Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Creative Commons Meksika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Martsa taona 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Toa mientanentana tokoa ny Tale Jeneralin'ny Foibe Berkman, John Palfrey raha nanoratra hoe:

Right this very minute, Creative Commons Mexico is launching in Mexico City. Congratulations, Larry Lessig, Leon Felipe Sanchez, and all the CC International team on yet another landmark on your road to world domination. For atmospherics, Larry has “My Life” playing in the background… (This launch is coinciding with the end of Day 1 of iLaw-Mexico here.)

Vao manomboka izao minitra izao, manomboka ao Mexico City ny Creative Commons Mexico. Arahabaina, Larry Lessig, Leon Felipe Sanchez, sy ny ekipan'ny CC (Creative Commons) Iraisampirenena amin'ny mari-pamantarana iray hafa amin'ny lalanareo mankany amin'ny fanjakazakana manerantany. Ho an'ireo atmosferika, manana ny “My Life” milalao eny ifotony i Larry… (Mifanojo amin'ny faran'ny Andro voalohan'ny iLaw-Meksika eto ny fampahafantarana.)

ilawAo amin'ny iLaw, mibilaogy mivantana isaky ny atrikasa i Eduardo Arcos, teratany Ekoadaoriana monina ao Mexico amin'izao fotoana. Mikasika ny spam ao Meksika, mamintina ny teboka lehibe (ES) nolazain'i Clara Luz Álvarez González de Castilla (eo amin'ny sary) avy ao amin'ny Vaomiera Federaly ny Fifandraisandavitra  toy izao:

  • The problem in Mexico is a problem of cybersecurity and it's similar to other countries.
  • Spam is occurring in other media. (Text messaging for example, not to mention spam comments on blogs)
  • Mexico is the 11th greatest generator of spam.
  • There are two constitutional guarantees: freedom of expression, which can't prohibit the mass mailing of messages on the internet and freedom of work which can't prohibit someone from working in this.
  • There is a proliferation of political spam.
  • There are initiatives to develop policies in relation to cybersecurity in Latin America.
  • In Mexico there is a very clear digital divide. With slow connections in the majority of Mexico, reducing spam is a relatively high cost in time and resources.
  • Ny olana ao Meksika dia ny olan'ny fiarovana antserasera ary mitovy ny amin'ny firenen-kafa izany.
  • Mipoitra any amin'ny fampahalalam-baovao hafa ny Spam. (Fandefasan-kafatra an-tsotratra ohatra, tsy lazaina intsony ny fanehoan-kevitra spam any anaty bilaogy)
  • Meksika no mpamokatra spam betsaka indrindra faha-11.
  • Misy ny fiantohana roa voalazan'ny lalàmpanorenana: ny fahalalaham-pitenenana, izay tsy afaka mandrara ny fandefasana hafatra be dia be ao amin'ny aterineto sy ny fahalalahana miasa izay tsy afaka mandrara ny olona tsy hiasa amin'izany.
  • Mihabetsaka ny spam politika.
  • Misy ny ezaka hampivelarana ny politika mifandraika amin'ny sehatry ny fiarovana an'aterineto any Amerika Latina.
  • Misy ny hantsana nomerika miharihary ao Meksika. Noho ny fihisatry ny fifandraisana ao amin'ny ankamaroan'i Meksika, lafo vidy amin'ny resaka fotoana sy loharanom-bola ny fampihenana ny spam.

ilaw

Sary avy amin'i Eduardo Arcos

Tamin'ny herinandro lasa, nanapa-kevitra vao haingana hanome alalana ny votoatiny amin'ny fampiasana ny Creative Commons i León Felipe Sánchez interviewed Luis Alberto Bolaños sy Emilio Saldaña ao amin'ny Rafitra Aterineto ny Fiadidian'ny Filoha  (Presidential Internet System) (SIP). Rehefa nanontaniana ny antony nahatonga ny fiadidian'ny filoha nanapa-kevitra hampiasa ny fahazoan-dàlana CC, dia namaly izy ireo hoe:

One of the principal interest of the Presidency of the Republic is that, once content is published, it reach the largest quantity of people possible. The content is used by researchers, academics, students, the press, and general public. By using Creative Commons licences, we have the possibility to permit the content's copy, reproduction, diffusion and everything which lets it get shared with more people. All without any charge or commercial cost, which is exactly what the licensing scheme of Creative Commons protects against. All of this, and the fact that it's based in Mexican copyright legislation.

Iray amin'ireo tombontsoa lehibe indrindra amin'ny Fiadidian'ny Repoblika ny, raha vantany vao tafavoaka ny votoaty, manao izay hahazoana olona betsaka araka izay tratra. Ampiasain'ireo mpikaroka, mpampianatra ambony, mpianatra, ny gazety ary ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny votoaty. Amin'ny fampiasana ny fahazoan-dàlana Creative Commons, azontsika atao ny manome alalana ny fandikana, ny famokarana indray, ny famoahana votoaty sy ny zavatra rehetra mamela azy ho voazara amin'ny olona marobe. Maimaim-poana avokoa izany  rehetra izany, izay tena arovan'ny drafitra fahazoan-dalana Creative Commons indrindra. Izany rehetra izany, sy ny zava-misy mifototra amin'ny lalàna Meksikana momba ny zon'ny mpamorona.

Mitohy mandritra ny tontolo andro ny iLaw Meksika ary azonao atao ny mijery ny tatitra bebe kokoa ao amin'ny Ariel Vercelli (ES) sy Eduardo Arcos (ES).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.