- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampiseho Ny Hery Sy Ny Firaisankinan'ny Meksikana Ny Horohorontany

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Voina, Vonjy Voina

Ekipa mpamonjy voina nalaina sary tao Mexico City, 19 Septambra 2017. Sary nahazoana alalana.

Vao manomboka manombana ireo fahasimbana nateraky ny horohorontany maridrefy 7.1 izay nanozongozona azy i Meksika, anisan'izany ny renivohitra sy ny fanjakana Morelos sy Puebla, tamin'ny 19 Septambra.

Nitranga 32 taona katroka taorian'ny horohorontany mahatsiravina tamin'ny taona 1985 ny horohorontany izay namoizana aina an-jatony sy namela marika tao an-drenivohitra sy ny mponina ao aminy. Tafakatra 248  [1]ny isan'ny maty ary mety mbola hiakatra, nampisy firaisankina, fahazotoana sy famoronana zava-baovao teo amin'ireo mponina Meksikana sy iraisampirenena ny loza nitranga.

Avy hatrany ireo ekipa dia nikarakara hetsika fanavotana isan-karazany, fandraketana an-tsarintany, fandinihana sy fizaram-baovao mba hanampiana ireo naratra, ka niditra tao amin'ny media sosialy sy ivelan'izany. Niasa ho foibem-pifandraisana lehibe ireo tambajotra antserasera tao anatin'ny fotoana nisian'ireo vaovao diso sy fifandraisana ratsy nanohintohina ny raharaham-panavotana.

Ireo lahatsoratra farany ao amin'ny Twitter no maneho ny ezaka nataon'ny olom-pirenena andavanandro:

Facebook de Cheko Macías. Compartida con autorización.

Facebook-n'i Cheko Macías. Nahazoana alalana.

In moments like these, I continue to think that a people's greatness isn't in its institutions. Because it is out there, in the streets. Face to face. Hands holding hands. Heartbeats that don't give up, and ask that others don't fade. Instances in which we look ahead and realize that we are not as different as we thought. People looking for what is theirs: nobility, hope, solidarity, happiness and the near future. Giving up is not an option. Until the last breath.

Amin'ny fotoana toy izao, manohy mieritreritra aho fa ny fahalehibehezan'ny vahoaka dia tsy ao anatin'ny andrim-panjakany. Satria any ivelany izany, eny an-dalambe. Mifanatrika. Tanana mifampitanana. Fo mitempo tsy mitsahatra ary mangataka ny hafa mba tsy hiala an-daharana. Toe-javatra izay nitodihanay sy tsapanay fa tsy hafa noho ny hafa araka ny eritreritsika isika. Mitady izay azy ireo ny olona: ny fanajana, ny fanantenana, ny firaisankina, ny fahasambarana sy ny ho avy tsy ho ela. Tsy safidy ny fialana an-daharana. Mandra-pahatapitry ny fofon'aina farany.

Raha ny marina, nandray andraikitra lehibe tamin'ny fanolorana karazana fanohanana samihafa ireo olom-pirenena mpamonjy voina ary nandray anjara mavitrika tamin'ny fomba vaovao ho fanampiana ireo niharam-boina:

Mpanao trano, tanora avy ao amin'ny manodidina, mpifanolobodirindrina nanaisotra simenitra mivaingana ary namonjy ain'olona

Tsarovy izany Meksika mahafinaritra.

Isan-karazany ireo fanampiana, manomboka amin'ny fitaterana sy ny fandraketana an-tsarintany hatramin'ny fanarenana, ny fitsaboana ary ny fanohanana ara-psikolojika, ary asa fanavotana sy fikarohana miaraka amin'ny ekipa mpamantatra feo avy lavitra [8]:

Ekipa mizara fanomezana/ekipa mitaingina bisikileta.

Mizara fitaovana sy kitapo misy ireo filàna fototra amin'ny alalan'ny ekipa mitondra môtô 12 manerana ny tanàna izahay. Ho avy eny aminao izahay.

Ry namana, raha misy triatra ao an-tranonao, alefaso aty ny sary ary hodinihako izany ho fanampiana anao. – Jonás (@fooonts)

Manolotra fanampiana ara-psikolojika maimaim-poana ho an'ireo voakasiky ny horohorontany izahay.

Antsoy izahay amin'ny laharana 5662-66-28 or 5661-39-65.

Sarintany ahitana ireo tranobe tratran'ny horohorontany tao Puebla sy Mexico City. Raha manana vaovao momba an'i Morelos ianao, ilazao izahay.

Nikarakara fiarahamiasa an-tsarintany hafa ny SismoMéxico.org [21] amin'ny alalan'ny famoahana vaovao misokatra azo karohina avy amin'ireo karazam-panampiana atolotra sy ny filàn'ireo toerana manokana. Nisy ihany koa ny hetsika fanamarinana nokarakaraina mba hanitsiana vaovao sy hanavaozana izany. Ohatra, ny tenirohy #Verificado19S [22] sy #Terremotomexico: [23]

Nanao ity sarintany ity ireo programera sy mpanamarina ny zavamisy mba hanampy bebe kokoa sy hanamarina ny vaovao hatramin'ny maraina. Tehaka.

Manan-danja ny aina rehetra, manan-danja tahaka izany ihany koa ny maherifo rehetra

Maro ireo mpifindramonina any Meksika no nanala ny tahotra ao aminy mikasika sata tsy maha-ara-dalàna azy ireo mba hampiseho fanohanana tsy misy fepetra amin'ireo olona voakasiky ny horohorontany. Nitatitra i Siete24 [26] fa maro ireo mpifindramonina nivoaka teny an-dalambe “miaraka amin'ny angady nindramina ary tsy nahazo na inona na inona ho setrin'izany.”, fa niatrika fanararaotana na fanenjehana. Ireo no maherifon'ity horohorontany ity. “

Tsy maninona na aiza na aiza isika, mpirahalahy isika ary tokony hifanampy. Manampy an'i Oaxaca ny Hondiorana. Miaraha aminay,  #Chilango [27] (mponina ao Mexico City) lehity e!

Navotana ihany koa ireo biby fiompy an-trano sy biby hafa:

Jereo, lisitr'ireo veterinera hitsabo biby maimaim-poana:

Fotoana fanavotana raha hita velona tao ambanin'ny korontan-trano rava ity alika ity

Misy ireo maherifo tsy manao akanjo. Ho an'ireo izay milaza fa tsy mila mamonjy alika isika, tsarovy fa misy ireo alika manavotra olona.

Ivelan'ny renivohitra

Nampitombo ny fahasimbana tany amin'ny faritra manodidina ny renivohitra taorian'ny horohorontany ny tsy firaharahian'ny fanjakana tany am-boalohany. Tamin'ny tranga maro, ireo vondron'olona marefo indrindra, izay mila fanampiana no tena niharan'ny voka-dratsy goavana indrindra:

@EPN [43] Andriamatoa filoha, tsy noraharahiana ny fijerena akaiky an-dry Moreles, nalefa taty amiko ireto sary avy ao Jojutla, Morelos ireto

“Lavo in-droa isika….saingy ho tafarina in-telo”

Ho lasa tantara toy ny iray amin'ireo faharavàna goavana indrindra nampiseho ny herin'ny vahoakan'i  Meksika ity horohorontany ity. Tamin'ny fotoana naha-voahozongozona ny fitokisana ny andrim-panjakana Meksikana noho ny tantara ratsin'ny kolikoly [46] sy ny fitsikilovana ataon'ny fanjakana [47], tsy isalasalana ny fitondran-tenan'ny olom-pireneny mikasika izay mitàna ny fahefana satria izy ireo no manorina indray ny tanànany:

Mihira “Cielito lindo” ny olona no sady manampy amin'ny ezaka fanavotana ao Mexico City.

Tsy maninona na dia lavitra aza ianao, mbola afaka manampy an'i Meksika ianao