- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zavo-tsetroka Ao Santiago

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihina fa tamin'ny 11 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

null

Sary avy amin'ny pura naturaleza [1]

Tena lohasaha tsara tarehy i Santiago . Tena mahavariana ireo tendrombohitra. Izany hoe, raha hanananao ny fahafahana mahita azy ireo .

Olana maharitra izay tsy mbola nahitana vahaolana ny zavo-tsetroka. Amin'ny ririnina, sarotra ny toe-draharaha eo anelanelan'ny volana Mey sy Aogositra . Misy ny sata telo amin'ny ambaratongan'ny fahalotoan'ny rivotra: ny fanairana ara-tontolo iainana, ny vonjy taitra mialoha ary ny hamehana. Izany dia voafaritr'ilay “Tondron'ny kalitaon-drivotra” izay mandrefy ny habetsaky ny vovoka eny amin'ny rivotra (potipoti-javatra maro samihafa).

Misy fiantraikany amin'ny olom-pirenena ny fahalotoan'ny rivotra rehetra. Ferana ny fiara ary voarara avokoa isan-taona ny akora miteraka etona  raha tsy manana fanadiovan-drivotra matanjaka ianao. Mandritra ny hamehana , raràna tsy hanao fanatanjahantena ny sekoly ary tsy maintsy manatsahatra ny miliny ny orinasa sasany. Soa ihany fa miasa ny drafitry ny governemanta momba ny tontolo iainana. Fanairana miisa 4 sy hamehana mialoha miisa 2 ihany no voarakitry [2]ny CONAMA (ES) [3], Vaomieran'ny Tontolo iainana izay manambara ny tondro ambany indrindra hatramin'ny taona 1997.

Ao amin'ny resadresaky ny gazetinay ny zavo-tsetroka, saingy tsy dia hita loatra ao amin'ny blaoginay izany. Nitondra  ny olan'ny zavo-tsetroka ihany koa ny mpitsidika nandalo an'i Santiago. Ao amin'ny ” Charlies Travels [4] “, ny zavo-tsetroka ao Santiago dia voafaritra ho “Toy ny mandeha an-tongotra ao anaty toeram-pisotroana feno setroka indraindray, kanefa farafaharatsiny kosa mba mahomby ny fitaterana.” Hoy i Alison raha nanoratra [5]hoe “ny zavo-tsetroka no hany voka-dratsin'ny tanàndehibe , lohataona izao ary tsy misy ny rivotra na ny orana hanadio izany , hany ka hitanao eo amin'ny sary fa somary maloto izany”. Manana lahatsoratra maro momba ny zavatra niainany tao Shily ny bilaogin'i Anneopreis [6] , tena tsara izany. Saingy, raha ny resaka zavo-tsetroka : “Matetika tsy afaka mahita ny ‘andes’ izay manodidina an'i Santiago iray manontolo ianao satria be loatra ny zavo-tsetroka, tena ratsy izany”

Kitiho eto (ES) [7] hijery ny antsipiriany momba ny drafitry ny fahalotoan'ny rivotra ao amin'ny Vaomieran'ny Tontolo iainana .