- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao Farany Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Poloney

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Polonina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Tanora, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: efa tamin'ny volana Aprily taona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Efa nanontany tena ve ianao hoe andro inona eo amin'ny fiainan'ny olona iray monina any Polonina no mitovy amin'ny lahatsary maharitra 10 minitra? Tsy nahafantatra koa aho raha tsy tonga tany Polonina. Nametraka webcam tao amin'ny varavarankely ao an-tanànan'i Varsovia  [1] ny Blog from Poland  (bilaogy avy any Polonina). Azonao jerena ve ny fiara fitateram-bahoaka manjelatra, mavo sy mena? Amin'ny fampiasana ny teknolojia Google, afaka mahita sisin-dalana ao an-tanànan'i Varsovia [2] eo noho eo ianao.

Mitohy amin'ireo fampisehoana tsy misy fahaiza-manao, mitatitra momba ny drafitra ratsy tantana avy amin'ny tarika Teatira Mozika Lublin [3] hanao fampisehoana ao amin'ny tobin'ny fahafatesana tamin'ny andron'ny Ady Lehibe Faharoa ny beatroot. Indrisy,

…much to the surprise of the organizers, there were protests. Lots of them. From Jewish groups.

 tsy nampoizin'ireo mpikarakara tanteraka, nisy ny hetsi-panoherana. Ny maro amin'izy ireo. Avy amin'ny vondrona Jiosy

Tao amin'ny takelaka fametrahana fanehoan-kevitra, na dia izany aza, DBN manontany tena [4] hoe aiza ny dikanteny Poloney amin'ny ACLU:

Hmm, no protests from the “enlightened liberals” about the “hinderance of free speech”.

Though they were enraged when a university didn't let them exhibit t-shirts with slogans, such as “I had an abortion” or “I jerk off” during a human rights film festival, that dealt, amongs others, with the genocide of the Chechens.

Hmm, tsy misy hetsi-panoherana avy amin'ireo “liberaly malaza” momba ny “fanakanana ny fahalalahana miteny”.

Na dia tezitra aza izy ireo rehefa tsy navelan'ny oniversite nampiseho t-shirts miaraka amin'ny teny filamatra, toy ny hoe “nanala zaza aho” na “mimasta aho” nandritra ny fetiben'ny sarimihetsika momba ny zon'olombelona. izay niresaka ny fandripahana ny Tsetsenina, ankoatra ny zavatra hafa.

Maneho hevitra somary malina kokoa, hoy i roman [5]:

Who comes up with these hair-brained schemes? What part of the word “solemn” don't they understand?

Iza no miaraka amin'ireo fampisehoana hafahafa ireo? Inona amin'ny ampahan'ny teny hoe “manetriketrika” no tsy azon'izy ireo?

Avy amin'ny hevitra hafahafan'ny hetim-bolo miendrika borosy an'ireo lazaina fa  tanora “tsy manana hoavy” ao Polonina, matahotra i P3 fa mety hitera-doza ny kolontsaina punk mivoatra ao Polonina, [6] na dia “any amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny tenany momba ny toetra amam-pitondran-tena sy ny governemanta mirehareha amin'ny tenany momba ny fitondran-tena.” Tena tranga amin'ny tsy fisian'ny lehilahy maodely ve izany, sa fikomiana tranainy fanaon'ny tanora fotsiny ihany? Nitaraina i P3:

Where are this country's strong male role models these kids so desperately need? What kind of people are teaching in the high schools? Where are their parents?

Aiza ireo lehilahy maodely mahery ao amin'ity firenena ity izay tena ilain'ireo ankizy mafy? Olona manao ahoana no mampianatra any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa? Aiza ny ray aman-dreniny?

Tena mampihoron-koditra … ary mba hanampiana hanadiovana ireo tanora jiolahimboto ( na dia mijery avy amin'ny fitangenana lafo vidy) aza izy ireo, ireo tanora ireo ihany no “mpiasam-panjakana” mampalaza ny tenany, araka ny filazan'ny The Warsaw Crow. Ao amin'ny dikanteny Poloney amin'ny “Pimp my Ride”, hita manao sorona ny tenany sy ny rantsa-tanana aman-tongony  [7]ireo tanora an-tanàndehibe (minoa ahy, eny amin'ny araben'i Varsovia, tsy hoe fanitarana) mivarotra sy mametraka fiara nofantenana miaraka amin'ny “famafàna fitaratra (essuie-glace)”:

They look for men who can be convinced that their 3-tonne pride and joy suffers from fluid distribution issues. The very instant a target shows a moment's doubt he is stripped of his existing wipers. Lips are bitten and faults are pointed out.

Mitady lehilahy afaka resy lahatra izy ireo fa ny hambom-pony sy ny hafaliany 3 taonina dia iharan'ny olana ara-pifamoivoizana. Dieny izao ihany, mampiseho fisalasalana amin'ny fotoana ny lasibatra, nesorina taminy ny fitaovany famafana. Voakaikitra ny molotra ary nolazaina ny hadisoana.

Amin'ny bilaogy amin'ny teny Poloney: misy olona manahy nony farany noho ny fitomboan'ny isan'ireo tanora, miala ny firenena ireo Poloney matihanina mba hitady ny harenany any ivelany. Nanao fanentanana ara-dokambarotra tao Londra ny tanànan'i Wrocław, izay toa tsy ahitana ekipa matihanina amin'ny  fananganana trano sy mpanamboatra fantson-drano, mba handresy lahatra ireo mpifindra monina Poloney mba hiverina sy honina ao Wrocław. Oops! naneho hevitra hoe [8] (POL):

They forgot to sign the poster: “With regards – Polish Tax Office.”

Adinon'izy ireo ny nanasonia ny afisy. “Am-panajana – Biraon'ny Hetra Poloney.”

Tsy tokony hiahiahy isika, na izany aza: tsy ho tany foana tanteraka i Polonina. Ho solon'ireo tanora matihanina an'arivony maro nandao ny firenena, hahazo mpizahatany tandrefana maro dia maro [9] isika – mitady ny sasantsasany amin'ireo zavatra Sovietika taloha tsy mahazatra – tsy lazaina intsony ny tolotra ara-pahasalamana mora kokoa:

Poland is currently one of the bigger tourist magnets: we're 11. on the list, before not only Czech Republic & Croatia, but even such tourism giant as Turkey.

Iray amin'ireo sehatra fizahantany goavana i Polonina amin'izao fotoana izao: laharana faha-11 ao amin'ny lisitra isika, alohan'i Repoblika Tseky & Kroasia hatramin'ny goavan'ny fizahantany tahaka an'i Torkia.

Izay ny vaovao farany ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Poloney! Amin'ny manaraka indray – Do widzenia!