Mamerina Ny Lazany Ao Azia Afovoany I Steven Seagal , Ary Mampatahotra Ny Mety Ho Tohin'izany

Nihaona tamin'ny Praiminisitra Kyrgyz Sapar Isakov i Steven Seagal. Pikantsary tao amin'ny fahitalavi-panjakana KTR.

“Rehefa manaraka ny sambo mpanjono ny vorona (mouette),” hoy ilay mpilalao baolina kitra fanta-daza Frantsay, Eric Cantona, raha nilaza tamin'ny vondrona mpanao gazety britanika gaga tamin'ny valinteniny izy indray andro hoe : “satria heveriny fa hatsipy any an-dranomasina ny (trondro) sardinina.”

Ao anatin'ny tranga iray mifandraika amin'izany kanefa manahirana ny saina ihany koa, ilay mpilalao sarimihetsika Hollywood ao amin'ny lisitra B Steven Seagal dia nandalo manerana an'i Azia Afovoany Sovietika teo aloha, ary tsy an-tsitrapo fotsiny ihany no nanaovany izany .

Lehilahy iray manana drafitra mampatahotra ity lehilahy ity.

Стивен iza? Oh, Стивен, io ianao!

Ny fitsidihan'i Seagal ao amin'ny faritra izay nanomboka tamin'ny fiandohan'ity volana ity dia nanome azy ny fotoana sy ny toerana hahatsapa tena ho malaza indray.

Raha sendra tsy mahita azy ianao, tsy milalao sarimihetsika intsony i Seagal, 65 taona, tahaka izay efa ren'ny olona nandritra ny folo taona lasa izay,  hoe tsy nijanona nilalao baolina intsony i Eric Cantona: ny taompolo 1990.

Tsy naharesy lahatra an'i Seagal ny fivarotana tapakila nitotongana na ireo mpanatontosa sarimihetsika izay niara-niasa taminy mba hanova ny endriky ny sarimihetsika, na izany aza, raha toa ka zavatra tsy maintsy nandalovana ity fanadihadiana fitsikerana tamin'ny famoahana taona 2016 ity izay izy no vedety tao anatin'izany :

If you're reading this review of the Steven Seagal vehicle “The Asian Connection,” it is probably too late to dissuade you from seeing almost any other movie. I get it: you want to see a movie with a vaguely racist-sounding title starring the has-been star of cheesy action films like “Hard to Kill,” “Marked for Death,” and “Above the Law.” These films are bad, but in an endearingly disastrous way. The same is basically true of “The Asian Connection,” a lousy bank heist flick and one of Seagal's most engagingly tacky recent efforts. I want to defend this movie, but it's so bad that I must warn you: if you watch this film knowing that it is Steven-Seagal-wearing-a-du-rag-and-glowering-impassively-at-attractive-young-women bad, you will get what you pay for. That's both an endorsement and a warning.

Raha mamaky ity fanadihadihana momba an'i Steven Seagal “The Asian Connection” ity ianao dia mety ho tara loatra ny handresy lahatra anao tsy hijery horonantsary hafa. Fantatro: te-hahita ny horonantsary miaraka amin'ny lohateny toa manavakava-bolonkoditra ianao izay manasongadina ilay kintan'ny sarimihetsika toy ny “Hard to Kill”, “Marked for Death,” ary “Above the Law.” Ratsy ireo sarimihetsika ireo, saingy amin'ny fomba mahatsiravina. Toy izany ihany koa ny “The Asian Connection,” horonantsary fanafihana banky mampitebiteby iray ary anisan'ny iray amin'ireo nahitana ny ezaka vao haingana nataon'i Seagal nahaliana indrindra . Te hiaro ity horonantsary ity aho, saingy tena ratsy tokoa izy ity ka tiako ny mampitandrina anao hoe: ho azonao izay novidianao raha mijery ity horonantsary ity ianao kanefa mahalala fa izy io dia ilay Steven Seagal ratsy manao saron-doha sy mandinika amin'ny fomba masiaka ireo vehivavy misarika ny maso. Sady dokambarotra no fampitandremana izany.

Pasipaoro  ‘R’ Us

Tany amin'ny folo taona lasa tany farafahakeliny no nahitana ny fifandraisana Aziatika Afovoany sy Rosiana nataon'i Seagal , toy ity fitantarana an-tsoratra momba ny fitsangatsanganany isankarazany tany amin'ny firenena Sovietika teo aloha amin'ny antsipirihany ity.

Nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2016 izy no nanana ny pasipaoro Rosiana, ary nandiso fanantenana ireo mpiray tanindrazana aminy maro ny Praiminisitra tao Kyrgyzstan Sapar Isakov tamin'ny fanitarana ny fanomezana pasipaoro tahaka izany tamin'ny 15 Septambra:

Nitsikera tao amin'ny Facebook i Edil Baisalov, sekretera jeneralin'ny prezidansa teo aloha tao amin'ny firenena izay mpandrangitra ireo mpanohitra tao amin'ny media sosialy  :

Я считаю оскорбительным для Кыргызской Республики, и даже не смешным с точки зрения заезжей звезды, предлагать Сигалу гражданство Кыргызстана. Наше законодательство содержит исчерпывающий перечень оснований для получения кыргызского гражданства.
Дружба иностранца с премьер-министром не является одним из таких оснований. Реакцией на такой жест Исакова прошлой ночью стало всеобщее даже не возмущение, а отвращение.

Heveriko fa fahadisoan'ny Repoblika Kyrgyz ny manolotra zom-pirenena Kyrgyz ho an'ny kintana mpitsidika.  Ahitana ny lisitra feno hahazoana ny zom-pirenena Kyrgyz ny lalàna misy eto amintsika. Tsy ao anatin'ireo antony ireo ny fisakaizan'ny vahiny iray amin'ny praiminisitra. Ny alina lasa teo, tsy nanam-petra ny fanehoan-kevitra tamin'ny fihetsik'i Isakov. Tsy tena nanafintohina loatra, fa naharikoriko tanteraka fotsiny.

Sapar Isakov: Ampiarahana amin'i Steven ny fampandrosoana haingana an'i Kyrgyzstan

Tsy voafehy fotsiny izany.

sarin'ny governemanta Kyrgyz avy amin'i Kaktus Media.

Ary niharatsy izany …

Hatramin'izao, nandalo  tany Kazakhstan mpanao didy jadona sy tany Uzbekistan ihany koa ny dian'i Seagal manerana ny faritra.

Tamin'ny farany dia voalaza fa saika hanolo an'i Jean-Claude Van Damme izay nikasa ny hiseho tamin'ny fifaninanana haiady izy, saingy narary tamin'ny fotoana farany.

Andro mahazatra, tifitra mahazatra, Steven Seagal mahazatra 😉

Nahoana anefa ny olona no tokony hanahy momba ny fitsidihany ? Tsy tokony ho afaka hanangana tetezana malalaka ve i Steven Seagal ary hanamora ny fifanakalozana ara-kolontsaina amin'ny alalan'ny fanatanjahantena mahery setra raha sady mandrisika ireo mpitarika ao amin'ny firenena ho ratsy kokoa mihoatra noho ny fanjakazakana tapany ?

Tsy dia izany loatra. Ny olana dia fantatra fa ny hampiroboroboana ny taonan'i Steven Seagal sy ny fifaninana ampahibemaso mba ho kintana tahaka an'i Genghis Khan tao anatin'ny tantara malaza iray nataon'ireo mpamokatra sarimihetsika lalim-paosy ny dia farany nataon'i Steven Seagal manerana an'i Eorazia.

Hevitra mampihoron-koditra, mahatsiravina ? Angamba. Izany no fomba ahafahanao manandrana hampitsahatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.