Nidina An-dalambe Ireo Indiana An'arivony Mitady Ny Rariny Momba Ny Famonoana Ilay Mpanao Gazety Gauri Lankesh

Dika avy amin'ny lahatsary YouTube “Tsy Safidy ny Fahanginana” nalain'ny lumiphernia.

Vahoaka teo amin'ny 15.000 teo no nanao fihetsiketsehana tao Bangalore tamin'ny 12 Septambra 2017 ho fanamelohana ny famonoana ilay mpanao gazety zokiolona Gauri Lankesh izay nitranga ny herinandro talohan'izay.

Nahavory olona avy amin'ny sarangam-piainana isankarazany ny hetsi-panoherana, anisan'izany ny mpanao gazety, ny akademika, ny mpanatontosa sarimihetsika, ny mpilalao sarimihetsika, ny mpianatra ary ny tantsaha miaraka amin'ny hafatra tokana hoe “Gauri Aho,” mba hitakiana ny rariny momba ny raharaha.

Lankesh, 55 taona, no toniandahatsoratry ny gazety amin'ny teny Kannada iray antsoina hoe Gauri Lankesh Patrike izay manakiana mafy ny politikan'ny fikambanana nasionalista Haindò ao amin'ny helatra havanana sy ny Praiminisitra Narendra Modi.

Filaharana lava ho fanoherana ny famonoana an'i Gauri Lankesh nihodina nandalo ny Faribolana Anandrao, ao Bangalore

Ny gazety izay hamoahan'i Lankesh lahatsoratra dia tsy manao dokambarotra fa miantehitra amin'ny famandrihan'ireo mpanjifany izay avy amin'ny sarangan'olona ambany ny ankamaroany. Nisy famoahana lahatsoratra fahatsiarovana iray natomboka nandritra ny fihetsiketsehana tao Bangalore.

Navoaka tao amin'ny hetsi-panoherana tao Bangalore ny famoahan-dahatsoratra fatsiarovana an'i Gauri Lankesh Patrike
Hoy ny reniny hoe ‘gauri avokoa ianareo rehetra’

Tamin'io andro io ihany, ireo mpanao gazety sy namana tahaka an'i Sudhamshu MitraSudipto Mandal sy ny hafa dia namoaka bilaogy ho famoriana ireo fandikàntenin'ny lahatsoratra sy ny filazam-baovaon'i Lankesh  ary niresaka momba azy ny media sosialy .

Ny sehatra mihaterin'ny fitenenana

Nanasongadina ny fitomboan'ny tsy fandriampahalemana ao India ny fahafatesan'i Lankesh izay nataon'ireo mpanafika nitaingina môtô tamin'ny 5 Septambra 2017 amin'ny fijerin'ny mpanangom-baovao sy ny fomba hanapotehina ny zo sivilin'izy ireo ao anatin'ny rivotra politika hanjakazakan'ireo nasionalista Haindò.

Naneho ny ahiahiny izy tao anatin'ireo andiana antsafa  vao haingana niarahany tamin'ny gazety Indiana isankarazany, anisan'izany ny TheWire.in sy ny NewsLaundry momba ny toetry ny fahalalahana miteny ao India. Voaheloka noho ny fanenjehana mpanao politika roa ao  amin'ny antoko politikan'ny fitondrana Antoko Bharatiya Janata (BJP) tamin'ny volana Novambra 2016 ihany koa ny tenany  ary nohelohina higadra enim-bolana an-tranomaizina.  Nandoa onitra izy ary nampiakatra ny raharaha araka ny tatitra .

Taorian'ny famonoana azy, niatrika fiampangana vaovao ny Praiminisitra Modi sy ny BJP ho manangana tontolo feno fankahalana sy fanavakavahana manerana ny firenena izay nitarika fanenjehana sy herisetra tamin'ireo vitsy an'isa, anisan'izany ny Dalits sy ny Miozolomana, sy ireo rehetra nampiroborobo ny fiainana laika manerana an'i India.

Saingy nandà ny fifandraisan'ny politikany tamin'ny famonoana an'i Lankesh ny BJP .

Talohan'ny hetsi-panoherana tao Bangalore, nanao valan-dresaka tamin'ny fampitam-baovao ny mpitondra tenin'ny BJP, Ashwath Narayan ary nanambara izy fa  “[h]arahi-maso”  ny kabarin'ny mpanao fihetsiketsehana ary ho enjehin'ny lalàna ireo izay manakiana ny “Sangh Parivar” , izany hoe ny fianakaviamben'ny nasionalista Haindò .

Talohan'ny fihetsiketsehana ihany koa, nampitandreman'ny ny tanoran'ny helatra BJP ilay mpahay tantara Ramchandra Guha fa ho torian'izy ireo izy noho ny fanalam-baraka sivily sy noho ny heloka bevava raha toa ka tsy miala tsiny tamin'ny fampifandraisany ny fikambanana nasionalista Haindò, Rashtriya Swayamsevak Sangh (RSS), tamin'ny famonoana an'i Lankesh  .

Naneso an-tsary ny fivoaran'ny raharaha ilay mpanao sariitatra, Satish Acharya:

Fanamarihana: Toy izao ny endrik'i Gauri Lankesh teo amin'ny gorodona, raha novonoina izy, nifangaro tamin'ny olona marobe rehefa nitolefika tao anaty vahoaka – nangina ireo rehetra ireo. Mivaky  hoe “Gauri aho” ilay tsy teny Anglisy mitovy amin'ilay teny Anglisy iray hafa.

‘Manohitra ny milina fankahalana lehibe indrindra isika’

Nandritra ny hetsi-panoherana tao Bangalore, izay nokarakarain'ny vondrona sivily maro samihafa teo ambany fitarihan'ny “Gauri Hatye Virodhi Vedike” (“Ny hetsiky ny mpanohitra manoloana ny famonoana an'i Gauri”), nampitandrina ny mpandray fitenenana fa miaina ao anatin'ny fotoana mampidi-doza i India. Hoy ilay mpanao gazety P. Sainath  hoe:

There has rarely been a period of such constructed, deliberate terror and hatred. We are up against the largest machine of hate. There will be incredible provocation in coming days, but you should not fall for those traps of hatred.

Tsy dia fahita firy ny fotoanan'ny fampihorohoroana novolena sy niniana natao ary ny fankahalàna tahaka izao. Mijoro manohitra ny milina fankahalàna lehibe indrindra isika. Hisy ny fihantsiana tsy mampino amin'ny andro ho avy, kanefa tsy tokony ho kivy ao anatin'ireo fandriky ny fankahalana isika.

Nisy ny fananganana elo mainty izay nataon'ny mpanao fihetsiketsehana, araka ny sioka nataon'ilay mpanao gazety Sagarika Ghose:

Fananganana elo tao amin'ny hetsi-panoherana “Gauri aho” tamin'ny tolakandro

Nanome topi-maso ny hetsi-panoherana ilay mpanao gazety, Anusha Ravi:

Tsy ampy hamaritana ny hetsi-panoherana “Gauri aho” ao Bengaluru ny teny hoe lehibe.

Nidera ny tanjon'ny hetsi-panoherana ilay mpikatroka Kavita Krishnan:

Fihetsiketsehana lehibe “Gauri aho” sy famoriam-bahoaka tao Bangalore androany. Nanao fihetsiketsehana manohitra ny fasista ny mpianatra tanora maro sy ny vondron'olona isankarazany

Nizara lahatsary fohy izay noforonina niaraka tamin'ny sarin'ny fihetsiketsehana miaraka amin'ity hafatra manaraka ity i Sidharth Chadha, monina any Soeda:

Silence is not an option.
In solidarity with friends and journalists in Bangalore.

Tsy safidy ny fahanginana .
Ho firaisankina amin'ireo namana sy mpanao gazety ao Bangalore.

Nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana ary nandefa sary tao amin'ny Facebook i Rekha Raj, mpanoratra feminista Dalit miavaka izay miasa ho an'ny Amnesty International:

Mandritra izany fotoana izany dia maro ireo mpanohana ny BJP sy ireo fikambanana nasionalista Haindò hafa no naneso an'i Lankesh sy ny fihetsiketsehana:

Matetika aho no nanararaotra ny Haindò, RSS & BJP – tsy nisy zava-nitranga tamiko afa-tsy ny raharaham-pitsarana sasany.
Nanararaotra ny ekstremista havia aho ary novonoina avy hatrany

Mihamitombo ny kabarim-pankahalana amin'ny kabary ampahibemaso ao India, ary hita ho fampitandremana mazava ho an'ireo mpanandra-peo ao India izay maneho tsy fitovian-kevitra amin'ny mpitondra ny famonoana an'i Lankesh fa mitombo ny tsy fandeferana. Mety hiatrika herisetra sy fandrahonana ny firenena raha mbola mitohy ny famerana ny adihevitra sivily ataon'ireo olona eo amin'ny fitondrana izay ho lasa zavatra mahazatra (fenitra) vaovao.

Novokarin'ny mpandray anjara vahiny izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, noho ny antony ara-piarovana ny tatitra fanampiny momba ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.