Rakipeo Global Voices – Antsafa Niarahana Tamin'i Lisa Goldman, Bilaogera Monina Any Tel Aviv

(Marihina fa tamin'ny 1 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

GV podcasts

Niala tao Canada nankany Tel Aviv, Israely i Lisa Goldman, taona vitsivitsy lasa izay.  Mpandray anjara tsy tapaka ato amin'ny Global Voices i Lisa ary mamahana bilaogy momba ny fiainana ao Isiraely – “ny zava-drehetra mikasika ny fanaovana vy very ny aina ka hatrany amin'ny fisokafan'ny trano fampirantiana zavakanto” – ao amin'ny On the Face.

Nanatrika ny fihaonambe WeMedia tany Londra i Lisa vao haingana, izay nihaonany tamin'i Kamla Bhatt. Niresaka momba ny lohahevitra samihafa izy ireo, nanomboka tamin'ny fahazazana tany Canada ka hatrany amin'ny famahanana bilaogy ao Israely.

Trohy na henoy ny antsafa (13:42 min; 12.6MB) amin'ny alàlan'ny kitika eto na eo amin'ny “fanamafisam-peo” etsy ambony.

Na misorata anarana ao amin'ny rakipeo Global Voices amin'ny alàlan'ny fampiasana ireto rohy manaraka ireto:
RSS | iTunes | Odeo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.