FOKO: Ny Faha 50 Taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara

(Marihina fa tamin'ny 25 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Antananarivo, Madagascar. Image from Flickr by Luc Legay, used under a creative commons license

Antananarivo, Madagasikara. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Luc Legay, nampiasàna lisansa Creative Commons

Manakaiky ny faha 50 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany amin'ity taona ity. Ho fanamarihana ny fandrosoan'ny firenena, Patrick avy ao amin'ny Rising Voices izay manohana ny FOKO Madagascar , dia niantsafa tamin'ireo zokiolona roa avy eto Madagasikara momba ny endrik'i Madagasikara rehefa afaka 50 taona taorian'ny fahaleovantenany.

Mbola vao 13 taona monja i Paul raha nahazo ny fahafahana i Madagasikara tamin'ny 26 Jona 1960. Hoy izy:

It was really hard to be colonized by another country. We may have lost all of what we have as a wealth even our own unique culture which is found nowhere else in this planet.

Tena mafy ny zanahan'ny firenena iray hafa. Mety ho very avokoa izay rehetra hananantsika eny fa na dia ny kolotsaintsika tsy manam-paharoa aza izay tsy hita na aiza na aiza eto amin'ity izao tontolo izao ity.

Saingy tsy manantena zavatra firy amin'ny toe-javatra ankehitriny izy:

Madagascar is always running into the bad way of development, you see “the poor is getting poorer and the rich is getting richer.”

Madagasikara dia mihazakazaka hatrany mankany amin'ny làlam-pandrosoana diso, hitanao fa “miha-mahantra kokoa ny mahantra ary miha-manankarena kokoa ny mpanankarena.”

Foko RanalinaHoy i Ranalina (Maman'i Claudette) hoe:

When we got our freedom from French in 1960, we had our first republic which was headed by Tsiranana. [..] We were feeling much comfortable in the second republic but there was too much corruption and that is the main reason why our country running nonstop into the hell of the poverty. I think, (that) was (the time) when we started our strange politics.

Rehefa nahazo ny fahafahana avy amin'ny Frantsay izahay tamin'ny taona 1960 dia nanana ny repoblika voalohany izay notarihin'i Tsiranana. [..] Nahazo aina kokoa izahay tamin'ny repoblika faharoa saingy nisy ny kolikoly be loatra ary izany no antony lehibe nahatonga ny firenentsika nirona tsy mijanona mankany amin'ny helon'ny fahantrana. Heveriko, (fa izany) no (fotoana) nanombohan'ny politika hafahafa teto amintsika.

Manana ny filazany izy mikasika ny hoavin'i Madagasikara:

In my opinion, the only one key to get this country in a good health is the education. That’s all. Because it seems that jangle life still exists in this country. Also we should forgive, respect and tolerate to one another for the best future of our beautiful country.

Raha ny hevitro, ny fanabeazana no hany fanalahidy tokana ahafahana manasitrana ity firenena ity. Izay ihany. Satria toa hita fa mbola misy ny jiolahim-piainana eto amin'ny firenena. Tokony hifamela sy hifanaja ary hifandefitra ihany koa isika hisian'ny hoavy tsara indrindra ho an'ny firenentsika.

Nitatitra i Imahaka fa manao fanentanana momba ny viriosin'ny H1N1 ny sekoly fianarana asa fanaovan-gazety ESSVA any Antiserabe izay efa hita tamin'ireo olona an-jatony maro avy eto Madagasikara. Mamariparitra ny fomba nandihizan'ireo mpianatra teny ambony lampihazo mba hisarihana ny vahoaka ny lahatsoratra. Nampiasa fampisehoana marionety sy hetsika hafa fanentanana izy ireo mba hanelezana ny teny momba ny fomba hisorohana ny viriosin'ny gripa H1N1. Ity ny sarin'ny ekipan'ny mpianatra nandresy.

Mission Accomplished! Photo by ESSVA

Asa vita! Sary avy amin'ny ESSVA

Nahatsikaritra  i Ariniaina avy ao amin'ny Dago Tiako fa nisy vola Malagasy sasany nivoaka tsy nisy ny sonian'ny Governora.

I think that the current banknotes are not fake but the Central Bank of Madagascar has failed to make an official announcement concerning the change.

Heveriko fa tsy sandoka ny volan'ny banky ankehitriny, na dia tsy nahavita nanao fanambarana ofisialy momba ny fiovana aza ny Banky Foiben'ny Madagasikara .

Farany ary indrindra indrindra, namoaka lahatsary avy amin'ireo hira fahiny sasany avy eto Madagasikara i Tahina .

Mamakia bebe kokoa avy amin'ny bilaogera FOKO.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.