Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Kiobà: Ilay Faha 15 Taona Mamy

(Marihina fa tamin'ny 18 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tsara vintana i Robin Thom teo an-davarangana tamin'ny fotoana naha-mety indrindra hahazo ity seho mahafinaritra ity teo amin'ny Paseo de Prado any Havana, Kiobà . “Noheveriko foana ho fampakaram-bady izany “, hoy i Robin nanoratra tao amin'ny pejiny Flickr, “saingy nosoritana fa mety ho fankalazana ny fahamatoran'ny zatovovavy izany.” Milaza amintsika ny Wikipedia  fa antsoina hoe “Quinceañera” ity fankalazana ity , na Quince Años (ny faha dimy ambinifolo taona amin'ny teny Espaniola  ), ary hita any amin'ny faritra Amerika Latinina (miresaka momba ny fankalazana ihany koa ny teny hoe “Quinceañera”):

Fifteenth birthday celebrations were very popular in Cuba until the late 1970s. The custom entered the country partly via Spain, but its major influence was French. Wealthy families, who could afford to rent luxurious halls at country clubs or 4/5-star hotels and to hire choreographers, were the actual pioneers of Quinceañeras. Although lower-income families could not afford the same display of wealth, they too started to celebrate Quinceañeras, which they called Quinces. Those celebrations usually took place at the home of the Quinceañera or at the more spacious house of a relative.

While this traditional celebration is still practiced nowadays in Latin America and Latino communities in North America, it is sometimes observed by other events that focus more on the quinceañera's wishes (e.g. world travelling). In some cities, the more proper Baile de las Debutantes (Debutantes’ Ball) still survives.

Tena malaza ny fankalazana ny faha-15 taona nahaterahana ao Kiobà hatramin'ny faran'ny taompolo 1970. Niditra tao amin'ny firenena tamin'ny alàlan'ny Espaina ity fombafomba ity, saingy ny Frantsay no tena niantefany. Fianakaviana manankarena, izay afaka nanofa efitrano mihaja ao amin'ny toeram-pitsangatsanganana na any amin'ny trano fandraisam-bahiny  kintana 4/5 ary nanakarama ireo mpanatontosa dihy no tena nitarika amin'ny fanaovana Quinceañeras. Na dia tsy afaka nanao tahaka izany aza ny fianakaviana kely fidiram-bola dia nanomboka nankalaza ny Quinceañeras ihany koa izy ireo, izay nantsoiny hoe Quinces.  Natao matetika tao an-tranon'ny Quinceañera na tao amin'ny tranon'ireo havany malalaka kokoa izany fankalazana izany.

Indraindray tsikaritra ao anatin'ny hetsika hafa izay mifantoka bebe kokoa amin'ny fanirian'ny quinceañera (ohatra ny fandehanana manerana izao tontolo izao) ity fankalazana ity raha sady mbola mitohy ihany koa izany fankalazana nentim-paharazana izany amin'izao fotoana izao any Amerika Latinina sy any amin'ireo vondrom-piarahamonina Latino any Amerika Avaratra. Mbola velona ny Baile de las Debutantes (Fandihizana voalohany ho an'ny tovovavy) tsara kokoa any amin'ny tanàndehibe sasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.