Népal: Manangana Fikambanana Ireo Bilaogera

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamn'ny Aprily 2007)

24 ireo Nepaley bilaogera avy ao Katmandou  renivohitra no nivory tamin'ny sabotsy 21 Aprily mba hiresaka ny fijoroan'ny Fikambanan'ireo Nepaley bilaogera (BLOGAN), hanentanana ny bilaogy sy mba hiarovana ireo bilaogera ao amin'io firenena kely any Himalaya io izay mbola tsy dia fantatry ny mponina loatra ny fatao hoe blaogy.

Misy 300 latsaka ireo blaogy mandeha isanandro ao Népal. Na eo aza izany, ny andraikitra izay nosahanin'izy ireo nandritra ny vanim-potoana nisian'ny sivana tery  nampiharin'ny fitondran'ny mpanjaka Gyanendra (ny volana oktobra 2004 hatramin'ny aprily 2006) avy eo koa nandritra ny fikomiam-bahoaka ny volana aprily 2007 farany teo, dia nanome hafanampo maharitra sy faniriana hihetsika ho an'ireo bilaogera mba hanitarana ny tontolom-bolongana ao an-toerana.

Sary an'i Jiten World

Hita taratra tany anatin'ireo lahatsoratra nalefan'ireo bilaogera io hafanampo io. Heverin'izy ireo ho toy ny “Tantara mipetraka” io fihaonana io. Nandefa sary sy lahatsary mikasika ny fivoriana i Mero Sansar [En], nomeny ny  lohateny hoe “Fihaonana manantantaran'ireo bilaogera Nepaley” raha mbola teo ampinderàna ny fisokafan-tsaina nananan'ilay fivoriana kosa i Deepak’s Diary [En].

Tantara nipetraka amin'ny lafiny rehetra ny fihaonana faha-efatra nataon'ireo bilaogera Nepaley. Fitobahanà bilaogera tsy mbola nisy toa azy: mitontaly 24, izay vehivavy ny enina (tsy misy fanavakavahana, Ramatoa isany). Ny taonan'izy ireo dia nanomboka tamin'ny 18 taona, ho an'i Deelip Khan, taonan'ny fisotroana ronono ho an'i Buddhi Narayan Shrestha, ilay Tale Jeneraly fahiny tao amin'ny Departemantan'ny Fanabeazana tao Népal. Rajendra Biswakarma no nisolo tena ny vondrom-piarahamonina Dalit, Mohammad Tajim miozolomana ary Salik Shah dia tena mpiaro mavaivay ny tolon'ireo Madhesi. Kofehy mena nampikambana antsika rehetra ny blaogy. Misy zavatra andalam-pitrangàna! Mijery ve izao ianareo?

Nahafahana namorona komitinà atrikasa iray ihany koa ilay fihaonana mba hirosoana ary mpirotsaka an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpikambana niditra tamin'izany. Ilay kaomity dia nahitàna an'i Ujjwal Acharya (mpandrindra), KP Dhungana, Ghanshyam Ojha, Deepak Adhikari, Ram Prasad Dahal, Bishnu Dhakal, Rajendra Biswokarma, Avinashi Paudel, Mohd Tajim, Tapas Barsimha Thapa ary Umesh Shrestha.

Ilay fivoriana dia nahafahana ihany koa nanapaka hevitra ho famoahana boky iray misy ny fomba fanaovana blaogy, ho fampahafantarana ny daholobe sy fampiroboroboana ny bilaogy. Manoratra i NepaliVoices [Ang] fa:

Fanapahan-kevitra goavana hafa noraisina androany ny famoahana boky iray atsy ho atsy. KP Dhungana no ho mpandrindra ary efa nifanaraka ny rehetra hanampy azy mikasika ny fanoratana azy io. Hanoratra ny traikefany mikasika ny bilaogy avokoa ireo bilaogera (amin'ny fiteny anglisy na amin'ny fiteny nepaley).

Na efa nifanaiky daholo aza ireo mpandray anjara momba ilay hananganana fikambanana iray, mbola mampiady hevitra ny olana mikasika ny fandraketana azy ofisialy ara-panjakana. Manohitra io fandraketana ofisialy io ny bilaogy Dedicated to Daniel Pearl [En], satria atahorany ho voatohintohina ny fahalalahana iainan'ireo bilaogera.

Ilaintsika tokoa ve ny fandraketana ofisialy raha hanatanterahana ireo tetikasa rehetra ireo? Manahy aho fa tsy ny fahalalahana ihany no verintsika, fa ho latsaka ao anaty lisitr'ireo fikambanana tsy ara-panjakana ihany koa isika, izay fantatra fa mitsentsitra ny volan'i Népal. Ny eritreritro: maninona no tsy andramantsika ny mijanona ho bilaogera fotsiny fa tsy ho fikambanana?

Kathmandu Speaks [En] reconnaît le besoin d’ une structure organisée. Officielle ou non, chaque blogueur a approuvé l’organisation par BLOGAN de conférences de blogeurs et l’attribution annuelle des prix des meilleurs blogs. Il semble bien que la blogosphère népalaise soit en passe de devenir une puissance!    ………………Kathmandu Speaks [Ang] manaiky ny filàna rafitra voarindra. Ofisialy na tsy ofisialy, nankasitrahan'ny bilaogera tsirairay ny nikarakaràn'ny fikambanana BLOGAN ny fihaonamben'ny bilaogera sy ny fanomezana loka isantaona ho an'ireo bilaogy tsara indrindra. Toa hita mihitsy fa nanjary hery iray ny tontolom-bolongana nepaley!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.