Mampiasa Ny Aterineto Ny Tompotany Mpiangaly Rap Avy Any Brezila Mba Hitondrany Ny Hafany Ho An'ny Vahoaka

Tarika mpiangaly Rap tompotany Brô MCs nanao fampisehoana tao Asuncíon, Paraguay. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook Brô MCs Rap Indígena, Nahazoana alàlana .

Mpanakanto hip-hop maro avy any Brezila no manararaotra mampiasa ny teknôlôjia mba hampiroboroboana ny kolontsain'izy ireo, ny mari-panondroana azy ireo ary ny olana ara-tsosialy goavana eo amin'ny vondrom-piarahamoniny.

Amin'ny alàlan'ny sehatra toy ny Facebook sy YouTube, nampiasa ny feony sy ny tononkirany hanombohana ny resaka ireo mpanakanto ireo mba hitondrany ny hafatra ho an'ny mpihaino midadasika sy miditra serasera kokoa.

Amin'izao fotoana izao, misy foko indizeny mihoatra ny 240 mipetraka any Brezila, izay maneho ny 0,9%-n'ny mponina manerana ny firenena. Niaina ny tsy rariny maro nandritra ny tantara ireo vondrom-piarahamonina ireo, kanefa amin'izao fotoana izao, ny zon'ny tany no tena olana goavana indrindra ho an'ny mponina indizeny.

Teo anivon'ireo adihevitra ireo, noporofoina  fa fitaovana matanjaka amin'ny fanasongadinana ny fomba fijerin'ireo tompotany ny hip-hop. Ireto ny sasany amin'ireo mpiangaly rap izay lohalaharana tamin'ity hetsika ity.

Brô MCs: Ilay tarika mpiangaly mozika rap tompotany voalohany ao Brezila

Brô MCs dia tarika ahitana mpiangaly mozika rap tompotany miisa efatra avy any amin'ny tanànakelin'i Jaguapirú sy Bororó, ao an-tanàndehiben'i Dourados, any amin'ny fanjakana afovoany andrefan'i Mato Grosso do Sul.

Tamin'ny taona 2009, rehefa namorona ny tarika i Bruno Veron, Clemerson Batista, Kelvin Peixoto ary i Charlie Peixoto, dia nifanehitra tamin'ny fisalasalana avy amin'ireo vahiny sy avy amin'ny olona ao amin'ny vondrom-piarahamoniny ihany koa aza ny fiangalin'izy ireo ny mozika.

Saingy noporofoin'izy ireo tamin'izany fa afaka miara-miasa tsara ny kolontsain'ny rap sy ny olan'ny mponina indizeny.

Tsy vitan'ny hoe nitsidika manerana an'i Brezila ihany izy ireo, fa tonga hatrany amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisampirenena tao Berlin ihany koa ny mozikany – ilay hira hoe “Terra Vermelha”, na “Tany Mena “, no iray amin'ireo feonkira famantarana ny sarimehitsika Breziliana izay nalefa nandritra ny lanonana fanolorana ny loka tamin'ity taona ity.

Brô MCs. Sary avy amin'ny pejy Facebook Brô MCs Rap Indígena, nahazoana alàlana .

Nalefa tao amin'ny YouTube tamin'ny taona 2015 ny hira tokana voalohany tamin'ny alalan'ny fantsona Guateka – tetikasa iray izay mampiseho ny fiainana andavanandron'ny vondrom-piarahamonina indizeny manerana ny firenena.

Hiraina manontolo amin'ny teny Guarani Kaiowá (fitenin-drazan'ny tarika) ny “Koangagua”, izay adika amin'ny fomba tsotra hoe “Amin'izao fotoana”, miaraka amin'ny dikantsoratra Portiogey.  Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny karazana mozika nofidiany amin'ny fampiroboroboana ny finoany sy ireo zavatra tena manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny ilay tononkira.

Indro ny ampahany tamin'ny hira voalaza:

Minha fala é forte e está comigo / Falo a verdade, não quero ser que nem você / Canto vários temas e isso que venho mostrando / Voz indígena é a voz de agora

Mahery ny lahateniko ary miaraka amiko/miteny ny marina aho, tsy te-hitovy aminao aho/mihira momba ireo olana samihafa aho ary izany no asehoko/Ny feon'ny mponina indizeny no feon'ny ankehitriny

Hita ao amin'ny Facebook ny ankamaroan'ny hetsika ataon'izy ireo ao amin'ny media sosialy, izay ahitan'ireo mpankafy ny fandaharan'ny fampisehoana sy ny fivahinianana ao amin'ny fampahalalam-baovao ary ny topi-maso momba ireo olana izay mahaliana ny tarika.

Ohatra, nampiroborobo ny fampiratiana sary tany atsimo atsinanan'ny tanàndehibe Belo Horizonte, any amin'ny fanjakan'i Minas Gerais, izay nampiseho ny fiainan'ny vahoaka Guarani-Kaiowa ny iray amin'ireo lahatsoratra vao haingana navoakan'izy ireo.

Nanomboka niseho tamin'ny fahitalavitra niaraka tamin'ny ” Guateka” ny Brô MCs, izay andian-tsarimihetsika noforonina manana fizarana miisa dimy izay mifototra amin'ny dia manokana nataon'ny tarika Rap ho mpiangaly mozika tompotany. Milalao ao amin'ny andian-tantara novokarina tao an-toerana izy ireo, izay nahazo fanohanana avy amin'ny vahoaka ary navoaka voalohany tao amin'ny fantsona fahitalavi-panjakana ao Brezila tamin'ny volana May 2017.

Oz Guarani: Avy any São Paulo sy ny manodidina

Oz Guaraní no tarika mpiangaly mozika rap indizeny voalohany avy any atsimo atsinanan'i São Paulo, ilay renivohitra hip-hop Breziliana sady fonenan'ireo mpiangaly mozika rap malaza indrindra ao amin'ny firenena, anisan'izany i Emicida, Mano Brown ary Criolo .

Ny tanora kintana telo, Jefinho, Mano glowers, ary Vlad Macena, dia avy any amin'ny  tanànakely ambanivohitr'i Jaraguá Tekoa Pyau sy Tekoa Ytu, any amin'ny farany andrefan'ny tanàndehibe.

Avy amin'ny andiana hetsi-panoherana iray tao an-toerana taona vitsy lasa izay no niandohan'izy ireo voalohany, izay niteraka ny fifandirana nitohy tamin'ny ady tany teo amin'ireo foko Jaraguá sy ny governemanta teo an-toerana. Nihaona nandritra ny iray tamin'ireo fihetsiketsehana ny tarika, ary nanapa-kevitra ny hanoratra taratasy momba ny zava-nitranga tamin'io fotoana io – izay lasa hira single an'izy ireo voalohany, “Guerreiro da Aldeia Jaraguá” (“Mpiadin'ny Tanànakely Jaraguá”):

Nanasongadina ny olana ara-tsosialy ny fisehoan'izy ireo antserasera, toy ny ady tany volaza etsy ambony. Mampiasa Facebook ihany koa izy ireo mba hizarana ny fahombiazany sy ny ezaka kasainy hatao any aoriana, anisan'izany ny fanadihadiana amin'ny lahatsary, ny rakikira vaovao, ary ireo fampisehoana.

Sehatra iray hafa izay nampiasain'i Oz Guarani hanaparitahana ny hiran'izy ireo ny Palco MP3 , tranonkala tsy miankina breziliana iray natao hizarana mozika izay somary mitovy amin'ny SoundCloud: afaka mandefa ny hirany ao ireo mpanakanto ary azo trohana maimaimpoana izany, ary manavao ny mombamomba azy ireo mba hifandraisana amin'ireo izay te-hahalala misimisy kokoa momba ny mozikany.

Kunumi MC: Mpihira mozika rap indizeny mandeha tokana (solo) voalohany ao Brezila

Nalaza voalohany teo amin'ny sehatra nasionaly tsy noho ny mozikany, fa noho ny fikatrohany i Werá Jeguaka Mirim, izay fantatra amin'ny anarana artistika hoe Kunumi MC. Nilanja sora-baventy teo afovoan'ny kianja mangataka ny famaritana ny tanin'ireo tompotany i Kunumi nandritra ny Fiadiana ny Amboara Erantany FIFA 2014.

Nanomboka niseho ho toy ny mpanakanto  mpihira hip-hop solo voalohany ao Brezila tamin'ny alàlan'ny famoahana ny rakikirany voalohany , mitondra ny lohateny hoe “Mena ny ràko”, ny 2 Jona 2017 ilay mpihira rap, izay fantatra amin'ny anaran'ny mpanakanto hoe “ilay tanora iray” ao Guaraní.

Kunumi MC. Sary natolotr'i Werá Jeguaka Mirim (aka Kunumi MC), nahazoana alàlana.

Avy amin'ny tanànakely Krukutu ao Parelheiros i Kunumi, any amin'ny farany atsimon'i São Paulo izany, ary naneho ny famoronany hatramin'ny fahakeliny. Raha ny marina, ny rainy mpanoratra, Olivio Jekupé, no nahatonga ilay zazalahy ho liana tamin'ny fampiasana ny fiteny mba hanasongadinana ny olana izay tena mavesa-danja.

Azonao atao ny mijery ireo lahatsary maimaim-poana izay ahitana ny sasantsasany amin'ireo hirany ao amin'ny YouTube, sy ny lahatsarin-kira feno amin'ny hirany voalohany “O Kunumi Chegou” (“Tonga i Kunumi”) ihany koa:

Toy izao ny ampahany amin'ny tononkiran'ny hira etsy ambony:

Lutar pelo povo e ser o que é/Na multidão, você não é o melhor/Mas pode agir como ela/ Sempre com humildade, raciocínio consciente/Grave isso em sua mente

Miady ho an'ny hafa sy mba ho olona matoky  /  Mety tsy ho ianao no tsara indrindra ao anatin'ireo vahoaka / Kanefa azonao atao ny miara-miasa / Miaraka hatrany amin'ny fanetren-tena, ny hevitra am-pisainana / Ataovy ao an-tsaina izany

Hira navoakany vao haingana ny  “Guarani-Kaiowá”, izay miresaka momba ny tolona sy ny herisetra atrehan'ny vahoakany isan'andro ihany koa:

https://www.youtube.com/watch?v=tzkYe4FNc28

Ao amin'ny Facebook, nizara ny tetikasan'ny mpikatroka ao an-toerana mifangaro i Kunumi sy ny fomba fijeriny manokana ary ny mozikany sy ny tetikasa famoronany ihany koa.

Tahaka an'i Oz Guarani, nanolotra ny mozikany maimaim-pona ao amin'ny Palco MP3 ihany koa i Kunumi. Azonao atao ny mijery ny rakikirany ao amin'ny Spotify .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.