- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinite: Hanuman murti

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fifindràmonina, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 13 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Hanuman Murti [1]
Hanuman murti, Trinite. Sary avy amin'ny caribbeanfreephoto [2]

Miorina ao Carapichaima, Trinite [3], ity murti [4] manana halavana 25 metatra ity ary maneho ilay andriamanitra Haindò Hanuman [5] izay malaza noho izy lehibe indrindra amin'ny karazany aty ivelan'i India. Miorina eo amin'ny toerana Foiben'ny Yoga Dattatreya sy Mandir ilay murti ary manintona ireo mpanjohy izay manatitra fanomezana sy manatanteraka ny fomban'ny pradakshina (mihodikodina manodidina sady manonona ilay Hanuman mantra masina). Naharitra roa taona ny nanamboarana ny murti ary notokanana tamin'ny taona 2003. Jereo ao amin'ny Flickr ny sary [6]maromaro mampiseho ny Hanuman murti.

Manana ny razambeny ao India ny manodidina ny 40% n'ny mponina ao Trinite sy Tobago [7].