Jereo Ny Tokyo Camera Club Raha Liana Sary Mahatalanjona Japoney Ianao

tokyo camera club

Ireo sary nosafidian'ny Toniandahatsoratra ao amin'ny Tokyo Camera Club. Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny Tokyo Camera Club .

Vondrom-piarahamonina mavitrika ao Japana natokana hizarana sy hanaovana fifanakalozan-kevitra amin'ny sarin'i Japana ny Tokyo Camera Club (Klioban'ny Fankatsary ao Tokyo). Olona mihoatra ny 400.000 no manjohy ny pejiny Facebook, raha mihoatra ny olona 300.000 kosa no manjohy ny kaontiny Instagram. Maro amin'ireo lahatsoratra no tena malaza, ary nahazo ‘ekeko’ an'aliny maro, sy nahazo ‘zarao’ ary fanehoan-kevitra maro ihany koa.

Noho ny maha fihariana ara-barotra iray azy, mandray fanohanana ary mandray dokambarotra handoavam-bola avy amin'ny mpamokatra fankatsary maro ny Tokyo Camera Club. Toerana tsara hamantarana momba ny fifaninanana sary ny tranokalany, ankoatra ny fampisehoana ireo saripika mahatalanjona.

Indreto ny sasany amin'ireo sary voatsonga nivoaka tao amin'ny Instagram:.

Originally submitted by Instagram user @fujihirotanaka to the @photo_shorttrip Instagram account, this photo receives many likes and comments. Photo_shorttrip is a competition organized by Tokyo Camera Club that uses the hashtag #photo_shorttrip to showcase single images of a short trip.

Ilay mpisera Instagram @fujihirotanaka no nandefa ity sary ity voalohany tao amin'ny kaonty Instagram @photo_shorttrip, ary nahazo ‘ekeko’ sy fanehoan-kevitra maro. Fifaninanana nokarakarain'ny Tokyo Camera Club ny Photo_shorttrip izay mampiasa ny tenirohy #photo_shorttrip mba hampisehoana ny sary tokana momba ny dia fohy.

Originally submitted by Instagram user @akira_1972_  to the @photravelers Instagram account. Please like and comment on this photo. With this feature, Tokyo Camera Club showcases submissions to its Instagram and Facebook pages images that uses the hashtag #photo_travelers. Follow: @photravelers#photo_travelers#photravelers#travel#traveler

Ilay mpisera Instagram @akira_1972_ no nandefa ity sary ity voalohany tao amin'ny kaonty Instagram @photravelers. Miangavy anao mba hanao ‘ekeko’ sy hanome fanehoan-kevitra momba ity sary ity. Amin'ny alalan'ity fanasongadinana sary ity, no hanehoan'ny Tokyo Camera Club ny fandraisana anjara ao amin'ny Instagram sy ny pejy  Facebook izay misy ny sary amin'ny fampiasana ny tenirohy #photo_travelers. Araho: @photravelers#photo_travelers#photravelers#travel#traveler

東京カメラ部10選による、「バンガード」のトラベル三脚のハンズオンレビュー第一弾! . http://bit.ly/VANGUARD_VEO2hara_1708 . 東京カメラ部10選の原朋士さんが、バンガードのトラベル三脚「VEO 2 265CB」とともに、工場夜景や滝など長秒撮影を駆使した撮影へ。 携行性と剛性を追求したモデルで、持ち運びが簡単で超軽量。高度な機能の脚とツイストロックシステムを使用しながら、多彩な創造的なポジションをお楽しみいただけます。 より高度な撮影を可能にする「VEO 2 265CB」の実力を、活用シーンや作品集とともに是非ご覧ください!<PR> . 作品:原朋士さん(東京カメラ部10選2012)

A post shared by 東京カメラ部 (@tokyocameraclub) on

One of Tokyo Camera Club's top 10 images. This is from part one of a review of the new Vanguard travel tripod: http://vanguard.tokyocameraclub.com/veo2_userreview/page01.php

Photographer Hara Tomoshi took the Vanguard tripod on a trip to photograph waterfalls and night scenes of industrial complexes. […]

Iray amin'ireo sary 10 voalohany ao amin'ny Tokyo Camera Club. Ampahany avy ao amin'ny iray amin'ireo fanadihadiana momba ny fitaovana fankatsary vaovao Vanguard izy ity: http://vanguard.tokyocameraclub.com/veo2_userreview/page01.php

Naka ny fitaovana fankantsary Vanguard nandritra ny diany ilay mpaka sary Hara Tomoshi mba hakana ny sarin'ny riandrano sy ny sarin'ireo tranobe indostrialy amin'ny takariva. […]

Afaka mamahana sary ao amin'ny Tokyo Camera Club avokoa ny olona rehetra izay monina ao Tokyo na tsia raha toa ka mbola maneho toerana iray ao Japana izany sary izany . Ny fitsipika momba ny fomba fandefasana ny sary amin'ny teny Anglisy dia azonao jerena eto .

Azonao jerena ao amin'ny Instagram, Twitter, Facebook ary ao amin'ny tranonkala ireo sary maro hafa ao amin'ny Tokyo Camera Club.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.