16 Septambra 2017

Tantara tamin'ny 16 Septambra 2017

Bilaogy Armeniana Miresaka Fidarabohan'ny Armavia

Nianjera tany amin'ny Ranomasina Mainty ny fiaramanidina Airbus A320 an'ny zotram-piaramanidina Armeniana Armavia ary mpandeha miisa 113 niaraka tamin'ny ekipan'ilay zotra no maty tamin'izany, izay azo lazaina ho fianjeran'ny fiaramanidina ratsy indrindra nisy teo amin'ny tantaran'i Armenia.

16 Septambra 2017

Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .

16 Septambra 2017

Fitaovana Teknolojika Natao Hitahirizana Ireo Teny Tandindonin-doza

Rising Voices

Ny Ivontoerana ho an'ny fiteny tandindonin-doza, fikambanana iray ao Orégon, ao Etazonia, miasa mba hitady vahaolana mikasika ny fanjavonan'ireo fiteny vitsy an'isa sy ny famafàna ny sivilizasiona miaraka aminy. Mitondra ireo atrikasa siantifika ho fitehirizana ireo fiteny ary miankina amin'ireo teknolojia vaovao. Manao fanangonambola izy ireo mba hahafahana mamatsy fitaovana fandraketana sy fitehirizana, ary ireo fiteny valo ao India, ao Papouasie Nouvelle-Guinée, ao Shili ary ao Perà no kendren'io tetikasa io.

16 Septambra 2017

Fomban-drazana Shileana Tsy Hay Hazavaina

Ity no andro voalohany ho anao ao amin'ny anjerimanontolo. Tsapanao any anatinao any ny fanantenana rehetra . Mahatsiaro ho mirehareha amin'ny maha-anao anao ianao satria nandalo ny fanadinam-pirenena, izay manome anao ny teboka ilainao mba hidirana any amin'ny oniversite. Vaovao avokoa ny zava-drehetra : ny endrika, ny toerana, ny fifampiresahana, ny fofona, ary ny olona

16 Septambra 2017

Akom-baovao Tao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziana

Nanoratra momba ny fahazoan'ny TECOM ao Dubai ny 35 % ny tsena amin'ny Telecom Tonizia, mpandraharaha mpanao ampihimamba ny telefonina tsy mihetsika (fixe) ao Tonizia izay voalaza fa mifehy ny 72% ny tsenan'ny finday ao amin'ny firenena ihany koa ny  Mochekes (FR), MMM, Tom (FR), Kaaboura ary Adib (FR).

16 Septambra 2017