Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Riandranon'I Trafalgar Any Dominica

(Marihina fa tamin'ny 3 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

“The Trafalgar Falls are one of Dominica's main tourist attractions, especially for cruise ship visitors, who were there in abundance the day we went. Still we managed to find a secluded hot pool and then an even more secluded cold pool to soak in for a little while.”

” Iray amin'ireo toerana misarika mpizahatany indrindra any Dominica ny Riandranon'i Trafalgar, indrindra ho an'ireo mpizahatany mandeha sambo fitsangatsanganana, izay tena betsaka tokoa tamin'ny andro nandehananay tany an-toerana. Na izany aza, nahita dobo mafana miafinafina  iray izahay ary avy eo dia nisy dobo mangatsiatsiaka mitoka-monina indray ka niroboka tao vetivety izahay . “

hoy ilay bilaogera Barbadiana Titilayo raha nanoratra tao amin'ny lahatsoratra momba ny fitsidihany vao haingana tany Dominica izay mitondra ny lohateny hoe “nivavaka aho mba haharitra ny andro, mandeha be ny fotoana.” Anisan'ireo faritra misarika mpizahatany hafa izay nasongadina tao amin'ny tahirin-tsary momba an'i Dominica avy amin'i Titlayo ny Riandranon'i Spanny , ny Dobo Emeraoda , ny Farihy Mangotraka ary ny fiangonana tranovato tranainy mahafinaritra. Antsoina matetika hoe ilay “Nosin'ny Zavaboary Karaibeana” i Dominica .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.