- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

HiperBarrio: Tantara Eo Antoerana, Mpihaino Manerantany.

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Tahaka izay efa nampanantenaina [1], ity ny ampahany faharoa mikasika ny rakipeo natokana ho an'i Medellin, ao Kolombià, sy ny tetikasa HiperBarrio [An] izay manararaotra ny tambajotra vaovaon'ireo toerana famakiamboky ao an-tanàna [2] ka hahafahana mampahafantatra ireo fomba vaovao fanehoana hevitra amin'ny aterineto ho an'ireo olom-pirenena amin'ireo tanoran'ny faritra malaza any amin'ireo vohitra Avaratra .

Dans le podcast d’aujourd’hui, nous nous entretenons avec:    ……….Ao anatin'ny rakipeo anio, itafànay i:

Mihainoa na misintòna ny rakipeo amin'ny Dotsub [9] (nadikan'i Mialy Andriamananjara avy amin'ny fiteny espanola). Faharetany: 19 minitra
Ny ” Revolve [10]” n'ny hisboyelroy no mozika lafika. Afaka alaina ao amin'ny ccMixter ary nampiasàna ny lisansa Creative Commons Non commerciale Sampling Plus [11].

Afaka mahazo fanampim-baovao bebe kokoa ianareo momba ny HiperBarrio [12] amin'ny alalan'ny fitsidihanareo ny hakak'izy ireo ao amin'ny wiki-n'ny Rising Voices [13]. Raha mahay teny espanola ianareo, afaka mitsidika ireo blaogin'ny mpandray anjara amin'ny atrikasan'i Santo Domingo [14] sy La Loma San Javier [15]. Alvaro Ramirez dia manana famintinana tsara ahitàna ireo lahatsoratra nalefa amin'ny aterineto any amin'ireo blaogin'ny [16] mpandray anjara hatramin'ny atrikasa Convergent, izay ao La Loma ihany koa.

Amin'ireo herinandro ho avy manaraka, hadikanay amin'ny fiteny anglisy avokoa ireo lahatsoratra any anatin'ireny blaogy ireny ary ampakarinay eo amin'ny vohikalan'ny Global Voices.

Mamandriha rakipeon'ny Global Voices amin'ny alalan'ny fikitihana na iza na iza amin'ireto rohy manaraka ireto:

MP3 (ireo rakipeo rehetran'ny Global Voices )RSS [17] | iTunes (pejin'ny rakipeo) [18] | iTunes (rohy famandrihana mivantana) [19] | Odeo [20]

AAC (Global Voices Show)RSS [21] | iTunes ( [22]pejin'ny rakipeo [22]) [22] | iTunes (rohy famandrihana) [21]