Manadihady  Ny Andiana Famonoan'olona Mikendry Ireo Vehivavy Ny Polisy Ogandey

Pikantsarin'ny lahatsary tao amin'ny  YouTube nahitana ny Inspektora Jeneralin'ny Polisy , Kale Kayihura, miteny amin'ny vahoaka tao Nansana, distrikan'i Wakiso, izay nitrangan'ny famonoana vehivavy maro .

Nahitana andiana famonoana olona feno misitery manao ho lasibatra ny vehivavy i Oganda . Teo anelanelan'ny 7 Jona sy 5 Septambra, vehivavy miisa roapolo no hita nisy namono tamin-kerisetra tany amin'ireo tanàndehiben'i Entebbe sy Nansana, any amin'ny 30 sy 20 kilaometatra avy miala ao Kampala, renivohitra.

Nitatitra momba ireo famonoana vehivavy miisa sivy voalohany eo anelanelan'ny 17 taona sy 32 taona ny fahitalavitra ao an-toerana NTV Uganda izay ary nisy namono tamin'ny fomba mitovy, anisan'izany ny fanakendana sy ny fanatrobarana hazo ny vava sy ny taovam-pananahana, izay midika fisian'ny fanolanana .

Maro ny fisamborana natao mikasika ity vonoan'olona ity tao amin'ireo tanàndehibe roa ireo, saingy mbola tsy fantatra ny nahavanon-doza. Na dia teo aza ireo fisamborana ireo, dia mbola maro ireo famonoan'olona nitranga hatramin'ny nitazonana vonjimaika ireo olona ireo. Notazomin'ny polisy ao Nansasa ny olona ahiahiana miisa 8, anisan'izany ny sakaizan'ireo olona maty miisa efatra, ny vadiny sy ny namany, izay voalaza fa ‘sakaiza nilaozana’ ho anton'ny famonoana.

Teoria iray hafa ny famosaviana. Nanolo-kevitra ny Inspektora Jeneralin'ny Polisy, Kale Kayihura, fa mety nisy mpandraharaha iray nanao fifanarahana tamin'ny lehilahy iray mba hamono ireo vehivavy mba hanaovana fandatsahan-drà hanatanterahana ny fomba fanaon'ny taranaka mpanankarena. Nitatitra ny Daily Monitor, gazety iray ao an-toerana hoe:

“The suspect confessed that he had killed eight women on orders of a businessman here in Nansana. The blood is to feed his rituals to get more wealth,” Gen Kayihura said. The police should be commended if such a suspect exists and a confession to that effect was extracted. However, the public is not interested in such public pronouncements.

“Niaiky ilay olona ahiahiana fa namono vehivavy miisa valo izy noho ny baikon'ny mpandraharaha iray eto Nansana. Ny rà nalatsaka dia fomba hahazoana harena bebe kokoa”, hoy i Gen Kayihura. Tokony hoderaina ny polisy raha toa ka misy tokoa ny olona ahiahiana toy izany ary efa voaray ny fiaiken-keloka mikasika izany. Na izany aza, tsy liana tamin'ny fanambarana ampahibemaso toy izany ny vahoaka.

Ho setrin'izany, nametraka fanontaniana ny mpamaky Ahamushozi Kanungu :

Why are they not arresting the moneyed man?! Since they are aware of him and yet they are in a rush to arrest innocent people without clearly formulated motive!!

Nahoana izy ireo no tsy misambotra ilay lehilahy mpanankarena?! Satria efa fantatr'izy ireo izy kanefa mihazakazaka misambotra olona tsy manan-tsiny tsy misy antony mazava izy ireo.

Ankoatra izany, nanao andrimasom-pokonolona mba hampihenana ny fandikan-dalàna ao amin'ny vondrom-piarahamoniny ireo mponina feno ahiahy tsy matoky ireo manampahefana mpitondra azy. Nanamafy ity hevitra ity taty aoriana i Kayihura, Inspektora Jeneralin'ny Polisy,  nandritra ny fivorian'ny vondrom-piarahamonina vao haingana tao Nansana, araka ny notaterin'i Raymond Mujuni, NTV Uganda. Hoy ny nambaran'i Kayihura hoe:

“We have put in place security measures aimed at enhancing popular vigilance — participation of the people — as well as increasing police visibility and effectiveness so as to protect the communities in the areas affected…”

“Napetrakay ny fepetra fiarovana izay natao hanamafisana ny fitandreman'ny vahoaka – ny fandraisan'anjaran'ireo vahoaka – ary ny fampitomboana ny fivezivezena sy ny fahombiazan'ny polisy mba hiarovana ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ireo faritra voakasika …”

Ny talata 5 septambra, nifidy ny hampiato ny asany ireo solombavambahoaka mandra-pahatongan'ny tatitra feno momba ny famonoan'olona avy any amin'ny Minisitry ny Raharaha Anatiny sy ny manampahefana misahana ny filaminana anatiny  Niseho ity toro-làlana ity noho ny fihotsahan'ny tany tao atsinanan'i Oganda sy ny tondradrano tany amin'ny faritra Avaratra mba hisarihana ny sain'ny Parlemanta.

Nandritra ny fotoam-pivoriana, nilaza i Rosemary Seninde , solombavambahoaka iray misolotena ny distrikan'i Wakiso izay nisy ny famonoana hoe:

It is so saddening that we have not got the actual suspects. The manner in which some of the women are being killed is very terrible and humiliating to those of us who see them.

Tena mampalahelo fa tsy tratrantsika ilay olona tena ahiana. Tena mampihoron-koditra sy mahamenatra antsika rehetra izay mahita azy ireo ny fomba namonoana ny sasany tamin'ireo vehivavy  .

Nirongatra ny hatezerana noho ity famonoana feno misitery ity tao amin'ny Twitter:

Niantso ny polisy ny mpisera Twitter @ndix_devar mba hamerina ny ASP Muhammad Kirumira ao Nansana, ary nitanisa ny zava-bitany lehibe tamin'ny fampihenana ny tahan'ny heloka bevava tao amin'ny faritra nandritra ny fotoana niasany.

Famonoana tsy misy farany, indrindra ao amin'ny distrikan'i Nansana. Nahoana no tsy averina i Afande Kirumira mba hamongotra tanteraka ireto adala ireto?

Nizara tabilao iray i Michael Kategaya mampiseho ny elanelan-taonan'ireo niharam-boina izay 17 ka hatramin'ny 32 taona sy ny tahan'ny fidiram-bolan'izy ireo ambany :

Iza no namono ireo vehivavy tao Ebbs sy Nansana? Inona no lazain'ny lahatahiry momba ireo niharan-doza amintsika mikasika ny mety ho lasibatra?

Naneho ny ahiahiny momba ny fiarovana ny mponina i Ngoboka Solomon:

Tena mampalahelo i Entebbe sy Nansana, tokony hiampy ny fiambenana alina ataon'ny Polisy mba hanomezana toky antsika amin'ny fiarovana!

Nitranga enimbolana monja taorian'ny famonoana ilay Inspektora Jeneralin'ny Polisy mpanampy Andrew Felix Kaweesi tao Oganda niaraka tamin'ny mpamiliny sy ny mpiambina azy raha teny an-dalana hiasa izy ireo ity andiana famonoana vehivavy vao haingana ity. Nampifandray ity vono an'olona ity tamin'ny famonoana ireo mpitondra fivavahana Miozolomana teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2016 izay samy novonoin'ny olona nandeha moto mitam-basy avokoa ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.