- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabisc: Hetsika Avy Any Amin'ireo Toeram-Pivarotana Lehibe Ao Dobay sy Koety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Koety, Hehy, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Toerana isehoan-javatra izao tontolo izao ary dia toy izany no miseho ao amin'ny City Center [1] ao Dubai, izay heverina ho toy ny toeram-pivarotana anisan'ny lehibe indrindra amin'ireo rehetra ao amin'ny Golfa..

Fintinin'i Mohammed Al Mubarak, Bahraini mpanao blaogy, ny fitsidihana nataony vao tsy ela akory tao amin'ilay toeram-pivarotana, ka tena nahitàny ara-bakiteny ny hoe tontolo mandalo [2].

ناس كثيرة تأتي و تذهب
أفراد و عوائل
عرب، هنود، غربيون، جنسيات أخرى
فتيات حلوات، رجال بكروش، أطفال
ناس أنيقون، ناس غير أنيقين
رجل يمشي و هو يصور بالفيديو كاميرا
أناس يحملون أكياساً كثيراً
شباب يهرولون، أناس بأزياء غريبة
فتيات و نساء بملابس ضيقة و قصيرة..
فتيات و نساء مغطيات بالكامل…
فعلاً إنه يوم عادي، في مجمع دبي سيتي سنتر..

 

“Olona marobe no mivezivezy.. mandeha irery sy miaraka amin'ny fianakaviana; Arabo, Indiana, ireo Tandrefana ary ireo hafa fiaviana; Vehivavy tsara tarehy, lehilahy be kibo midesadesa, ankizy; Vahoaka izay mitafy araka ny tokony ho izy ary ireo izay tsy toa izany; Lehilahy iray sady mandeha no mandrakitra lahatsary; Olona mivingitra harona marobe feno sakafo; tanora mihazakazaka ary ireo hafa mitafy hafahafa; ireo ankizivavy sy ireo ramatoa miankanjo fohikely manara-batana; Ireo ankizivavy sy ramatoa tena mirakotra tanteraka… Izany marina no hoe andro hafa tao amin'ny City Center Dobai.

Mandritra izany fotoana izany, manome tsirony mialoha ho antsika sahady ilay Koetiana mpanoratra  blaogy, Bo Sale7, mikasika ireo tovovavy koetiana sasantsasany mandeha aminà toeram-pivarotana anà Koetiana iray [3]… mihevitra ny tenany ho maodely milatro eny an-dampihazo! Eto, miditra amina antsipirihany izay tsy tian'i Al Mubarak loatra ho zaraina amintsika izy.

كلما ذهبت إلى أحد المجمعات التجارية وخصوصاً مارينا مول يصيبني خلل بصري مؤديا إلى هبوط حاد في الحالة النفسية تجاه فتياتنا والموضة المجنونة التي جعلت من فتياتنا قطيع من مخلوقات غير معرفة الفصيلة
علاقة فتياتنا بالموضة، أشبه بعلاقة المحموم بالفيروس، تتوطد العلاقة فيما بينهما بلا دراسة أو تخطيط، حتى يصاب المحموم بالجنون أو الموت، والكثير من فتياتنا أمسين كتماثيل شمع في متحف رديء، كلهن مصبوغات الوجوه بطريقة عشوائية، فازرقت واخضرت الوجوه، وشعور متماثلة اللون والتسريحات وأزياء متشابهة، ضاربين بعرض الحائط اختلاف الأجساد والألوان والملامح
يتهكم الكثير من نسائنا وفتياتنا على فتيات لبنان المتشابهات في الأناقة والجمال على أيدي أمهر خبراء التجميل ومصممي الأزياء، بينما لا يرين المشهد المسرحي الكئيب الذي ابتلينا به يوميا أينما ذهبنا، يقال أن الفتاة الكويتية أكثر فتيات الخليج أناقة، ونراها متسكعة في أسواق أوروبا ولبنان تبتاع حاجتها لزوم الأناقة، ولا أعرف حقا أين هي الأناقة حين ترتدي ما لا يناسبها وتتجمل بما لا يصلح لها
ليس كل ما في الموضة يناسبنا، ولا كل خزعبلات التجميل تجعلنا أجمل، جميل أن تتجمل الأنثى والأجمل أن تعرف كيف تتجمل، فتصبح عروسا لا مسخا غير معرف الفصيلة
Hoy izy manoratra:”Isak'izay mandeha amina toeram-pivarotana iray aho, anisany ny Marine Mall, tsapako ho misy zavatra tsy metimety foana amin'ireo masoko ary mitarika ahy haneho hetsika hanoherana ireo ankizivavy sy ny lamaodiny, ka mampitovy azy ireo amin'ny andiany iray avy aminà karazana tsy fantatra. Ny fifandraisan'ireo tovovavy ireo amin'ny lamaody dia mitovy amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny olona iray mijalin'ny tazo sy viriosy iray. Mitmbo tsy misy fanadihadiana na fandaminana ny fifandraisana misy amin'izy ireo mandrapaha-drodroka na maty ilay olona. Maro amin'ireo tovovavintsika no mitovy amin'ny sarivongana iray mora vidy anaty mozea, miaraka amin'ny  endrik'izy ireo nolokolokoina fahatany – nasiana loko mangakely ary maitso ny sasany – ary ireo volo mitovy loko amin'ireo taovolo sy ireo fitafiana mifanaraka aminy. Toa tsy fantatra mihitsy fa samy manana ny habe sahaza azy, bika, loko ary karazana endrika samihafa ireo vehivavy.”
Betsaka amin'ireo ankizivavy sy ramatoan-tsika no masiaka  amin'ireo ankizivavy libanezy, izay tafiana sy ampiakanjoan'ireo matianina manana ny lazany.  Saingy toa tsy hitany ny antambo eny amin'izay alehanay (ao Koweit). Lazain'izy ireo fa ireo vehivavy koetiana no tena kanto indrindra ao Golfa, satria hitan'izy ireo foana miantsena any Eoropa sy Libanona mividy izay ilainy rehetra.
Nefa amiko manokana tsy dia hitako izay fisian'ny kanto izay rehefa mitondra ireo fitafiany sy manosotra manjamaso tsy sahaza azy ireo tovovavy ireo. Tsy ny zavatra rehetra amin'ny lamaody dia mety amintsika ary tsy ireo vokatra ankosotra rehetra no hanova antsika ho manja. Mahafinaritra kokoa ny mahita ireo vehivavy mikarakara ny vatany sy ny endriny, saingy, tokony hampiasa ireny vokatra ireny hanatsaràna ny endriny ry zareo fa tsy hitovizany kosa amin'ireo rakakabe avy aminà karazana tsy fantatra”.

Ny Golfa dia fikambanan'i Bahrein, Koety, Arabia Saodita, Omàna ary ireo Emirà Arabo mitambatra