- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Belarus: Fanohanana Ho An'ireo Mpitarika Mpanohitra Nogadraina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Belarosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

former okrestino prisoner march2oo6

Minsk, Martsa 2006 – avy amin'ny tsy mitononana anarana [1]: “Tovovavy iray no nosamborina raha nijoro teo ivelan'ny cybercafe iray teo akaikin'ny Kianjan'ny Oktobra tamin'ny Alatsinainy, nandritra ny fananganana toby tranolay. Navotsotra izy telo andro taorian'izay, ary niverina tany amin'ny rindrin'ny fonja ny zoma mba hizara ireo taratasy nalainy tany amin'ireo gadra hafa tamin'izy navoaka. “

Satria niafara tany am-ponja nandritra ny 15 andro taorian'ny 26 Aprily ilay mpitarika mpanohitra Aleksandr Milinkevich sy ireo mpanao politika hafa, manamarika ny tsy fisian'ny fanohanana ho an'ireo mpitarika azy ireo ilay mpisera LJ Belarosiana (sasany tamin'ireo voasazy sy nogadraina tamin'ny volana Martsa 2006) ary nanoro hevitra mikasika ny fomba hamahana ny toe-draharaha  [2]:

 

inenigma [3]: maybe someone knows the exact address of the [jail] on Okrestina? I want to write a letter to [Milinkevich]. Theoretically, it's a useless endeavor, but [the police] will have something to busy themselves with – they'll have so much paper to get rid of…

kaputmaher [4]: I went there tonight, spent some time standing around… Commemoration or something… =))))) Though I was alone there at that time =)

inenigma [3]: I was there two evenings in a row, on the 27th and 28th, and indeed, no one was there… very strange… even though we were being watched )) i think, this was very swinish behavior (or not so?) is it really so difficult to just come there and support [the prisoners]? no one was trying to capture us there (knock on wood…)

kaputmaher [4]: It'd be human and correct and it has to be done! They were supporting us in a similar situation.

mindoug [5]: I was there, too. Me and no one else =)

[…]

inenigma [3]: I suggest that all those who are ready to come to Okrestina – tomorrow, for example – get in touch with me […] and we'll talk it over and start going there together )) and a good idea also is to really start writing letters to them… who knows, maybe they'll be passed [to the prisoners…]

inenigma [3]: mety misy olona mahafantatra ny adiresy marina ny [fonja] ao Okrestina? Te-hanoratra taratasy ho an'i [Milinkevich] aho. Raha ny tokony ho izy, ezaka very maina izany, saingy hanana zavatra hiandraiketana aminy ny [polisy] – marobe ireo taratasy tsy maintsy harian'izy ireo.

kaputmaher [4]: Nandeha tany aho androany hariva, nandany fotoana vitsivitsy nijorojoro manodidina … Fahatsiarovana na zavatra … =))))) Na dia irery aza aho tamin'io fotoana io =)

inenigma [3]: tao aho takariva indroa misesy, tamin'ny 27 sy 28, ary tena tsy nisy olona tao … tena hafahafa … na dia naraha-maso aza izahay)) heveriko fa tena fihetsika manindron-tena (na tsia?) izany, tena sarotra tokoa ve ny tonga fotsiny ao ary manohana [ireo gadra]? tsy nisy niezaka hijery anay tany (nidona tamin'ny hazo …)

kaputmaher [4]: Manaja ny maha-olombelona sy ara-drariny izany ary tsy maintsy atao! Nanohana anay ry zareo tamin'ny toe-javatra toy izao.

mindoug [5]: Tao koa aho. Izaho ary tsy misy olon-kafa =)

[…]

inenigma [3]: Manoro-hevitra aho mba hifandray amiko ireo izay vonona ho avy ao Okrestina – rahampitso, ohatra – ary hiresaka momba izany isika ary hanomboka hiaraka hankao )) ary hevitra tsara ihany koa ny manomboka manoratra taratasy ho azy ireo.. iza no mahalala, mety homena an'ireo [gadra…] izany