- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahafatesana Olona Maro Ny Horohorontany Tao Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Saripika, Voina, Vonjy Voina
Empleados de la Ciudad de México en trabajos de remoción de escombros. Imagen del autor.

Mpiasan'ny Mexico City miasa manaisotra ireo korontan-trano rava. Sary avy amin'i J. Tadeo.

Niharan'ny horohorontany roa mahery vaika tamin'ny Septambra 2017 i Meksika. Ny voalohany, izay 8.2 tamin'ny maridrefy Richter dia nitranga tamin'ny 7 Septambra ary niteraka fahafatesan'olona 100 teo ho eo [1], indrindra tany Oaxaca [2]sy Chiapas [3] any atsimo-andrefan'i Meksika. Ny faharoa [4], izay nitranga tamin'ny 19 Septambra kosa dia nahafaty olona 250 farafahakeliny [5]ary nisy faritra ravarava tokoa tao an-tanànan'i Mexico City sy fanjakana dimy tao afovoan'ny firenena.

Tao an-tanànan'i Oaxaca, nanadihady lehilahy iray antsoina hoe Sergio, izay miandraikitra ny foibe fanangonana fanampiana ho an'ny tra-boina ny Global Voices. Nampitandrina izy hoe:

No se puede llegar hasta Juchitán [6] a menos que sea con una persona que conoce el camino, ya que hay grietas. Además, los pobladores de otras comunidades están muy enojados porque no han recibido ayuda del gobierno, entonces asaltan las camionetas con víveres que van hacia Juchitán. Aquí nosotros estamos haciendo el acopio, lo que traigan, lo pueden dejar con nosotros y de aquí lo llevaremos a los más afectados, no como los gobernantes que sólo se roban [7] las donaciones.

Tsy afaka mankany Juchitán ianao raha tsy miaraka amin'ny olona mahafantatra ny lalana, satria misy ny fivakisan-dalana. Ankoatra izany, tezitra mafy ireo mponina avy amin'ny vondrom-piarahamonina hafa satria tsy nahazo fanampiana avy amin'ny governemanta, noho izany, nanafika ireo kamiao mpamatsy entana nankany Juchitán izy ireo. Manangona fanampiana eto izahay, izay zavatra entin'ny olona, azon'izy ireo avela eto aminay izany sy avy eto, horaisinay omena ireo tena voa mafy, fa tsy toy ny sarangan'ny mpitondra izay mangalatra [7] fotsiny ireo fanomezana.

Sergio, encargado de un centro de acopio en Oaxaca. Imagen del autor.

Sergio, misahana ny foibe fanangonana fanampiana ao Oaxaca. Sary avy amin'i J. Tadeo.

Ao Mexico City, tsy hitsahatra ho daty miavaka ny ny 19 Septambra. Roa amby roapolo taona lasa izay, horohorontany roa mahery vaika no nandrava ny tanàna ka aina maherin'ny 12.000 no nafoy [8] tamin'izany. Toa fifanandrifian-javatra, tamin'ny 19 septambra 2017, nanozongozona ny tanàna indray ny horohorontany ora vitsy monja taorian'ny hetsika [9] fahatsiarovana fanao isan-taona ho fanentanana.

Nanadihady mpiasa birao iray ny Global Voices, izay te ho fantarina fotsiny amin'ny anarana hoe Guillermo:

Había venido al Perisur [10] (centro comercial en el sur de la capital) a comprar unas cosas y fue cuando empezó a moverse. Los de seguridad nos dijeron que no podíamos salir, pero cuando se puso peor hasta ellos corrieron. Había muchas señoras con niños pequeños y los venían arrastrando hacia la salida. Fue horrible, pensé que me iba a morir cuando empezaron a caer pedazos del techo.

Tonga tany Perisur [11] aho (toeram-pivarotana iray any amin'ny faritra atsimon'ny renivohitra) mba hividy zavatra ary nanomboka teo ny hovitrovitra. Nilaza taminay ireo mpiambina fa tsy afaka miala izahay saingy rehefa niharatsy izany, dia nihazakazaka mihitsy aza izy ireo. Marobe ireo vehivavy niaraka tamin'ny zaza madinika ary notaritin-dry zareo nivoaka. Tena nahatsiravina izany, nihevitra aho fa ho faty rehefa nanomboka nianjera ny valin-drihana sasany.

Any an-dalamben'i Mexico City, manadio ireo korontan-trano rava miaraka amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo an-jatony izay te hanampy amin'ny fomba izay azony atao ireo mpiasa .

Naparitaka ihany koa ny mpitandro ny filaminana, farafaharatsiny tany Mexico City, nomena baiko izy ireo mba hifehy ny toe-draharaha sy hibaiko amin'ny hetsika fanavotana ho fisorohana izay mety ho famoizan'aina fanampiny.

El Ejército y la Marina Armada de México han tomado el mando en las acciones de rescate. Imagen del autor.

Tafika Meksikana sy ny Tafika an-dranomasina nandray baiko amin'ny hetsika fanavotana. Sary avy amin'i J. Tadeo.

Tao amin'ny manodidina an'i Narvarte (faritra afovoan'ny renivohitra), ao amin'ny fihaonan-dalan'i Morena sy Nicolás San Juan, izay nahitàna tranobe rava amin'ny ampahany ihany koa ny Global Voices. Niresaka tamin'i Margarita tao izahay, ka hoy izy hoe:

Es muy triste ver a la gente que esta aquí afuera y que ha perdido su casa, pero miren bien el edificio, al menos tuvieron tiempo de salir y no hay personas atrapadas. A pocas cuadras hay brigadistas y centros de acopio. Creo que debe hacerse notar que las construcciones han cambiado, y si bien hay decenas de derrumbes, en la mayoría de los casos la gente pudo escapar y ponerse a salvo. Deberían mostrar eso, deberían los medios tradicionales difundir fotos de los edificios que no cayeron, en lugar de estar buscando la nota sensacionalista.

Tena mampalahelo ny mahita ireo olona eny ivelany ary rava trano, saingy jereo ny trano, farafaharatsiny, nanam-potoana nialàna izy ireo ka tsy tafahitsoka tao anatiny. Lavidavitra kely eo, misy brigady sy foibe fanangonana fanampiana. Mihevitra aho fa tsara ny manamarika ny fiovan'ireo trano, ary raha misy fihotsahan'ny tany am-polony maro, tamin'ny ankamaroan'ny toe-javatra, afaka nandositra sy namonjy toerana azo antoka ny olona. Tokony hampiseho izy ireo fa, tokony handefa ny sarin'ireo trano tsy nianjera ny fampahalalam-baovao mahazatra fa tsy hitady izay hanaitairana.

Edificio dañado durante el sismo del 19-S en la Colonia Narvarte de la Ciudad de México. Imagen del autor.

Tranobe rava nandritra ny horohorontany 19 Septambra 2017 tao amin'ny manodidina na'i Narvarte ao Mexico City. Sary: J. Tadeo.

Damaged building during the September 19, 2017 earthquake in the Narvarte neighborhood in Mexico City. Image of J. Tadeo.

Nitranga tamin'ny 1 ora sy fahefany tolakandro ny horohorontany, izay miasa any anaty birao sy any am-pivarotana ny ankamaroan'ny olona. Nahatonga ny olona hankeny an-dalambe te-hody haingana, hanentsina ny arabe sy ny fifandraisandavitra.

Mexicanos aterrorizados tras el sismo del 19-S (2017). Imagen compartida por Raúl Morales y utilizada en esta pieza con su autorización.

Meksikana raiki-tahotra taorian'ny horohorontany 19 Septambra 2017. Sary nozarain'i [12] Raúl Morales ary nahazoana alalana ny famoahana azy eto amin'ity lahatsoratra ity.

Nampiasa ny tokotaniny hiatrehana ireo naratra izay tonga ny hopitalim-panjakana, tahaka ny Mexican Social Security Institute [13] (Ivontoerana Meksikana misahana ny Fiarovana ara-tsosialy) eto amin'ny sary ambany.

El Instituto Mexicano del Seguro Social se prepara para recibir pacientes en la explanada de uno de sus hospitales. Imagen del autor.

Miomana handray ireo maratra ao amin'ny tohatra voalohany an'ny iray amin'ny hopitaliny ny Ivontoerana Meksikana misahana ny Fiarovana ara-tsosialy. Sary avy amin'i J. Tadeo.

Mbola hivoatra ity tantara ity.