Kyrgyzstàna i Islam Karimov, izay efa nifehy an'i Ozbekistàna hatrany alohan'ny fahaleovantenany avy amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny 1991 ka mandrapahafatiny tamin'ny taona lasa.

Nihitsoka tanaty ady toa tsy manam-pitsaharana momba ny tany sy rano, indray andro dia nandrahona hamaky ady  amin'i Kyrgyzstàna sy Tajikistàna mpifanolo-bodirindrina aminy i Karimov, noho ireo drafitra fanorenana tohodrano goavana noeritreretin'ireo firenena roa mahantra ireo any amin'ny faritra ambony ao Ozbekistàna.

Manome andran-tsira momba ireo andro nanjombona teo amin'ny fifandraisan'ny roa tonta ny fihaonana iray teo amin'ireo filoham-panjakana fahiny fony mbola Firaisana Sovietika, natao tamin'ny 2015 tao Maosko, ka nandritra izany i Karimov no nanakiana an'i Atambayev filohan'i Tajikistàna tamin'ny fomba tena nahamenatra taorian'izay noheveriny ho tsinontsinona — na ny filoha Rosiana Vladimir Putin mafy fo aza dia hita ho nipararetra nanoloana ilay toedraharaha nanahirana.

Tamin'ny fotoana iray voafaritra nandritra ny gidragidran'i Karimov, mamaly i Atambayev, “Nilaza fotsiny fomba fijery iray aho”, izay novalian'ilay mpitondra jadona, lehilahy anatin'ny faha-fitopolo taonany, toy ny hoe eny am-pakàn-drivotra any an-tsekoly:

Tena mahatsikaiky. Efa hatry ny ela ny fomba fijerinao ho fantatray.

Efa voajery in-1,3 tapitrisa ny lahatsary iray amin'ilay fifampiresahana nomena lohateny hoe “Tapitra ny Adin'i Karimov Atambayev” ary manasongadina fifandresen-dàhatra mivaivay teo amin'ireo Kyrgyz sy Ozbeky any anatin'ny faritra natao ho an'ny fanehoankevitra. Ny fifandraisana misy amin'ireo mpitarika dia afaka mametraka ny lantompeo amin'ny fifandraisan'ny vahoakan'ny roa tonta.

Sisintany vaovao

Izany no antony tena naha-navesa-danja ny fitsidihana an'i Bishkek renivohitra Kyrgyz nataon'i Mirziyoyev, praiminisitra fahiny efa ho am-polo taona mahery tao amin'ny fitondràn'i Karimov.

Vokatra roa manandanja avy amin'ilay fihanonana tamin'ny 5 Septambra no notaterin'ny EurasiaNet.org, tranonkala iray mifantoka amin'i Azia Afovoany:

Niafara tamin'ny fifanarahana iray hanova ny 85 isanjaton'ny sisintany mirefy 1.170 km iraisan'ny roa tonta ilay fitsidihan'i Mirziyoyev tany Bishkek. Loharanom-pifandirana efa hatry ny ela teo amin'ny fifandraisan'izy ireo ny resaka sisintany.

Saingy vao mainka i Mirziyoyev nampilendalenda indray ny vina hisian'ny zavatra iray mbola mety hanandanja bebe kokoa raha iny izy nanipika ny momba ny fifaningoran'i Ozbekistàna amin'ireo tetikasa herinaratra ahodin-drano ao Kyrgyztàna iny. Ilay filoha Ozbeky efa nodimandry, Islam Karimov, dia nanohitra hatrany ny tetikasa toy izany, tamin'ny nilazàny fa mety hanohintohina ireo tetikasan'ny sehatra toekarena ambanvohitra ao Tashkent izy ireny, indrindra fa ny voly landihazo.

Ao amin'ny Twitter, niarahaba ilay fihanoana voalohany hatramin'ny taona 2000 teo amin'ireo mpitarika roa tonta ireo teratany Kyrgyz. Efa nanana filoha efatra i Kyrgyzstan nandritra izay fotoana izay, ny roa tamin'ireny dia nahongana an-dalambe.

Ny fihetsehampo dia mankany amin'ny finiavana tsara avy amin'ny filoha Ozbeky. Tena misokatra be i Mirziyoyev, namana, ary feno finiavana tsara ka dia tsy misy afa-tsy haravoana no entin'izany ho anay!

Mirziyoyev: Nisy olana maro tokony novahàna teo amin'i Kyrgyzstàna sy Ozbekistàna, saingy tsy mbola voavaha araka ny tena tokony ho izy izy ireny.

Ny ampitso, samy namoha indray ny ampahany amin'ny sisintany iraisan-dry zareo ny tany roa tonta, sisintany nihidy nanomboka tamin'ny nisian'ny olana politika nanempotra an'i Kyrgyzstàna tamin'ny 2010. Olona an'arivony maro monina amn'ny andaniny sy ankilany amin'ilay sisintany no nanatrika ilay fanokafana.

“Dostuk” toeram-pisavàna amin'ny sisintany iraisan'ny Kyrgyz sy Ozbek  ao Osh faritanin'i tamin'ity tolakandro ity

Iza io vehivavy io ?

Sary iray naharitra tamin'ilay fitsidihana nifanaovan'ny roa tonta ny fahitàna ny vadin'ny filoham-pirenena Kyrgyz, Raisa Atambayeva, sy ny an'ny filoha Ozbeky, Ziroatkhon Hoshimova nifampitantana taorian'ny nahatongavan'ireo solontena Ozbeky, toa samy nanao kiraro nifanentana tsara.

Babon'ny bika aman-endriky ny vadin'ny filoha Ozbeky ny media sosialy Kyrgyz, ka nahatonga ny fampahalalam-baovao iray ety anaty aterineto handefa ilay hira malaza fandre tamin'ny taona 1990 tany ho any tany anaty karaoke amin'ireny trano fisakafoanana ireny nanerana ny Firaisana Sovietika taloha: Ah What a Woman!! (Vehivavy anie izany e!)

Hoshimova nandeha avy eo ankavian'i Atambayeva ao anatin'ny sary eto ambany’.

Ireo vadin'ny filohan'i Kirghizstàna sy Ozbekistàna – Raïssa Atambaeva sy Ziroathon Hoshimova

Mbola mijanona hatrany ho fitondrana jadona mahery setra ihany i Ozbekistàna raha ny fenintra iraisampirenena no jerena, na eo aza ireo marika sasantsasany ahitàna ilay antsoina hoe “fihalefahana” amin'ny politika anatin'ny firenena.

Tombony amin'ity fandrosoana ara-diplaomatika tao Kyrgyzstàna ity i Mirziyoyev, izay nanao ho laharam-pahamehana tao anatin'ny politka ivelany ny fifandraisana any amin'ny faritra, toa ho tavela eo amin'ny fitondrana mandrapahafatiny.

Vaovao tsara ihany koa ho an'i Tajikistàna izany, izay mbola tsy notsidihan'i  Mirziyoyev tao anatin'ny herintaona nahazoany fahefana, nefa koa feno fanantenana hoe an-dàlana ny hisian'ny fifandraisana tsaratsara kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.