- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Filoha Voalohany Ao Shily

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Tantara

(Fanamarihana: lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny marsa 2006)

Mientanentana be i Shily. Sambany nisy vehivavy voafidy ho filoham-pirenena  [1]ary miresaka momba izany izahay; eny an-dalambe, amin'ny radio, amin'ny fahitalavitra ary amin'ny bilaogy. Nanomboka androany tamin'ny lanonana natao tao amin'ny tranoben'ny kongresy Shiliana, ao Valparaíso ny fe-potoam-piasan'ny filoha mandritra ny 4 taona. Maherin'ny 70 ireo solontena iraisam-pirenena (anisan'izany ireo filoham-pirenena) nanatrika ny lanonana.

“El Morrocotudo” (ES) [2]namoaka fomba fijery feno fihetseham-po, ahitana ny antsipiriany momba ny hiakan'ny olona tamin'ny filoha Michelle Bachelet “Miaraka aminao izahay Bachelet!”, tamin'ny fiandohan'ny lanonana sy ny fanaovam-beloma ny filoha teo aloha Lagos. Hita any amin'ny faran'ny lahatsoratra ny lisitra tena mazava momba ny zava-misy an'ohatra (saimbôlika) an'ity hetsika manan-tantara ity.

“Peridismo Global” (ES) [3],  manasongadina ny lahateny fanaovam-beloma nataon'ny filoha teo aloha Lagos, izay nilaza momba an'i Bachelet hoe “Marika amin'izao vanim-potoana iainantsika izao izy, ao amin'ny firenena izay nifindra fanamby vaovao, fiarahamonina izay manana fiovana goavana, amin'ny alàlan'ny fahalalahana, ny fahamaroana, ny fanamby ary ny fitoviana tantana. “

“Ciberamerica” (ES) [4], manindry ny andraikitr'I Shily: “Na dia fanohanana lehibe aza ireo filoham-pirenena sy solontena vahiny tonga nanatrika, mampiditra ny firenentsika amin'izao tontolo izao izy ireo. Ankehitriny, tsy maintsy mampiseho vokatra tsara kokoa isika, tsy misy olona te-hahalala fihemorana. “

“Itaxac” (ES) [5] namoaka lahatsoratra momba ireo vahiny iraisampirenena nanatrika ny lanonana tao amin'ny “Republican Fest (Fetibe Repoblikana)”. Mizara amintsika izy fa manana fihetseham-po hafahafa, izay mampahatsiahy ny fotoana nahazoana ny demaokrasia tamin'ny taona 1998.

Azo jerena ao amin'ny bilaogy [6] Libardo Buitrago (ES) ny famintinana tsara mikasika ny mombamomba an'i Michele Bachelet.

Amin'ny fanadihadian'ny gazety Shiliana momba ny lanonana, tsindrio eto. [7]

Bilaogin'ny Filoha Michelle Bachelet

Manana bilaogy ofisialy roa i Michelle Bachelet [8]: ny bilaogy fanentanana (ES), [9] natao ho an'ny fiarahamonina izay manohana an'i Bachelet, sy ny bilaogy (ES) [10] izay mifototra amin'ny fanoloran-tenany amin'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana. Natao ity bilaogy ity mba hampahafantarana izay hitranga any amin'izany toerana izany mandritra ny fitondrany.