- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jereo Ny Tokyo Camera Club Raha Liana Sary Mahatalanjona Japoney Ianao

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
tokyo camera club

Ireo sary nosafidian'ny Toniandahatsoratra ao amin'ny Tokyo Camera Club. Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny Tokyo Camera Club .

Vondrom-piarahamonina mavitrika ao Japana natokana hizarana sy hanaovana fifanakalozan-kevitra amin'ny sarin'i Japana ny Tokyo Camera Club (Klioban'ny Fankatsary ao Tokyo). Olona mihoatra ny 400.000 no manjohy ny pejiny Facebook [1], raha mihoatra ny olona 300.000 kosa no manjohy ny kaontiny Instagram [2]. Maro amin'ireo lahatsoratra no tena malaza, ary nahazo ‘ekeko’ an'aliny maro, sy nahazo ‘zarao’ ary fanehoan-kevitra maro ihany koa.

Noho ny maha fihariana ara-barotra iray azy, mandray fanohanana ary mandray dokambarotra handoavam-bola avy amin'ny mpamokatra fankatsary maro ny Tokyo Camera Club. Toerana tsara hamantarana momba ny fifaninanana sary [3] ny tranokalany, ankoatra ny fampisehoana ireo saripika mahatalanjona.

Indreto ny sasany amin'ireo sary voatsonga nivoaka tao amin'ny Instagram:.

Selection of @tokyocameraclub. We welcome your like! & comment. Post by @paolo.fortades #tokyocameraclub #東京カメラ部 #Japan #Photo #写真 #日本 Follow: @tokyocameraclub [4]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

「@photo_shorttrip」Instagramアカウントへの @fujihirotanaka さんの投稿作品。いいね&コメント大歓迎です。 東京カメラ部分室 photo_shorttripでは #photo_shorttrip で投稿された皆さまの「旅の一枚」を紹介します。 Follow: @photo_shorttrip #photo_shorttrip #小旅行 #shorttrip #short_trip #旅 #旅行 #写真 #photo #travelphoto #travelphotos #travelphotography [5]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

Originally submitted by Instagram user @fujihirotanaka [6] to the @photo_shorttrip [7] Instagram account, this photo receives many likes and comments. Photo_shorttrip is a competition organized by Tokyo Camera Club that uses the hashtag #photo_shorttrip to showcase single images of a short trip.

Ilay mpisera Instagram @fujihirotanaka [6] no nandefa ity sary ity voalohany tao amin'ny kaonty Instagram @photo_shorttrip [7], ary nahazo ‘ekeko’ sy fanehoan-kevitra maro. Fifaninanana nokarakarain'ny Tokyo Camera Club ny Photo_shorttrip izay mampiasa ny tenirohy #photo_shorttrip mba hampisehoana ny sary tokana momba ny dia fohy.

Selection of @tokyocameraclub. We welcome your like! & comment. Post by @taiseiko75 #tokyocameraclub #東京カメラ部 #Japan #Photo #写真 #日本 Follow: @tokyocameraclub [8]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

Selection of @tokyocameraclub. We welcome your like! & comment. Post by @ri_ri_ri_3 #tokyocameraclub #東京カメラ部 #Japan #Photo #写真 #日本 Follow: @tokyocameraclub [9]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

「@photravelers」Instagramアカウントへの @akira_1972_ さんの投稿作品。いいね&コメント大歓迎です。 東京カメラ部分室 Photravelersでは、 #photo_travelers を付けたインスタグラム投稿とPhotravelers Facebookページに投稿いただいた旅行写真を紹介します。 Follow: @photravelers #photo_travelers #photravelers #travel #traveler #旅 #旅行 #写真 [10]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

Originally submitted by Instagram user @akira_1972_ [11]  to the @photravelers [12] Instagram account. Please like and comment on this photo. With this feature, Tokyo Camera Club showcases submissions to its Instagram and Facebook pages images that uses the hashtag #photo_travelers. Follow: @photravelers [12]#photo_travelers [13]#photravelers [14]#travel [15]#traveler [16]

Ilay mpisera Instagram @akira_1972_ [11] no nandefa ity sary ity voalohany tao amin'ny kaonty Instagram @photravelers [12]. Miangavy anao mba hanao ‘ekeko’ sy hanome fanehoan-kevitra momba ity sary ity. Amin'ny alalan'ity fanasongadinana sary ity, no hanehoan'ny Tokyo Camera Club ny fandraisana anjara ao amin'ny Instagram sy ny pejy  Facebook izay misy ny sary amin'ny fampiasana ny tenirohy #photo_travelers. Araho: @photravelers [12]#photo_travelers [13]#photravelers [14]#travel [15]#traveler [16]

東京カメラ部10選による、「バンガード」のトラベル三脚のハンズオンレビュー第一弾! . http://bit.ly/VANGUARD_VEO2hara_1708 . 東京カメラ部10選の原朋士さんが、バンガードのトラベル三脚「VEO 2 265CB」とともに、工場夜景や滝など長秒撮影を駆使した撮影へ。 携行性と剛性を追求したモデルで、持ち運びが簡単で超軽量。高度な機能の脚とツイストロックシステムを使用しながら、多彩な創造的なポジションをお楽しみいただけます。 より高度な撮影を可能にする「VEO 2 265CB」の実力を、活用シーンや作品集とともに是非ご覧ください!<PR> . 作品:原朋士さん(東京カメラ部10選2012) [17]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

One of Tokyo Camera Club's top 10 images. This is from part one of a review of the new Vanguard travel tripod: http://vanguard.tokyocameraclub.com/veo2_userreview/page01.php

Photographer Hara Tomoshi took the Vanguard tripod on a trip to photograph waterfalls and night scenes of industrial complexes. […]

Iray amin'ireo sary 10 voalohany ao amin'ny Tokyo Camera Club. Ampahany avy ao amin'ny iray amin'ireo fanadihadiana momba ny fitaovana fankatsary vaovao Vanguard izy ity: http://vanguard.tokyocameraclub.com/veo2_userreview/page01.php

Naka ny fitaovana fankantsary Vanguard nandritra ny diany ilay mpaka sary Hara Tomoshi mba hakana ny sarin'ny riandrano sy ny sarin'ireo tranobe indostrialy amin'ny takariva. […]

Selection of @tokyocameraclub. We welcome your like! & comment. Post by @y_ooseto.ps #tokyocameraclub #東京カメラ部 #Japan #Photo #写真 #日本 Follow: @tokyocameraclub [18]

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

Afaka mamahana sary ao amin'ny Tokyo Camera Club avokoa ny olona rehetra izay monina ao Tokyo na tsia raha toa ka mbola maneho toerana iray ao Japana izany sary izany . Ny fitsipika momba ny fomba fandefasana ny sary amin'ny teny Anglisy dia azonao jerena eto [19].

Azonao jerena ao amin'ny Instagram [2], Twitter, Facebook [1] ary ao amin'ny tranonkala [20] ireo sary maro hafa ao amin'ny Tokyo Camera Club.