Shily: Andron'ny Tanora Mpiady

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

protests

Universidad del Bio Bio Concepción

Nandritra ny vanim-potoanan'ny mpanao didy jadona tao Shily, nisy namono ireo mpirahalahy Rafael sy Eduardo Vergara. Niady tamin'ny governemanta izy ireo. Nanomboka tamin'izany, nisy ireo fikambanana sasany tany Shily nankalaza ny andron'ny “tanora mpiady”. Tsy fanambarana ofisialy ara-panjakana izany. Indrisy fa ho antsika, adino ny dikan'ny fankalazana mifandraika amin'ny ady amin'i Augusto Pinochet. Tamin'ny Alakamisy, tao afovoan'ny capitol, nanakorontana tamin'ny anarana “tanora mpiady” ireo mpianatra tanora. Nilaza ihany koa izy ireo fa handeha hanohitra ny tsy fahombiazan'ny rafi-pitaterana vaovao ao Santiago. Naneho hevitra avy hatrany ireo bilaogera. Solylunnyta [ES] namaritra ny zava-misy mampihetsi-po:

Que yo sepa, los jóvenes Rafael y Eduardo Vergara, tenían conciencia y una lucha muy clara….pelear por sus compañeros y sacar el gobierno dictatorial de don finao… Pero estos niños no tienen ni idea de quienes eran los hermanos Vergara¡¡¡…. no tienen ni idea cuales son sus ideales aún, ni menos saben cuales eran los ideales de los Combatientes de antaño….Apuesto lo que quieran que si les preguntan no tienen ni idea quienes eran los Vergara Toledo…. Además, por otro lado, queda claro que el tema no era el Transantiago y buscarle una solución… El tema era o la Piedra, ó la Molotov, ó la escopeta hechiza, o el saqueo, pero nada que ver con conmemorar esta fecha…

Raha ny fantatro, nanana fahatsapan-tena sy tolona tena mazava ireo tanora Rafael sy Eduardo Vergara… mba hiady ho an'ny namany sy hanaisotra ny didy jadona. Saingy tsy manan-kevitra ireo ankizy (namana) ireo hoe iza ry Vergara mirahalahy!!! Tsy fantatr'izy ireo akory hoe inona ny foto-kevitr'izy ireo ary indrindra koa ny foto-kevitry ny tolona teo aloha … Sahiko ny milaza aminareo fa raha misy olona manontany azy ireo hoe iza ry Vergara Toledo mirahalahy, dia tsy ho fantany izany … Ary ankoatra izany , mazava ho azy fa tsy i Transantiago no olana sy nitadiavana vahaolana … Ny olana dia ny vato hitorahana, ny Molotov, ny basy vita tanana, ny fandrobàna, fa tsy misy ifandraisany amin'ny fankalazana ity daty ity ireo.

Iray amin'ireo fikambanana mankalaza ity daty ity ny Workers Collective [ES]. Nanao fanasana tena mampihetsi-po ho an'ny olona rehetra izay mety ho tafiditra tamin'ny fotoana namonoana ny Vergara Mirahalahy izy ireo mba handray anjara amin'ny hetsika fahatsiarovana. Adikanay eto ny sombiny tamin'ny fanasana:

Aquí están todos los días los hermanos y hermanas que estuvieron antes y los hijos e hijas que estarán pronto, están porque estamos, están porque somos alguien más que nosotros mismos: somos toda nuestra historia de días y noches de amar y de guerrear, somos la rebelde rebeldía y las manos siempre tiernas abiertas para abrazarnos y el puño en alto ante los enemigos del género humano; y claro, somos también cansancio, y un dolor que parte el pecho con su historia de infamia y nos hermana… pero ante todo somos los que somos por vencer las barreras de la pura bronca y del llanto necesario empuñando la necesidad de la sonrisa de todos los niños, porque hacemos de la memoria experiencia y de nuestra historia aprendizaje para seguir caminando nuestro compromiso con más y nuevas fuerzas.

Eto, isan'andro isan'andro, ireo rahalahy sy anabavy izay teto teo aloha sy ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay ho eto tsy ho ela koa. Tonga eto izy ireo satria eto izahay. Eto izy ireo satria mihoatra noho ny tenantsika isika: isika no tantaran'ny andro sy alintsika nitiavana sy niadiana. Isika no mpikomy sy tanana feno fitiavana misokatra mandrakariva mba hamihina ary tongotra mitsangana eo anoloan'ny fahavalon'ny olombelona. Ary, mazava ho azy, isika no fahasemporana sy fanaintainana manomboka eo amin'ny tratra miaraka amin'ny tantaran'ny fahafaham-baraka sy ny firahalahiana amintsika … fa indrindra indrindra, isika no tokony handresy ireo sakana amin'ny fifandonana sy ny ranomaso, mitondra tsiky mahasoa eo amin'ireo ankizy rehetra satria mametraka traikefa avy amin'ny fahatsiarovana sy ny fahalalantsika ny tantara isika mba hanohy ny fanoloran-tenantsika amin'ny hery bebe kokoa sy vaovao.

Namoaka fanasana ho an'ireo mpikatroka ao Santiago sy sary sasantsasany momba izay nitranga omaly tao an-tanàn-dehibe i Eduardo Arriagada (ES).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.