Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

RDC: Fangatahana Amin'ny Transparency International & Adihevitra Momba ny Fifidianana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

"Master of the Universe" at Lukalaba market

“Master of the Universe,” (Tompon'izao rehetra izao): fandrahonana an'i Kabila? Avy amin'i Etienne Ngandu

Nanaparitaka ny lahatsoratry AFP manambara ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 30 jolay ny UDPS Liege androany. Nahemotra herintaona ny fifidianana tamin'ny volana Jiona lasa teo ary tara kokoa noho ny fe-potoana 30 Jona notakin'ireo lalàna isan-karazan'ny tetezamita ny datin'ny 30 jolay.

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nanolo-kevitra tao amin'ny Prince du Fleuve du Congo ilay bilaogera Tony Katombe fa mangataka amin'ny Transparency International (T.I.) izy sy ireo mpiray tanindrazana ao amin'ny firenena sy any ivelany mba “hanadihady ny fiampangana an'i Louis Michel, William Lacy Swing, Aldo Ajello sy ireo tompon'andraikitra hafa iraisampirenena tamin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-kibon'ny tany tao Katanga, Kivu sy Kasai … Ny tanjona dia ny hitondra ny T.I (Transparency International)… mba hanamarina fa ireo lehilahy tandrefana ireo izay miasa any Kongo ho toy ao anatin'ny tobin'ny zanatany no mahatonga ny famolavolana sy ny fiorenan'ity rafitra feno kolikoly ity.

Nasain'ilay bilaogera Philippe Liondjo izay mitantana ny Le Prince, ny hafa, toa an'i MuanaCongo, nilaza hoe:

depuis le début de cette transition, nous avons adressé de centaines de mémos aux représentants de la communauté internationale. Cette même communauté a diligenté des études dont les résultats attestent de manière irréfutable et définitive le pillage de notre pays, notamment par le clan Kabila … Si vraiment nous aimons notre pays, soyons réalistes. Le seul acte patriotique qui vaut la peine d'être entrepris aujourd'hui, c'est une révolution soit populaire, soit armée et pourquoi pas une combinaison de deux.

Hatramin'ny fiandohan'ity tetezamita ity, nanoratra hafatra an-jatony ho an'ireo solontenan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena izahay. Ity vondrom-piarahamonina ity ihany no nanamora ny fanadihadiana izay manamarina amin'ny fomba tsy isalasalana sy marina fa voaroba ny firenentsika, indrindra fa voaraban'ny tarik'i Kabila … Raha tena tia ny firenentsika isika, dia maneke ny zava-misy marina. Ny hany andraikitra feno fitiavan-tanindrazana izay mendrika hatao ankehitriny dia ny revolisiona, na revolisionam-bahoaka na revolisionan'ny tafika na tsara kokoa dia ny fitambaran'ireo roa ireo.

Nandingana ilay resaka fanangonan-tsonia i Desire Katompa, ary niresaka tolona, mamaritra izany amin'ny fomba tsy mitovy amin'i MuanaCongo:

Seule la lutte libère! Qu'est-ce que la lutte? La lutte c'est se reveiller le matin pour aller au boulot, la lutte c'est au boulot chercher à être le meilleur, la lutte c'est chaque jour faire du mieux que l'on peut pour faire avancer les choses qui nous tiennen à coeur.

Ny tolona ihany no manafaka! Inona no atao hoe tolona? Ny tolona dia ny fifohazana maraina mba hiasa, ny tolona dia ny mba ho tsara indrindra amin'ny zavatra ataonao, ny tolona dia ny manao izay vita isan'andro mba hampandroso ny zavatra tena tiantsika.

Toa mihevitra izy fa ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana, fa tsy amin'ny tolona mitam-piadiana no vahaolana:

Les négociations amenent le concensus, les élections amenent la soumission du vaincu. Cherchons donc à être les vainqueurs afin de soumettre nos adversaires. Nous avons toutes nos chances pour barrer la route à Kabila et au PPRD. Ne nous laissons pas impressionner par les muscles, regardons la réalité en face, et surtout scrutons notre âme et notre revolte, reportons cela sur les 25 millions des congolais.

Ny fifampiraharahana dia miteraka marimaritra iraisana, ny fifidianana dia mitarika ny fibaboan'ny resy. Andeha hiezaka ny ho mpandresy mba hampanaiky ireo mpifanandrina amintsika. Manana fahafahana hanakana an'i Kabila sy ny PPRD amin'ny lalan'izy ireo isika. Aoka isika tsy ho variana amin'ny nofo, fa hijery ny zava-misy marina, ary indrindra handinika ny fanahintsika sy ny adintsika, mila mitondra izany ho an'ireo Kongoley 25 tapitrisa isika.

Nandray anjara ihany koa i Philippe Liondjo, mpanorina ny Le Prince :

pour moi, l’initiative proposée par Tony Katombe est un plus dans notre lutte … je suis pour cette idée, tout en étant aussi dans la ligne de pensée de notre frère Badibanga pour une révolution populaire d’ampleur.

Ny ao an-tsaiko, fanampiny amin'ny tolontsika ny fisantarana andraikitra nataon'i Tony Katombe … Miombon-kevitra amin'izany aho [ny fitakiana amin'ny T.I.] ary koa miombon-kevitra amin'i Badibanga amin'ny revolisionam-bahoaka.

Tamin'ny fanamarihana maivana kokoa, nandefa sary misy ny faritanin'i Kasai, faharoa tamin'ity taona ity i Etienne Ngandu ao amin'ny Le Renouveau Congolais . Ny sary iray dia izay mety ho mpifaninana ara-politika amin'ny PPRD sy ny mpanohitra, antsoina hoe “Master of the Universe” (Tompon'izao rehetra izao):

Tous les politiciens kinois n'ont qu'à bien se tenir. Voilà le redoutable adversaire politique de Lukalaba qui va tous les battre. Sur son tableau figurent déjà tous les titres qu'il porte: PAD MIBA, Gouverneur Kasaï-Oriental, President RDC, Président Union Africaine, Maître du monde, etc… Bref un fou qui amuse les gens au marché de Lukalaba.

Mila mitandrina ireo mpanao politika ao Kinshasa. Handresy azy rehetra ny mpifaninana ara-politika farany avy amin'i Lukalaba. Ao amin'ny tabilaony, efa nanoratra ny anarana rehetra ananany izy: PAD MIBA, Governoran'i East Kasai, Filohan'ny DRC, Filohan'ny Vondrona Afrikana, Tompon'izao rehetra izao, sns. … Eny, olona adala mampiala voly ny vahoaka eny an-tsena ao Lukalaba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.