- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinite Sy Tobago: “Mijoroa. . Ho An'ny Zavatra Iray”

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny 4 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mihevitra aho fa nety tsara tamin'ny fotoana nanolorana azy ity lahatsary novolavolain'ilay mpanakanton'ny fampitam-baovao Trinidadiana Elspeth Duncan [1] ity tamin'ny andro nanambarana ny tetibolam-panjakana taona 2007 [2]an'i Trinite sy Tobago izay mety ahitana ny sosokevitra rehetra momba ny fanovana ny fiainana araka ny resaky ny olona eny an-dalambe.  Hoy i Elspeth [3] :

This video was created from footage I shot of various protests taking place in Trinidad between late 2005 and early 2006. It represents the collective voice of the people at a time when the republic of Trinidad & Tobago is going through crisis and experiencing transformation on many levels. The statements (written in bold) below are from placards held and t-shirts worn within the video. The first few opening bars of music in the video are the first few bars of the national anthem of Trinidad & Tobago, for which it is always requested of us: “Ladies and gentlemen, please stand.” The video takes this request a step further and calls for each of us, once and for all, to stand for something.
(Rest of music – Elspeth Duncan, from the CD Manzanilla) (…more) [3]

Noforonina avy amin'ny lahatsary izay nalaiko nandritra ny hetsi-panoherana isankarazany nitranga tao Trinite teo anelanelan'ny faran'ny taona 2005 sy ny fiandohan'ny taona 2006 ity lahatsary ity. Maneho ny feo iombonan'ny vahoaka tamin'ny fotoana izay nandalovan'ny repoblikan'i Trinite sy Tobago tamin'ny krizy ary niaina fiovàna tamin'ny sehatra maro izany. Avy amin'ny afisy nolanjaina sy ny t-shirts nanaovana tao anatin'ilay lahatsary ireo fanambarana (soratra matavy) etsy ambany . Ny feonkira voalohany ao amin'ny hiram-pirenen'i Trinite sy Tobago no feonkira fanokafana voalohany re ao amin'ny lahatsary, ilay angatahana amintsika mandrakariva hoe: “Tompokolahy sy tompokovavy , miangavy mijoroa.” Nandeha lavidavitra kokoa tamin'ity fangatahana ity ny lahatsary ary miantso antsika tsirairay, indray ary ho an'ny rehetra, mba hijoro ho an'ny zavatra iray.

(Ny feonkira ambiny  – Elspeth Duncan, avy amin'ny kapila CD Manzanilla) (…bebe kokoa) [3]