Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Milina Mpivarotra Manerana Izao Tontolo Izao Ka Nahagaga Ny Japoney

Russian vending machines

Milina mpivarotra ao amin'ny trano fivarotana iray mba hividianana Tiako amin'ny sary Instagramanao.” — Alexey Kovalev, Tonian-dahatsoratry Global Voices Rosia. Sary: Vasily Sonkin.

Na mendrika na tsia, nalaza hatry ny ela fa manana milina mpivarotra hafahafa sy mampihomehy i Japana. Ny tsy fantatry ny besinimaro anefa, dia ny eritreritr'ireo Japoney momba ireo milina mpivarotra any amin'ny firenena hafa.

Nanapa-kevitra ny hamantatra izany ny mpikambana iray ao amin'ny Naver Matome, tranonkala bilaogy Japoney malaza. Tamin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Milina mpivarotra Ka Na Ny Japoney Aza Gaga Tamin'izany” (日本人もびびる)- izay efa olona an'hetsiny maro no efa namaky izany – nanangona sary maromaro navoakan'ireo mpisera Twitter Japoney i vortexxx .

Mitarika i Rosia

Avy amin'i Hitoki Nakagawa, lehiben'ny biraon'ny Asahi Shimbun ao Vladivostok, gazety malaza iray mpivoaka isan'andro, ny sary voalohany ahitana milina mpivarotra (farafaharatsiny avy amin'ny fomba fijery Japoney). Mivarotra kaviara lafo dia lafo vidy ny milina hita ao amin'ny sariny:

Ato amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Sheremetyevo ao Moskoa, hiverina hody any Vladivostok aho. Ary milina mpivarotra kaviara no eo alohako. Na dia lafo aza izany androany, misy karazana lafo vidy be iray mitentina 20 000 robla, izay mifototra amin'ny taha-panakalozana androany izay eo amin'ny 40.000 yen (eo ho eo amin'ny 400 dolara amerikana). Na dia tsy hanome izany mandrakizay ho an'ny saka aza aho, manontany tena aho raha misy olona mividy entana lafo vidy be tahaka izany eto.

Toa niteraka fahalianana teo amin'ireo mpisera media sosialy Japoney marobe ilay milina mpivarotra kaviara. Eto indray, olon-kafa iray nahita milina nivarotra entana mora kokoa:

Milina mpivarotra kaviara ato amin'ny seranam-piaramanidina Moskoa. Ny karazany mora indrindra dia 2.000 robla, manodidina ny 4000 yen (eo amin'ny 40 dolara Amerikana). Kely ny boaty, 5-6 santimetatra monja ny savaivony. Ohatrinona ho an'ny boaty lehibe indrindra, eo amin'ny folo santimetatra? Adinoko ny vidiny, tena lafo loatra ilay izy. (‘Д`)

Tsy nividy na inona na inona aho, fa naka sary fotsiny.

Nanamarika milina mpivarotra kitsch tia tanindrazana Rosiana ihany koa ireo Japoney mpitsidika sasany :

Amin'ny maha mpampiasa mavesatra ny seranam-piaramanidina Sheremetyevo, manoro hevitra aho mba hijery ny “milina fivarotana T-Shirt Filoha Putin”.

Nanamarika ny hafa fa tena manampy kosa ireo milina mpivarotra sasany:

Any Rosia, ahitana milina mpivarotra ao anaty magazay misokatra 24 ora izay mivarotra fitaratra amin'ny maso (lentille) … Tena mahasoa!

Ny milina mpivarotra miavaka indrindra amin'ny rehetra dia ny milina nivarotra tontolon'ny sakafo:

Hitako tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Moskoa ity. ‘Milina mpivarotra tontolon'ny sakafo’ izay mivarotra lasopy (borscht), lasopy omby sy varimbazaha, kaonfitiora voankazo maina sy sakafo hafa amidy anaty tavoahangy toy ny sakafo amin'ny vidiny 400 robla.

Milina fivarotana tokana any amin'ny firenen-kafa

Nanangona lahatsoratra maromaro tao amin'ny Twitter momba ireo milina mpivarotra hafa manerana izao tontolo izao izay hitan'ireo mpizahatany Japoney fa mahaliana ihany koa ny bilaogy Naver Matome. Milina mpivarotra iray ao Alemaina nivarotra Lego:

Milina mpivarotra Lego! Mahafinaritra i Alemaina! (*☻-☻*)

Iray hafa tao Italia, niteraka hanoanana lehibe:

Ity milina mpivarotra pizza ao Italia! Te hihinana pizza aho ankehitriny!

Iray amin'ireo milina mpivarotra tsy mahazatra indrindra, izay hitan'ilay Japoney mpisera Twitter tany Etazonia, kosa mivarotra zavatra izay vidiana any amin'ny toerana sasany ihany ao amin'ny firenena: vilany (pot).

Milina mpivarotra rongony fanafody ao Seattle. Manomboka amin'ny 1 dolara ny vidiny

Azo jerena ao amin'ny Naver Matome ireo milina mpivarotra maro hafa manerana izao tontolo izao:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.