- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miraondraona Ny Bilaogy Ao Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 24 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Miarahaba anareo rehetra tratry ny Shuvo Bangla Nobobarsho (Taombaovao Bengali) . Andeha hojerentsika izay nolazain'ny bilaogy Bangladeshi vao haingana.

* Fankalazana: nanoratra [1]momba ny “Pahela Baishakh”, ilay Taombaovao Bengali izay nankalazaina tamim-pientanentanana niaraka tamin'ny vahoaka marobe tamin'ny 14 aprily 2006 tao Bangladesh ny 3rd world view .

* Kolontsaina: namoaka [2]ny eritreriny momba ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana Britanika mikasika ilay vehivavy Bangladeshi iray izay voaheloka noho ny fanozongozongozonana tamin-kerisetra ny zanany mba hanasitranana azy tamin'ny ‘fanahy ratsy’ i Shapps .

* Cricket: adalan'ny lalao cricket ireo Bangladeshis. Velom-panantenana avokoa izy ireo raha nitarika nanoloana ilay tompondaka erantany Aostraliana tamin'ny lalao fitsapana vao haingana i Bangladesh saingy resy tamin'ny lalao ihany nony farany izy ireo. Nanoratra [3]ny fomba hihazakazahan'ny Bangladeshis sasany any amin'ny finoanoam-poana i Mezba mba hahazoan'izy ireo vintana tsara kokoa .

* Toekarena: resahan'i [4] Shafiur ny politika ara-toekarenan'ny fampiasam-bola ao Bangladesh izay manasongadina ny raharaha Niko.

* Rakipeo: namoaka ny famakiana ireo fandikanteny Anglisy momba ny tantara fohy miisa roa mikasika an'i Rabindranath Tagore ho rakipeo i Joe ao amin'ny Bongo Vongo: – ‘Ireo Vato Noana [5]‘ sy ‘Ny Fandresena [6]‘ .

* Sary hosodoko: namoaka [7]rohy mankany amin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Hashem Khan, ilay Mpanakanto Mpampianatra ao Bangladesh, izay anisan'ny nankafiziny tamin'izy mbola zatovo i Kazi Rubaiat Imam.

* Mari-panondroana: nanome ny heviny [8]momba ny fifandonan'ny fivavahana sy ny mari-panondroana i Nashat .

* Fanabeazana: namoaka lahatsoratra fanadihadiana [9] momba ny hala-tahaka ao amin'ny Oniversiten'i Bangladesh i Deshcalling .

* Fifidianana: manao topi-maso manety [10] momba ny rafi-pifidianana ao Bangladesh izay voakorontan'ny fampiasana ny vola ambadika sy ny fampiasan-tsandry i Ahmede Husein.

Mandrisika ny tanora ao Bangladesh mba hanery ny fanovana [11] amin'ny fisafidianana ny mpitarika mendrika rehefa amin'ny fifidianana hoavy i Electric blues.

Namoaka [12]fanontaniana sy valiny vitsivitsy momba ny antony nahatonga ny herisetra talohan'ny fifidianana vao haingana tao Dhaka izay nitarika korontana tao Bangladesh i Shafiur .

* Politika: Nirongatra tamin'ny fanehoan-kevitra ny tontolon'ny bilaogy Bangladeshi  taorian'ny fanambaran'ilay bilaogera sady mpanao gazety Tasneem Khalil fa nandany [13]vola be tamin'ireo Parlemantera Amerikana lobista miisa 3 ny governemanta ao Bangladesh mba hanatsarana ny endrik'izy [14] ireo ary ny tatitra [15]vao haingana momba an'i Bangladesh tao amin'ny gazetiboky TIME no vokatr'izany ezaka izany.

* Zon'olombelona: nitsikera [16]ny tetika iadiana amin'ny fampihorohoroana i Mash. Raha nitanisa ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana vao haingana tamin'ny mpanao gazety nandritra ny lalao cricket nifanandrinan'i Aostralia sy Bangladesh, nanamarika izy fa raha mbola manohy mampihorohoro ny olom-pireneny ny governemanta [tsy miankina amin'ny atsy sy aroa] ao amin'ny tontolo fahatelo dia tsy hitsahatra ny tontolo miteraka herisetra.

* Ny fiteny: namoaka [17]fanambarana mahatalanjona i  Adda  – ‘ Mety ho faty ny antsasaky ny fiteny miisa 6000 eto amin'izao tontolo izao rehefa aoriana kely’ , raha niresaka momba ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tenindrazana izy.

* Fialamboly: nampatsiahy [18]ilay sarimihetsika ‘Khela Ghor (tranon-tsaribakoly) i Razib Rashedin ary mihevitra izany ho anisan'ny sarimihetsika Bangla tsara indrindra hitany tao anatin'ny andro vitsivitsy.

* Fiainana sy Ara-panahy: Na io lohahevitra mikasika ny ara-pinoana, ny ara-panahy, ny fisaintsainana lalina, ny yoga, ny fampianarana misitery na ny vavaka dia hadihadian'i Sadiq ao amin'ny bilaoginy mitondra ny lohateny hoe ‘Aingam-panahy sy Eritreritra Famoronana’ [19] avokoa izany rehetra izany.