- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Tsy Nahasahy Nijery Isika': Ravan'ny Rivodoza Maria I Dominica

Sokajy: Karaiba, Dominika, Goadelopa, Martinika, Montserrat, St.Kitts & Nevis, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
[1]

Mbola avy amin'ny lahatsary nalaina avy eny an'habakabaka ihany izay mampiseho ny faharavana tanteraka tao Dominica taorian'ny fandalaovan'ny Rivodoza Maria, tamin'ny 19 Septambra 2017. Lahatsary avy amin'ny CDEMA – Sampandraharaha Mitantana Ny Hamehana Karaibeana Vokatry Ny Loza; nozaraina betsaka tao amin'ny Facebook sy Twitter.

Ny faritra avaratr'i Karaiba no lohalaharana tamin'ireo faritra lasibatry ny vanim-potoanan'ny rivodoza Atlantika taona 2017. Fotoana fohy taorian'ny nandalovan'i Irma [2], nisy ny oram-baratra antsoina hoe Maria Sokajy faha 5 izay nandrava ny nosy be rivotra [3] – izay sokajiana faha 5 ihany koa ary nifatratra [4]tany Guadeloupe, Dominica, St. Kitts / Nevis ary Montserrat.

Dominica, fonenan'ny mponina manodidina ny 73 000 eo ho eo, no iray amin'ireo voakasika mafy indrindra. Taorian'ny voina, nilaza [5]ny Praiminisitra tao amin'ny firenena fa “nandravarava” ny nosy ilay rivodoza .

Niditra an-tanety i Maria ny harivan'ny 18 Septambra. Ny ampitso maraina, nizara ireo sary izay nolazaina fa niseho taorian'ny rambondanitra tao Dominica ireo mpiseran'ny media sosialy nanerana ny faritra, saingy hita fa hosoka ny sasany tamin'ireo sary izay nozaraina tao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra WhatsApp sy tao amin'ny pejy Facebook – simba avokoa ny ankamaroan'ny fifandraisana tao amin'ny nosy, ka niteraka fahasahiranana ho an'ireo olom-pirenena mpanao gazety tao amin'ny nosy ny nizara ny zava-nitranga rehetra. Ny hafa anefa na dia izany aza dia tena nilaza ny marina [6] .

Nandefa ny olana tao amin'ny Facebook i Caroline Taylor ary nitaraina [7]hoe :

Please don't circulate photos you can't authenticate. That's to say nothing about the copyright implications. Most of those Dominica images are not from Hurricane Maria.

Miangavy anao tsy hizara ireo sary tsy voamarina. Tsy milaza na inona na inona momba ny fizakàmanana izany. Tsy avy amin'ny rivodoza Maria ny ankamaroan'ireo sary avy aty Dominica ireo.

Ny Praiministra Roosevelt Skerrit kosa dia nifandray araka izay azony natao tao amin'ny pejiny Facebook ofisialy [8]. Nentin'ny rivodoza ny tafon-tranony [8], toy izany koa ny an'ireo Dominikana maro hafa, ary niaiky izy fa “teo ampelatanan'ny rivodoza tanteraka “. Hoy [9]izy nandritra ny fanafihana nivaivay hoe:

We do not know what is happening outside. We not dare look out. All we are hearing is the sound of galvanize flying. The sound of the fury of the wind. As we pray for its end!

Tsy fantatray izay nitranga tany ivelany. Tsy sahy nijery izahay. Ny feon'ny tafo nanidina no hany renay. Ny feon'ny rivotra masiaka. Sady nivavaka ihany izahay mba hitsaharan'izany!

Voatery  niady tsy nitsahatra araka izay tratrany tamin'ilay tafiotra izay nahatratra hatramin'ny 257 kilaometatra isan'ora ny heriny ilay firenen'ny nosy kely.

Tao anatin'ny fanavaozam-baovao ny marainan'ny 19 Septambra, hoy izy [10] :

Initial reports are of widespread devastation. So far we have lost all what money can buy and replace. My greatest fear for the morning is that we will wake to news of serious physical injury and possible deaths as a result of likely landslides triggered by persistent rains. […]

I am honestly not preoccupied with physical damage at this time, because it is devastating…indeed, mind boggling. My focus now is in rescuing the trapped and securing medical assistance for the injured.
We will need help, my friend, we will need help of all kinds.

Ny faharavana tanteraka no tatitra voalohany. Hatramin'izao very avokoa ny zava-drehetra azon'ny vola novidiana sy soloana.  Ny fifohazana tamin'ny vaovao momba ny faharatrana sy ny mety ho fahafatesan'olona vokatry ny fihotsahan'ny tany noho ny orana tsy nitsahatra no nampatahotra ahy indrindra ny maraina. […]

Tsy dia tena nandany fotoana tamin'ny fahasimbana aloha aho raha ny marina tamin'izay fotoana izay, satria mampivarahontsana izany … eny, tsy takatry ny saina. Ny hamonjy ireo izay tafahitsoka sy hanampy amin'ny fikarakarana ara-pitsaboana ireo naratra no ifantohako ankehitriny.
Mila fanampiana isika, ry namako, mila fanampiana amin'ny rehetra isika .

Toa hita fa henjana ny fahasimbana ho an'i Dominica, na dia nahitana fahafatesan'olona sy faharavam-pananana ihany koa aza ireo nosy miteny frantsay manodidina toa an'i Guadeloupe [11] sy Martinique.

Nalahelo mafy ireo mpisera tao amin'ny faritra. Tany Jamaika, niaiky [12]i Annie Paul fa “tena nahatsapa ny fahorian'ilay nosy reraky ny rivodoza tao Karaiba Atsinanana izy”, raha hoy [13]kosa ilay Trinidadiana Soyini Grey hoe :

The news from Dominica is making me sick

Nalahelo mafy aho raha nandre ny vaovao avy any Dominika

Hoy i Judy Raymond raha nanampy tao amin'ny Twitter:

Raha mbola tsy vonona amin'ny loza voajanahary i T & T, alao sary an-tsaina hoe toy ny ahoana no mitranga ho an'ireo nosy kely izay tsy manana ny fotodrafitrasantsika sy tsy manana ny volan'ny solitany sy ny etona

Ho firaisankina, nilaza i Dele Adams, izay any St. Kitts, iray amin'ireo nosy izay niatrika an'i Irma vao haingana hoe:

[15]

Ny sata ho an'ny daholobe avy amin'ilay mpisera Facebook Dele Adams, izay nilaza hoe, “Tsy mila Facebook, mandà ny hilaza ny tenako ho “voaaro” aho raha tsy lasa i Maria miaraka amin'ny entany ary mandao antsika sy ny manodidina. Mipetraha ianareo.”

Toy ny nitranga taoriana kelin'i Irma, nanao fihetsiketsehana [16] mba handefa fanampiana sy vatsy [17]ho an'ireo nosy tena voa mafy indrindra ny olom-pirenena Karaibeana. Efa nisy ny fanentanana tolo-tanana vitsivitsy izay nahitana zavatra maro toy ny sakafo anaty boaty sy ny fitaovana fitsaboana, ny fitaovana fidiovana sy ny fitaovana hafa – saingy nahatonga ireo mpiseran'ny media sosialy nihevitra ihany koa ny herisetran'ity vanim-potoanan'ny rivodoza ity hoe:

Milaza amiko ity vanim-potoanan'ny rivodoza ity fa mila drafitra, fanorenana, fifandraisana isika ary miaina mifanaraka amin'ny tontolo iainantsika sy ny vanim-potoana misy.

Mamely [19]ny nosin'i Pôrtô Rikô ny rivodoza Maria amin'izao fotoana izao amin'ny tafiodrivotra malefaka kokoa Sokajy faha 4 .

Nosokafana ny pejy Facebook iray, Dominica Hurricane Maria Disaster Relief [20] (Fanampiana noho ny Faharavana vokatry ny Rivodoza Maria tao Dominika ) mba hanohanana sy hanamorana ny fanampiana ny vahoaka ao Dominika taorian'ny rivodoza Maria.