- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kiobà: Ilay Lehilahy Feno Kavina

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 12 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Cuba people

Ahitana sary manaitra maro ny rakitsary  ao amin'ny Flickr “ Vahoakan'ny Kiobà [1]” avy amin'i Daniel Mauermann [2] , saingy ity iray ity no tena nisongadina indrindra tamin'izany. Araka ny nazavain'i Daniel tao amin'ny imailaka hoe:

The pierced guy is a poor handicapped who once decided to make good money putting as much needles in his head as possible. Every day he is standing in Calle Obispo, the main tourist street in Havana, and claims one dollar per photo. He is quite famous – guess why. I don't know his name.

Lehilahy manana fahasembanana mampalahelo iray izay nanapa-kevitra ny hitady vola amin'ny alàlan'ny fametrahana fanjaitra maro araka izay tratra eo amin'ny lohany ilay lehilahy feno kavina.  Mijoro ao Calle Obispo izy isan'andro , ilay lalana fandalovan'ny mpizahantany ao Havana, ary mitaky iray dolara isaky ny sary. Tena malaza izy – fantaro ny antony. Tsy fantatro ny anarany.