Sary Avy Ao Brezila: “Aza Mitifitra”

(Fanamarihana: tamin'ny marsa 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)
afroreggae

“Aza mitifitra” avy amin'i Tatiana Cardeal

Nandefa sary maromaro mikasika ny fandaharanasa fanentanana tanora, Afroreggae ilay mpaka sary Breziliana sady mpikatroka ara-tsosialy, Tatiana Cardeal. Manazava i Cardeal ao amin'ity sary ity:

Here is Afroreggae group playing at the meeting, inside the headquarters of the military police of Rio de Janeiro, where they did a collective show, trying to approach the military policemen from the favela's people. A very very difficult challenge for both sides.

Ity ny vondrona Afroreggae nilalao nandritra ny fivoriana tao amin'ny foiben'ny polisy miaramila ao Rio de Janeiro, toerana nanaovan'izy ireo fampisehoana iombonana, izay miezaka manatona (manakaiky) ny polisy miaramila avy ao amin'ny vahoaka favela. Fanamby tena sarotra tanteraka ho an'ny andaniny roa.

Manazava ny tanjon'ny vondrona ny tranokalan'ny Afroreggae. (Horakoraka amin'ny dikanteny anglisy)

(Mankanesa eo ambany raha hijery ny dikanteny amin'ny teny Anglisy)

Since the beginning and until the present day the objective that defined our institutional mission was clear: To offer a cultural and artistic formation for the youth living in the favelas (shantytowns/ slums) as a means for them to create their own citizenship and have access to alternatives to narco-trafficking and menial jobs, and to furthermore transform themselves and empower other youths along the way.

Hatramin'ny fiandohana sy mandraka ankehitriny, ny tanjona izay namaritra ny iraka ampanaovina anay dia mazava tsara: Manolotra fanabeazana ara-kolotsaina sy ara-javakanto ho an'ireo tanora monina ao amin'ny favelas (toeran'ny mahantra) ho fitaovana ahafahan'izy ireo mamorona ny zom-pirenen'izy ireo manokana sy hiditra amin'ny safidy hafa ankoatra ny trafikan-drongony sy ny asa an-tselika, ary hanova bebe kokoa ny tenan'izy ireo sy hampahery ny tanora hafa.

 

Farany, azo jerena ao amin'ny The Independent ireo vaovao fanampiny momba ny vondrona mozika sy hetsika ara-tsosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.