Sary Avy Any Azia Atsimo

(Marihina fa tamin'ny 22 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nanapa-kevitra ny handeha lavidavitra kokoa aho hanaovana ny lahatsoratro voalohany ato amin'ny Global Voices ary hizaha ny zana-kaontinanta amin'ny alalan'ny fomba fijerin'ny hafa. Miraondraona miaraka amin'ny resaben'ny fakantsary sy ny fitselatry ny ‘flash’ ireo bilaogin-tsary  any Azia Atsimo;  Sary mahatalanjona avy any Kerala any India ka hatrany amin'ny zavakanton'ny kamiao ao Pakistan no vokatra azo. Noho izany, hiroso avy hatrany amin'ny sary sasantsasany avy amin'izany isika.

Heels on firePeter Dulvy miaraka amin'ilay atleta tompondaka Indiana PT Usha, izay fantatra amin'ny anarana hoe ‘Payyoli Express’, noho ny hafainganam-pandehany eny amin'ny kianja. Sary avy amin'i: Courtney Desmond Roberts

Inona no mitranga rehefa mihaona ny mpihazakazaka, ny mpaka sary sy ny mpanoratra ary manapa-kevitra ny hihazakazaka mihoatra ny 600 km isam-bolana ao amin'ny fanjakana Indiana ao Kerala izy ireo? Ny valiny dia …… bilaogy iray tena mahafinaritra . Manao izany fotsiny i Peter Dulvy, Desmond Roberts ary Rahul Noble Singh ao amin'ny bilaoginy ‘Heels of Fire‘ raha manazava momba ilay antsoin'ny National Geographic hoe iray amin'ireo paradisa folo eto an-tany. Misy ihany koa ireo sary mahafinaritra. Ary manana tranonkala mahaliana ihany koa izy ireo.

dreamadr

Fikambanana ONG iray ao Bangalore ny Dream-A-Dream izay manampy ireo ankizy avy amin'ny fiarahamonina mahantra, mba ahafahan'izy ireo mankafy ny fahazazana feno fahafinaretana sy ny fahafahana mianatra tsara. Naka sary ny iray tamin'ireo hetsika izay nokarakarain'ny ONG i Vivek ary nanadihady ny fifandraisana misy eo amin'ny ankizy sy ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fikambanana. Nahitana sary maro feno fanantenana izany. Jereo ao amin'ny Flickr ny sary maro hafa

mandalaMoanina Bodista mamarana ny sary hosodoko Mandala

Manolotra antsika ny andiana sary maromaro ny fandaharan'asan'ny The Athanasius Kircher Society izay mampiseho ireo moanina Bodista mamorona sary hosodoko fasika mandala mandritra ny 10 andro ary ny fanapotehina izany avy eo.

Mandalas are geometric designs symbolic of the universe, constructed from sand. They transmit positive energy to the environment and to the people who view them. Mandala sand paintings were introduced by the Buddha himself and there are many different designs of mandala, each with a different lesson to teach.

Sary jeometrika fanehoana ny tontolo izay naorina avy amin'ny fasika ny Mandalas. Mampita hery matanjaka amin'ny tontolo iainana sy amin'ireo olona izay mijery azy izy ireo. Ny Bouddha ihany no nampiditra ny sary hosodoko fasika mandala ary maro ireo endrika mandala isankarazany, izay samy manana ny lesony avy ho fampianarana.

Inoana ho manadio sy manasitrana ihany koa izy ireo.

truckart

Farany fa tsy ny kely indrindra, manolotra antsika ny zavakanton'ny kamiao maroloko avy any Pakistan i BabaSteve.  Hoy izy nanampy,

“Pakistan is known for its artistically painted and decorated traffic vehicles, whether they are small autorickshaws, goods-hauling trucks, or buses used for public transportation. The magnficent art, couple with faces peering from windows, always provides a wonderful frame for photos begging to be taken.”

“Fantatra amin'ny sary hosodoko sy haingo ara-javakanto ho an'ny fiaraben'ny fifamoivoizana i Pakistan, na izany posy-bisikileta majinika, na kamiao fitaterana entana, na fiara ho an'ny fitateram-bahoaka. Manome endrika mahavariana ho an'ny sary mampi-te haka matetika ity zavakanto mahafinaritra ity sady ampiarahina amin'ny endrika manopy maso eo am-baravarankely.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.