- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Nivolon-ko Tompony Ny Sary Iray Nampiasàna Lisansa Creative Commons ny Nokia

Sokajy: Shina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia nivoaka tamin'ny 2007)

“Azon'ireo rehetra mpanao aterineto ampiasaina avokoa ny sariko rehetra mipetraka ao amin'ny vohikala flickr ary nampiasàna ny lisansa Creative Commons, ary noho io antony io, maro amin'izy ireo no hita any aminà tambajotra marobe” hoy ny nosoratan'ny bilaogera, Marc van der Chris, izay monina ao Shangai, ao anatin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Fanitsakitsahan'ny Nokia ny zon'ny mpamorona? [1]. Mitantara ny nahitany ny iray amin'ireo sariny tao anatin'ny tranonkala eoropeana an'ilay orinasa mpikirakira telefaonina, izy. “Tsy mampino, sahin'izy ireo no nametraka marika famantarana Copyright Nokia 2007 teo amin'ny sariko. noho izany, manana ny zon'ny mpamorona amin'ny sariko ve izy ireo? Tena mivadika ny glaoby, Nokia!”