300: Mihoatra Noho Ny Sarimihetsika Ho An'ny Iraniana Maro
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

Sariitatra nataon'i Afshin Sabouki an'ny tetikasa 300, valinteny ara-javakanto ho an'ny 300, ilay sarimihetsika.
Nahangona vola be ny sarimihetsika “300”, mifototra amin'ny boky noravahan'i Frank Miller, ary lohahevitra nangotraka tany anatin'ny gazety Iraniana, lehibe sy kely. Ao anatin'ilay sarimihetsik'i Zack Snyder, Spartes niisa 1.300 no niady hatramin'ny farny nanohitra ny mpanjaka Persiana Xerxès sy ireo miaramila iray tapitrisa nentiny.
Iraniana maro no tafintohina tamin'ilay sarimihetsika. Araka ny gazety mpiseho isan'andro Ayande No, fikasan'ilay sarimihetsika ny hiteny amin'ny vahoaka hoe i Iran, izay ivon'ny ratsy ankehitriny, no loharanon'ny faharatsiana hatramin'ny ela ary ny razamben'ny Iraniana maoderina dia ireo olondia ratsy mpamono olona sy tsy misy dikany hitanao ao anatin'ny “300”. “Warner Brothers, mpamokatra ilay sarimihetsika, dia nanazava haingana fa “asa noforonin'ny saina, azo lazaina hoe miorina no sady tsy miorina aminà tranga ara-tantara” ilay horonantsary.
Samy hafa ny fihetsik'ireo Iraniana bilaogera niresaka momba ilay sarimihetsika.
Hatezerana sy Fanantenana
Namorona “baomba Google” antsoina hoe “Tetikasa 300” (“ilay sarimihetsika 300″) i Lego Fish mba hitarika ireo olona izay mikaroka torohay momba ilay sarimihetsika ho any aminà tranonkala misy ny asan'ireo mpanakanto nampiasa ny lohahevitra ‘Persa fahiny’. Hoy ilay bilaogera “Ankafizo ny fotoana ary aelezo ny hafatra [fa tsy araka izay ilazàna azy ao anatin'ilay sarimihetsika akory ny Iraniana]”.
Hazavain'ilay bilaogera fa, na inona na inona eritreretin'ny sasany, tsy resaka valifaty na fanoherana ilay Tetikasa 300. Ezaka ho fiarahamiasa mikendry ny hampiseho ny lafiny ara-javakanton’ ireo Persa izay tsy hita matetika any anatin'ny haino aman-jery izy io, indrindra amin'izao androntsika izao.
Manome fijery ara-tantara “amin'ny fiarahamonina Sparta manontolo” ny The Spirit of Man; manambara fa “vondrom-piarahamonina tsotra sy aristaokraty mihoatra ny 20 taona talohan'ny namoronana ilay fomba filàza azy ny Sparta.” Nampiany fa “ny sarimihetsika 300 dia tsy ho eo amin'ny lisitr'ireo sarimihetsika maloto izay tiako handaniana ny volako ary andrisihako ny hafa tsy handany ny volany izay sarotra ny nahazoany azy amin'ity sarimihetsika ity.”
Lazain'i Mohammad Ali Abtahi fa noforonin'i Hollywood ilay sarimihetsika mba hanalàna baraka ny tantaran'i Iràna. Nampiany hoe mety ho fanehoankevitra amin'ny fanamafisan'ireo mpitarika Iraniana, toy ilay kabarin'i Ahmadinejad manohitra ny Fandringanana Faobe (Holocauast). Hoy i Abtahi manampy, “fa ity sarimihetsika ity dia tsy afaka hisy fiantraikany amin'ny olona ao amin'ny tontolo izay mahalala ny tantara.” [Fa]”
Maniry hahita zava-marina kokoa any anatin'ireo sarimihetsika i Kourosh Ziabari:
Te-hanontany fotsiny aho izay mety hitranga raha tsy nanandrana nanala ireo zava-marina ara-tantara ary tsy nifidy izay tiany tany anatin'ireo pejin'ny tantara ireo mpanatontosa, mpamokatra, mpanoratra ary mpanakanto? Te-hanontany aho izay mety no hitranga raha nampiseho izay tena sary marina sy azo antoky ny ady tany Thermoplaye nivanaovan'i Persa sy Gresy ilay sarimihetsika 300?
Fihotakotahana maro amin'ny tsy misy dikany
Milaza i Parsanevesht [Fa] fa manome endrika ratsy an'ireo Iraniana ilay sarimihetsika fa tsy manompa. Manontany ny antony isehoan-tsika ho be fihetseham-po, manaiky ny hoe ahoana afaka nalefa ilay baomba Google ary ny fanangonan-tsonia napetraka telo andro mialoha ny nahatongavan'ilay sarimihetsika tany amin'ireo trano fandefasana sarimihetsika?
Nanoratra toy izao i Pouya, izay nahita ilay sarimihetsika :
Azoko ny antony mahatonga ny Iraniana marobe ho tezitra aminy [ilay horonan-tsary]. Mpanavakavaka ilay sarimihetsika ary manimba ny tantara Iraniana amin'ny fanehoana an'i Iràna fahiny ho toy ny fanjakan'ny mpamoritra, mpanavakavaka ny maha-lahy sy maha-vavy, andevo, ary mpandroba. Na izany aza, dia fanehoana noforonin'ny saina momba ny tranga iray ara-tantara io.
Aiza ny tena zava-misy ao anatin'izany rehetra izany?
Manontany tena ny Iranian Truth raha mety hafantoka any an-kafa ireo fanoherana naterak'ilay sarimihetsika :
Tena mandiso fanantenana ny mahita Iraniana marobe maneho hevitra momba ity sarimihetsika ity rehefa misy olana maro lehibe kokoa sy faran'izay goavana tokony ho raisina, ohatra, ny mety ho ady amin'i Iràna izay mety hiteraka fahafatesan'olona an'arivony maro, ny fakàna an-keriny ireo vehivavy mafàna fo ao Iràna, ary ny tsy fitsaharan'ny tsy fanajana ny zon'olombelona ao Iràna sy Etazonia.
Manohy ilay bilaogera mba hanaovany fampitahàna mahaliana amin'ireo fanangonan-tsonia samy hafa nosoniavin'ireo Iraniana:
Olona 293 monja no nanao fanangonan-tsonia ho an'ny fanafahana ireo gadra politika tany Iràna. Olona 4.083 no nanao fanangonan-tsonia ho an'ny fanafahana ireo vevivavy mpikatroka izay tsy ela akory izao no nogadraina ao Iràna. Olona 5.108 no nanao hetsi-panoherana hanafahana an'i Ahmed Bateby any am-ponja,amin'ny fampijaliana ary amin'ny fahafatesana, nefa mazava ho azy 6.153 no niahiahy hoe manala baraka ny hambom-pon-dry zareo Iraniàna ny sarimihetsika iray mifototra aminà boky iray voaravaka sary.
Ambaran'i Majid Zohari [Fa] fa ny fanajàn'i Gresy an'i Persa fahiny dia lehibe kokoa noho ny fanajàn'ny Repoblika Silamo ny tantara Iraniàna. Mampanontany tena ilay mpitoraka bilaogy ny hoe iza no tena manala baraka bebe kokoa ny hambompom-pirenena Iraniana .
Aiza ireo Iraniana Mpampiasa vola ?
Asehon'i Azarmehr hoe tahaka ny ahoana fomba fanirian'ny tale iray hanatontosa sarimihetsika momba ny tantara Iraniana nefa tsy afaka nahazo fanohanana avy amin'ireo mpampiasa vola ao an-toerana.
Taona vitsivitsy lasa izay, dia naniry hanao sarimihetsika iray momba an'i Cyrus le Grand ny tale tanora iray antsoina hoe Alexandre Jovy. Ny sasany amin'ireo Iraniana mpamaky ahy dia mety hahatsiaro fa nanadihady an'i Alexandre tao amin'ny fahitalavitra Azadi aho, teny ivelan'ny trano fitehirizam-bakoka Britanika any Londona. Novinavinaina ho 50 tapitrisa Livres ny tetibola ho an'ny sarimihetsika Cyrus. Samy nanome 20 tapitrisa Livres ho an'ny fanatontosana ny sarimihetsika ireo roa tsy Iraniana fa samy mpampiasa vola. Te-hampiseho ny fanahin'ny fandeferana sy ny fahalehibeazan'i Cyrus ireo mpandraharaha roa ireo. Tontosa ilay sarimihetsika, tokony ho loharanonà rehareha ho antsika rehetra izany. Na izany aza, tsy nisy Iraniana mpampiasa vola, na iray aza, nanolotra ny vola 10 tapitrisa Livres!
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...