- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tanànakely Shinoa Ao Grenada

Sokajy: Azia Atsinanana, Karaiba, Grenada, Shina, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
(Marihina fa tamin'ny 19 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Grenada [1]

Avy amin'ny bilaogin-tsary Caribbean Free Photo [2]:

This rather quaint archway marks the entrance to the construction site for Grenada's new National Stadium [3] in Queen's Park, which is being built with funding, expertise and manpower provided by the People's Republic of China [4]. With 500-plus construction workers from China living [5] and working [6] on the site, the area has virtually been transformed into a Chinese village [7], complete with garden [8].

Manamarika ny fidirana ao amin'ny toeram-panorenana hanaovana Kianjam-pirenena vaovao [3] ao Grenada ao amin'ny Zaridainan'ny Mpanjakavavy ( Queen's Park), izay natsangana miaraka amin'ny famatsiam-bola, ny fahaiza-manao ary ny herin'ny mpiasa avy amin'ny Repoblika Entim-Bazhoakan'i Shina [4] ity endrika vavahadibe somary hafakely ity. Ahitana ireo mpiasa mpanorina mihoatra ny 500 avy any Shina izay mipetraka [5]sy miasa [6]ao amin'ny toerana, dia efa novaina tamin'ny fomba virtoaly ho tanànakely Shinoa [7] ilay faritra miaraka amin'ny zaridaina [8] .

 

Grenada [9]Ny sainam-pirenena Grenadiana sy Shinoa, hofahofain'ny rivotra eo ambonin'ny toerana misy ny Kianjam-pirenena

One thing that struck me on my visit there earlier this week was the fact that while all of the Chinese workers wore hard hats [10], soft canvas shoes seemed to be acceptable as worksite footwear. When I made the observation to the Grenadian project manager, he replied that “that's their culture.” According to the project manager, the Chinese workers take daily post-lunch siestas and don't drink cold water. “Only hot water and tea,” he said, which would explain the ubiquitous khaki-coloured canteens [11].

Ny fanaovan'ny mpiasa Shinoa rehetra satro-by [10] , miaraka amin'ny kiraro malefaka vita amin'ny lamba henjana izay hany azo ekena hanaovana ao amin'ny toeram-panorenana no zavatra iray izay nanaitra ahy tamin'ny fitsidihako tao an-toerana tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Rehefa nanontany ilay lehiben'ny  tetikasa Grenadiana aho momba izany, dia namaly izy fa “izany no kolontsain'izy ireo.” Araka ny voalazan'ny lehiben'ny tetikasa, dia manao lasiesta kely aorian'ny sakafo atoandro ireo mpiasa Shinoa ary tsy misotro rano mangatsiaka. “Fa rano mafana sy dite fotsiny ihany”, hoy izy, izay manazava ny antony hisian'ireo fisotroana kafe miloko khaki hita manodidina rehetra eny [11] .

Grenada [12]Mpiasa Shinoa ao amin'ny toeram-panorenana ao Grenada