- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Herinandro Tao Bahrain (04/06/06)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2006)

Miaraka amin'ny maripàna tafakatra ambonin'ny 45°C, nangotraka ny lohataona tao Bahrain. Ary dia miha-mafana andro aman'alina izany, noho ny ady mihamitombo [1] atao amin'ilay orinasa misahana fifandraisandavitra ao an-toerana Batelco, izay nanova tamin'ny 11 May 2006 ny tolotra aterineto nomeny ho mandritry ny alina tany anatin'ireo fanambaràna an-gazety sy imailaka nalefa ho an'ny mpanjifa.

Ho fanampin'ny ompa sy ratra, nandeha ho azy ho an'ireo mpanjifa izay tsy afaka miloa-bava amin'ireo fiovàna ny fanovàna ny kaontin'izy ireo. Na ianao mandray, na ianao miala, izay ilay tolotra, indrindra fa ilay orinasa irery ihany no manao ampihimamba ny tsenan'ny aterineto eto an-toerana.

Hoy ny fanambaràna tany anaty gazety: “Tonga dia havaozina fotsiny amin'izao  mandritra ity volana ity ny onjan-koriana ho an'ireo mpanjifan'ny Batelco amin'izao fotoana izao”.

Ny tena nampiaka-pofona ireo mpanjifa sasany dia ny teny nampilendalenda nentina nandrakofana ilay fanambaràna an-gazety, indrindra fa rehefa injay noterena handoa ny tsy eran'ny ainy ireo olona nanjifa nihoatra noho izay zakany, nefa nolazaina fa afaka manjifa tsy misy fetra izy ireo HATRAMIN'NY  … hehe

Tena efa tetika maty paika ve ilay fanondrotana mba ho entina hanatsaràna ny tolotra sa endrika hafa iray fotsiny ihany ho famerana ny fahafahana miditra aterineto [2], indrindra ho an'ireo faritra mahantra ao Bahrain?

Ankoatra ireo tranonkala amin'ny teny Arabo sy Anglisy manohitra ny lazain'ireo mpanjifa ho tolotra mitanila (izay tsy iza fa i Mahmood Al Yousif [3] Ray Mpiahy ny bilaogera ao Bahrain ihany no mpitondratenin'ny tranonkala amin'ny teny Anglisy ) , mitombo ny tsindry manjo ilay orinasa mba hiverenany amin'ilay fanapahankevitra amin'ny fomba tsy mahazatra, tsy mbola nisy nahita hatrizay tao amin'ilay nosy fanjakàna.

Nasian'izy ireo fihaonana ho an'ny daholobe [4] mba hiresahana ary hanoherana ireo fanovàna, bokotra tany amin'ireo bilaogy [5] hiantsoana fampiatoana ilay lazain'ireo mpanjifa marobe ho fomba fanao tsy rariny ataon'ilay orinasa, andro iray ho fibodoana ny Batelco [6], fanaovana ny Tale Jeneralin'ilay orinasa ho toy ny ankàlana misolo vaika an'i Mahmood [7](!!), hira iray amin'ny gadona rap [8], fampitahàna ireo mpanifa aminà mpiasa tsy manana fifanarahana asa, [9] taratasy fandraikitra amin'ny fiara [10]ary tatitra tsy voamarina momba ireo antso hanao fihetsiketsehana hanoherana ilay mpanome tolotra fifandraisandavitra.

Any anivon'ireny mpanifa tsy faly rehetra ireny [11], misy bilaogera iray monja toa tena faly sy mahazo aina be [12] tamin'ireo fanovàna.

“Tsoriko ampahatsorana, betsaka lavitra noho izay ilaiko sy ny fianakaviako ny 15GB (nolazain'ilay loharanoko ao anatin'ny Batelco fa eo amin'ny 6GB amin'ny onjan-koriana eo ihany no salan'ny fandaniako tato anatin'ny 3 volana lasa) ary mihevitra ny tenako ho isan'ireo salantsalany amin'ny mpampiasa aterineto aho.. Sarimihetsika divix manontolo miisa roa eo, mihaino MP3 tsy tapaka ho an'ny fiara….Fanampin'izay ny fitetezana ireo vaovao mavesatra sy mazava loatra, ity bilaogy mahafinaritra tantaniko ity,” hoy i  emoodz manoratra.

Faly aho fa mba misy olona iray, farafaharatsny, faly!