Mihena Ny Taranaka Ombivavy Naumuthe ao Nepal, Iray Amin'ireo Omby Bitika Indrindra Manerantany

Omby kely vao teraka naumuthe. Hirefy mitovy amin'ny totohondry sivy manomboka amin'ny kitro hatrany amin'ny trafo ity karazam-biby ity rehefa lehibe,. Sary: Sanjib Chaudhary.

Iray amin'ireo karazan'omby bitika indrindra eran-tany ny Achhami na “naumuthe”. Avy any amin'ny distrikan'i Achham any Nepal, ity gai ity (midika hoe “ombivavy” amin'ny Nepali) dia antsoina hoe “naumuthe” satria tsy misy afa-tsy sivy muthi (midika hoe “totohondry” ao Nepali) manomboka amin'ny kitro hatramin'ny trafo.

Araka ny filazan'ny Biraon'ny Sampan-draharahan'ny Fiompiana Biby ao amin'ny Distrika (DLSO) ao Achham, ny haavony naumuthe amin'ny antonony dia 88 santimetatra eo amin'ny tampon-tsoroka ary ny lanja antoniny dia 150 kilao. Manome rononoeo amin'ny 1-2 litatra isan'andro eo izy.

Ombivavy naumuthe efa lehibe. Sary: Sanjib Chaudhary

Etsy andaniny, ny haavo antonony ho an'ny ombilahy dia 97 santimetatra eo amin'ny tampon-tsoroka ary milanja eo amin'ny 160 kilao.

Tena kely tokoa ilay biby, ary indrisy fa tahaka izany koa ny taranany. Araka ny fandraketana vao haingana avy amin'ny DLSO,  447 monja amin'ity omby ity sisa no tavela ao amin'ny Jalpadevi, Baijnath, Ghughurkot, Mastamandu, Babla, Khaptad, Budhakot ary Devisthan, distrikan'i Achham.

Araka ny fikarohana nataon'i Surendra Wagle, mihena ny omby karazana Achhami noho ny fampivadiana karazana, fivarotana tsy ara-dalàna mankany Tibet mba hovonoina, ary ny tsy firaharahiana ataon'ny mponina ao an-toerana noho ny tsy fahazoana tombony amin'ny fiompiana ity omby ity, ankoatra ny antony hafa. Na izany aza, tsy dia tratran'ny aretin'ny tongotra-sy-vava “fièvre aphteuse” ity karazana omby ity ary afaka miaina amin'ny tontolo isankarazany.

Mamoaka ronono “mahavelona kokoa noho ny ombivavy mahazatra” izy, raha mino izay lazain'i Dev Raj Upadhyay, talen'ny Baidyanath Ved Vidhyashram, Sekoly Sanskrit ao Achham, izay miompy ity karazana omby ity nandritra ny fotoana fohy ianao.

 

Takelaka dokambarotra an'ny Biraon'ny Sampan-draharahan'ny Fiompiana Omby ao amin'ny Distrika, ho fanentanana momba ny ombivavy naumuthe. Sary: Sanjib Chaudhary

Nandritra ny fikarohana nataony ho an'ny Fihaonambe faharoa momba ny Fiompiana biby Biolojika tany Alemaina, nanoro hevitra ny hiarovana ity karazana omby ity eny amin'ny tontolony, ny fampiharana politika ho fampihenana ny varotra tsy ara-dalàna any Tibet, ary ny famarotana ny biby sy ny vokatra biolojikany eo amin'ny tsena iraisam-pirenena sy ao an-toerana i Devendra Prasad Bhandari.

Manolo-kevitra hitarika atrikasa fanentanana miaraka amin'ireo tantsaha sy hanome vahaolana ho an'ireo vondrona mba hampiroborobo ny ombivavy naumuthe kosa i Surendra Wagle.

Ny fotoana no hilaza raha afaka hihaona sy hiaro ity karazana omby ity alohan'ny hanjavonany ireo manam-pahefana sy vondrom-piarahamonina voakasika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.