Salvador Adame No Mpanao Gazety Fahafito Novonoina Tao Meksika Ny Taona 2017

Salvador Adame. Imagen circulada ampliamente en Twitter.

Salvador Adame. Sary nalefa niparitaka tamin'ny Twitter.

Hita tao andrefan'ny fanjakana Meksikana tao Michoacan, ny vatana may, an'i Salvador Adame, mpanao gazety sy mpamorona ny fantsom-baovao 6TV ao an-oerana, hoy ireo manapahefana tamin'ny 26 jona:

Después de realizar la toma y cotejo de muestras que marca la ley en estos procedimientos, por parte de especialistas de la Dirección de Genética, las pruebas de ADN permitieron comprobar que estos restos corresponden a quien en vida se llamó a Salvador Adame Pardo.

Taorian'ny nandraisana sy nampitahàna ireo santionany tamin'ireo dian-tanana takian'ny lalàna amin'itony dingana ataon'ireo manampahaizana avy amin'ny Genetics Direction itony, ny ADN dia ahafantsika mamintina fa an'i Salvador Adame Pardo ireo sisa tavela ireo, araka ny fiantsoana azy fony izy mbola velona.

Iray volana talohan'izao, vondrona iray mitam-piadiana no naka an-keriny an'i Adame, araka ireo tatitra voalaza tao anaty gazetim-pirenena La Jornada.

Faritra be mpahalala amin'ny anarana hoe Tierra Caliente (Tany Mahamay) no nahitàna ny vatany, sady iray amin'ireo tena mahery setra indrindra tao Michoacán, fanjakana iray izay, nandritra ireo taona vitsivitsy lasa izay, no  hita ho tsy mitsaha-mitombo ny heloka bevava sy ny fiampangana mikasika ny fifandonana ifanaovan'ny governemanta ao an-toerna sy ny heloka bevava nomanina.

Ny  gazety tsy miankina iray Animal Politico no nitatitra fa niverimberina ary imbetsaka nahazo fandrahonana ho faty i Adame talohan'ny nahafatesany, nampitandrina azy hampitsahatra ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy. Ny vadiny Frida Urtiz nilaza fa nahatsiaro faneriterena goavana izy noho ny asa nataony niaraka tamin'i Adame.

Mi esposo y yo somos los dueños del canal, teníamos convenios de publicidad con el municipio de Múgica de difundir la labor que todas las administraciones tienen la obligación de hacerle saber a la ciudadanía y desistimos de ello ante la presión que recibíamos.

Izaho sy ny vadiko no tompon'ireo vaovao ao amin'ny fantsona. Nahazo fifanarahanasa mikasika dokambarotra tamin'ny fiadidiana any tanànan'i Múgica izahay mba hanao ny asa izay tsy maintsy ataon'ny fitantanana rehetra: manome vaovao an'ireo olom-pirenena. Nialànay izany noho ny tsindry azonay.

Lahatsoratra iray navoakan'ny 6TV ihany no nanoritsoritra an'i Adame toy izao:

El periodista, quien hace pocos más de un año fue sujeto de vejaciones policiales, mantuvo una directriz activa, crítica, sagaz, atrevida, desafiante, al escenario delictivo que prevalece en la zona, también conocida como Cuatro Caminos, corazón de la entidad y epicentro de interminables disputas gansteriles.

Ilay mpanao gazety, izay niharan'ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana herintaona lasa teo, dia nihazona fitarihana mavitrika, mitsikera, matsilo saina ary matanjaka sy be herimpo manohitra ny rivotra maloton'ny heloka bevava izay nahazo laka teo amin'ny faritra, fantatra amin'ny hoe Cuatro Caminos, fon'ny fanjakana sady foiben'ny ady tsy misy fiafaran'ireo andian-jiolahy.

i Adame no fanimpitony amin'ireo mpanao gazety novonona tao Meksika ny taona 2017, araka ny fanamarihan'i Cencos mpiaro ny zon'olombelona. Nibitsika GIF iray izy ireo mba hanazavàny ny fahitany an'i Adame, mitaky ny rariny ary mamintina amin'ny fanambaràna hoe :”Tsy maty ny Fahamarinana raha vao mpanao gazety iray no vonoina”:

#SalvadorAdame no mpanao gazety fahafito maty novonoina hatramin'ny fiandohan'ny taona. Mangataka fanazavàna sy fampitsaharana ny herisetra rehetra izahay. #TsyMilaFahanginana.

Lasa lavitra mihoatra ireo mpanao gazety niharany ny vokatr'ireny fanafihana manohitra mpanao gazety ireny. Frida Urtiz ohatra, niaritra olana ara-pahasalamana goavana taorian'ny fakana an-kery ny vadiny.

Vao tsy ela akory, ny solotena ambony avy amin'ny Sekreteran'ny Atitany, Roberto Campa, no toa nanamaivana ny zavamisy raha nanambara fa, raha oharina tamin'ireo fitantanana tany aloha, tsy mbola io no vanim-potoana henjana indrindra nisian‘ny herisetra natao tamin'ireo mpanao gazety tao Meksika.

Marina fa, na izany aza, tsy zava-baovao io herisetra atao an'ireo izay manao ny asa fanaovana gazety ao Meksika io. Tamin'ny 2015, nanoratra i Isabel Uribe mpanao gazety hoe:

En el periodismo mexicano la tinta segrega un constante olor a muerte, nueve periodistas asesinados en lo que va de 2015 confirman que México es uno de los lugares más peligrosos en todo el planeta para ejercer la profesión, una caja de pandora que esconde las más terribles atrocidades: agresiones, intimidaciones, tortura, desaparición, autocensura y muerte.

Ao anatin'ny asa fanaovana gazety ao Meksika, mamofompofona fahafatesana ny ranomainty. Ny famonoana an'ireo sivy mpanao gazety tamin'ny fiantombohan'ny taona 2015, dia manamafy ny maha anisan'ny toerana  lozabe indrindra eto amin'ny planeta an'i Meksika raha momba ny fanaovana io asa fanaovana gazety io, boaty Pandora iray manafina ireo habibiana mahatsiravina indrindra: herisetra, fampitahorana, fampijaliana, fanjavonana an-terisetra, sivana ataon-tena ary ny fahafatesana.

Taorian'ireo vaovao fanambaràna ny fahafatesan'i Adame, nanao izao tsikera manaraka izao i Luis De Tlacuilo, mpampiasa Twitter:

Mampalahelo ny mahatsapa fa mety ho vonoina eo ampanatanterahana ny asany ny olona iray#SalvadorAdame

Nomelohin'i Jenaro Villamil, mpanao gazety, ny governemanta ao an-toerana:

Mpanao gazety iray hafa namoy ny ainy. #SalvadorAdame. Taorian'ny herinandro vitsivitsy tsy nanjavonany [an-kery] teo ambany fitondrana kamo velon'i Michoacan

Nanery ireo andrim-pitondrana hafa ao amin'ny governemanta mba hihetsika ny birao misahana ny fiarovana zon'olombelona ao Meksika :

Antsoin'ny CDNH ireo manampahefana ao amin'ireo ambaratonga telo ao amin'ny governemanta mba hanadihady sy hamaha ny olana mikasika ny famonoana an'i #SalvadorAdame.

Manjohy ny lisitr'ireo mpanao gazety izay novonoina ny taona 2017 i Salvador Adame, lisitra iray ahitàna an'i  Miroslava Breach sy Javier Valdez.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.