- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tontolon'ny Bilaogy Libaney Tamin'ity Herinandro Ity: Mama, Dada sy Andriamanitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: efa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Na dia mitohy aza ny fifandirana ao amin'ny Fihaonambem-pirenena, nanohy momba ireo zavatra maro samihafa tafiditra amin'izany tontolon'ny bilaogy Libaney miteny Anglisy. Ur Shalim nanamarika [1] ny fitoviana misy eo amin'ny ady an-trano Libaney sy Irakiana,  Across The Bay and Beirut To The Beltway indray niditra  [2]tamin'ny antsipiriany isan [3]-karazany [3].

Amin'ity herinandro ity anefa, avelantsika hiala sasatra ny politika; Misaotra an'i Eve ao amin'ny Mysterious Eve [4], handika ireo sombiny sasany avy amin'ny teny Arabo ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Libaney aho, izay matetika mitatitra zavatra avy amin'ny tenany kokoa tsy tahaka ny namany amin'ny teny Anglisy.

Eve, amin'ny fombany tia maminavina sy poetika, mieritreritra [5] zava-misy iray izay manendry ny anjaran'ireo zaza vao teraka eto amin'izao tontolo izao i Andriamanitra sy ny anjely.

-ماذا عن هذا يا إلهنا؟
– فلتنفث رذاذاً أشقر بين خصلاته، ولتصبغ عينيه بلون البحر حين تنسكب عليه شمس المغيب. إجعله جميلاً فيفتتن به الجميع، وقويّاً فلا يحتاج إلى أحدٍ.
ينظر الملاك في قائمته المرجعيّة، ويضع علامةً قرب خانة “ملعقة الذّهب”. ثمّ يردف:
– وماذا عن الأعراض الجانبيّة؟
– سيظلّ يغرز أوتاداً في شغاف قلبه، بحثاً عن صورةٍ ليست في المرآة. ولسوف يناجي طيف النّوم، فينسى أنّ في أزرق عينيه بعضاً من بريق شمسٍ. وفي نهاية المطاف، إمّا يتناثر أو تتحطّم الصّورة في المرآة.
-Ahoana raha ity iray ity ry Tompo?! Hoy ny anjely iray manondro ny iray amin'ireo zazalahy
-Ataovy manja ny volony (blond), manga maso, mahafinaritra kokoa izy ka hanintona ny tsirairay, matanjaka kokoa ka tsy mila na iza na iza.
-Misy voka-dratsiny ve Tompoko?
– Hijaly izy ary tsy hahita torimaso, miezaka ny ho olona tsy araka tenany izy, manadino ny zavatra mampiavaka azy manokana, mandra-pahalevonany na hahita ny sariny amin'ny fitaratra mihamanjavona.

Manome ohatra hafa i Eve, ka nifindra tamin'ny fiainany manokana:

“ولمّا حان دوري، فرك الله يديه بإمعان، والتمعت في عينيه ومضةٌ تفضح أكثر ممّا تخفي، ثمّ ضحك ضحكته الجبّارة وهتف:
– والآن، كم سنتسلّى!
“… ary rehefa tonga ny anjarako, nikasika ny tanany tanteraka Andriamanitra, ary miaraka amin'ny zavatra mamiratra maneho zavatra amin'ny masony, nihomehy mafy sy nihiaka izy hoe: Ankehitriny, hifaly havanja isika”

Bilaogera hafa sahirana nanoratra mikasika ny ray aman-dreniny. Sasmen nanoratra tononkalo mampihetsi-po [6] ho an'ny reniny amin'ny Fetin'ny Reny, izay ankalazaina [7] ny 21 martsa any Libanona.

Hilal avy ao amin'ny Nostalgia namoaka lahatsoratra [8] momba ny raim-pianakaviana iray tsy afaka mamela ny zanany vavy, mba hanome aingam-panahy fotsiny an'i Rat mba hanoratana taratasy ho an'ny rainy  [9]izay maty tamin'ny herintaona. Indrisy fa mahazatra indrindra eo amin'izao tontolo izao ny zava-iainan'i Rat. Ity misy sombintsombiny:

و اضحك اليوم منك و من نفسي عندما استعيد وحشيتك المطلقة في التعامل مع خطيبي الاول؟ يقول مساء الخير , لا ترد التحية, نتأهب للجلوس على مائدة الطعام, تتجاهل وجوده كليا … بعد فترة و عندما شعرت بقيود الزواج تحيط بي , قررت الانفصال و استسلمت لقيودك التي اسرتني بين جدران المنزل لاشهر عدة, لكن بريق السعادة في عينيك لم يكن ليخفى على احد. تتاللت الايام و توالى العرسان و ردات فعلك, هذا اهبل, و هذا من ديانة مختلفة, و هذا نسونجي و بقينا سنوات على هذا الحال
Androany, nihomehy anao sy ny tenako aho, rehefa mahatsiaro ny faharatsiana tanteraka nitondranao ny fofombadiko voalohany. Niarahaba anao izy, tsy namaly ianao, fa aleonao mihinana lasopy. Tsy noraharahianao tanteraka ny fisiany … Tatỳ aoriana, rehefa nahatsapa aho fa hanambady atsy ho atsy, nisafidy hisaraka taminy aho ary niantsoraka tamin'ny rojonao, rojo izay nanidy ahy an-trano nandritra ny volana maromaro. Saingy miharihary ny hafaliana manjelatra teo amin'ny masonao. Lasa ny andro, tonga ny manaraka ary lasa indray. Nahita fahadisoana tamin'ireo rehetra ireo ianao: adaladala, fivavahana samihafa, vavy toetra. .. taona maro no lasa tahaka izany …

Mazava ho azy, tsy ny Libaney rehetra amin'ny teny Arabo ihany no an'olona manokana. Ny sasany dia mbola manoratra momba ny, azonao an-tsaina, ny Fihaonambem-pirenena. [10]