- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Liberia, Malawi, Nizeria, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 2 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  – “be pitsony loatra ny famahanana bilaogy … aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, ” izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray – kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World [1] Tambajotra Afrika [2] fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika [3] .

Indreto misy sombiny avy tamin'ny fandaharana – voalohany amin'izany ny fanazavana fohifohy avy amin'i Sokari Ekine [4] izay toniamparitra Afrika Atsimon'i Sahara [5] :

audio link [6]

Milaza amintsika i Sokari fa mbola lavitr'ezaka ny famahanana bilaogy aty Afrika [6]

Nahitana ilay bilaogera izay asongadina matetika eto amin'ny Global Voices, Mshairi [7] tao amin'ny trano fandraisam-peo niaraka tamin'ny mpanolotra Bola Mosuro [8] nandritra ny fandefasana mivantana ny fandaharana ny maraina .

Miresaka momba ny fomba tsotra sy maimaim-poana izy hanombohana ny bilaogy aty Afrika ao amin'ny rakipeo faharoa,  ilay bilaogera Malawita Mwai Kasamale no teo alohany izay niresaka momba ny bilaoginy hiarahany amin'ny anadahiny, Malawi Is! [9] ary nanomboka tamin'ilay mpaneho hevitra tao amin'ny fandaharana izay voalazako etsy ambony izany.

audio link [10] Mwai Kasamale sy Mshairi – bilaogera mamahana bilaogy [10]

“Mila fampianarana bebe kokoa isika amin'ny famahanana bilaogy”, izany no fanehoan-kevitra farany tao amin'ity rakipeo fohy ity, izay nalefa tao amin'ny fandaharana tamin'ny alàlan'ny hafatra Somaiso avy any Monrovia any Liberia [11]. Manome fanazavana bebe kokoa sy rohy maromaro mba hanaovana izany fotsiny ny fandaharana.