- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manoratra I Torkia…

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 8 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

… Momba ny baolina kitra no resaka amin'ity herinandro ity, na hoe nampiana bilaogy Tiorka miisa 2 tato amin'ny lisitra tamin'ity herinandro ity izay mifantoka amin'io lohahevitra io: Gulay, Galatasaray, and the Dogs [1] sy The Round Ball in Ankara [2]. Toy ny any amin'ny firenena maro, fanatanjahantenam-pirenena ao Torkia ny baolina kitra ary mahafinaritra ny mahita ireo bilaogy natokana ho an'ny fanatanjahantena misandratra tahaka ireo izay miavaka sy mahaliana. Ny ekipa roa voalohany, ireo mpanohana izay inoana fa hendry amin'ny talenta, no olana iray hafa (eh! mpanohana ny Diyarbakirspor aho an, ka mety tsy hiraharaha ny hevitro momba ny baolina kitra ny maro), dia Galatasaray ( izay mety ho bankirompitra tsy ho ela [3] ) sy Fenerbahce ( jereo eto raha hijery ny adihevitra momba ny hoe mandefitra kokoa ve ny mpitsara amin'ity ekipa ity. [4]) Hijery ireo bilaogy ireo isika any aoriana.

Andeha hojerentsika ny fomba ataon'ny tsirairay, atombotsika amin'ny ankizivavy aloha:
Nanambara ny fankafizany ilay mpilalao sarimihetsika Amerikana  Alan Alda tamin'ny fahatanorany [5] i Phanja avy ao amin'ny The Need to Know. Manamarika ihany koa ny esoeson'ny sarimihetsika antiamerikana Valley of the Wolves ihany koa izy izay nampivelatra ny fihetseham-po antiAmerikana amin'ny fomban-drazana Amerikana [6] , amin'ny fahazoana vola betsaka ao amin'ny dingana.

Nanoratra momba ny fihaonana farany tao amin'ny Metblogs tao Istanbul [7] i Idil avy ao amin'ny Ignore me if You Can sy ny fampitahana ny OC any Amerika sy ny tanàna itatr'i Istanbul [8] .

Andeha indray hikisaka mankany amin'ny Metroblogging: Istanbul , manontany i Metecem raha tena mila tonelina maro kokoa i Istanbul mba hanampiana ny famahana ny olana momba ny fifamoivoizana [9] ao aminy. Mitaraina i Sven fa tsy misy ny mari-piatoana farango sosona amin'ny teny Anglisy [10].

Mizara amintsika ny sasantsasany amin'ireo “famokarana naotim-pivoriana [11]” i Amerikan Turk ary notohizany tamin'ny fitaterany ny hetsi-panoherana sariitatra Miozolomana [12] izany.

Miresaka momba ny fahaverezan'ny sakafo ara-pahasalamana miaraka amin'ny fanombohan'ny enim-bolana vaovao [13] sy ny fihaonambe vao haingana momba ny sisintanin'i Eoropa tao amin'ny Invontoerana Goethe Istanbul [14] i Erkan's Field Diary.

Nanoratra momba ny fahamatoran'ny gazety Tiorka [15] sy nanome rohy mankany amin'ny rakibolana somary mahatsikaiky momba ny politika Tiorka [16] i Turkish Torque.

Ny diantsika farany amin'ny bilaogy Tiorka dia ny an'i Mavi Boncuk , izay nanome antsika ny tantara iray momba ny Jiosy ao Bursa [17] ary ny lahatsoratra voalohany momba ny fananganana ny sambo Ottoman [18].