- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miraondraona Ny Bilaogy Ao Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 28 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Inona no lazain'ny bilaogy Bangladeshi manerana izao tontolo izao:

1) Fandravana: namaly [1]ny vaovao momba ny fandravana ny Trano Fandefasana sarimihetsika Modhumita , iray amin'ireo trano fijerena sarimihetsika tranainy indrindra sy malaza ao Dhaka i Dipu, ilay “Mpanoratra Adalam-pitiavana”.

2) Lamaody: manoritsoritra [2]ny zava-niainany vao haingana i Shafiur fa mahazo famantarana (vaovao) indray ny Bangladeshis any amin'ny Fanjakana Britanika noho ny ‘curry’ sy ny ‘olo-malazan'ny fananahana.’

3) Fanadihadiana: namoaka ny tatitra fanadihadiana [3] momba ny Hizb_ut-Tahrir [4] — iray amin'ireo fikambanana Islamista ekstremista  indrindra eran-tany — ilay mpanao gazety Tasneem Khalil .

4) Fanambadiana Namboarina: Toy ny zazavavy desi maro any Andrefana,  namakivaky ny nofy ratsin'ny fanambadiana namboariana avy amin'ny ray aman-dreny i Kia Abdullah. Vakio ny bilaoginy ‘Tanora, afaka, ary diso fanantenana?’ [5] izay natokana handraketana ny dingana sy ny fandriky ny fanambadiana namboarina.

5) Tantara An-tsehatra: nizara [6]sary maromaron'ny  Rabindranath Tagore tamin'ny tantara an-tsehatra “Tasher Desh” izay nilalaovany vao haingana i Mahreen.

6) Lahatsary: ​​Nanatontosa fanadihadiana fohy (2:04 minitra) mitondra ny lohateny hoe ‘fiandohan'ny vanim-potoana’ [7] izay mendrika ho jerena i Shakia .

7) Fanaintainana: nanao ny tsindrony voalohany i Scribbles ary mitantara [8]ny ahiahiny sy ny fihetseham-pony momba izany.

8) Lalàna: mihevitra [9]i Sadat Shahriar fa lasa lalàna anarany fotsiny ny lalàna iadiana amin'ny fifohana sigara any Bangladesh.

9) Filaharana: nahita [10]i Sakib fa i Bangladesh no firenena manankarena indrindra manerantany faha 31 raha ny harin-karena faobe amin'ny mponina ao amin'ny firenena no jerena.

10) Bangla mamahana bilaogy manan-danja: nahatratra [11]jeripejy 1 tapitrisa ny sehatra famahanana bilaogy bangla ‘Bandh Bhanger Awaz [12]’ telo volana taorian'ny nivoahany .