Miraondraona Ny Bilaogy Ao Bangladesh

(Marihina fa tamin'ny 28 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Inona no lazain'ny bilaogy Bangladeshi manerana izao tontolo izao:

1) Fandravana: namaly ny vaovao momba ny fandravana ny Trano Fandefasana sarimihetsika Modhumita , iray amin'ireo trano fijerena sarimihetsika tranainy indrindra sy malaza ao Dhaka i Dipu, ilay “Mpanoratra Adalam-pitiavana”.

2) Lamaody: manoritsoritra ny zava-niainany vao haingana i Shafiur fa mahazo famantarana (vaovao) indray ny Bangladeshis any amin'ny Fanjakana Britanika noho ny ‘curry’ sy ny ‘olo-malazan'ny fananahana.’

3) Fanadihadiana: namoaka ny tatitra fanadihadiana momba ny Hizb_ut-Tahrir — iray amin'ireo fikambanana Islamista ekstremista  indrindra eran-tany — ilay mpanao gazety Tasneem Khalil .

4) Fanambadiana Namboarina: Toy ny zazavavy desi maro any Andrefana,  namakivaky ny nofy ratsin'ny fanambadiana namboariana avy amin'ny ray aman-dreny i Kia Abdullah. Vakio ny bilaoginy ‘Tanora, afaka, ary diso fanantenana?’ izay natokana handraketana ny dingana sy ny fandriky ny fanambadiana namboarina.

5) Tantara An-tsehatra: nizara sary maromaron'ny  Rabindranath Tagore tamin'ny tantara an-tsehatra “Tasher Desh” izay nilalaovany vao haingana i Mahreen.

6) Lahatsary: ​​Nanatontosa fanadihadiana fohy (2:04 minitra) mitondra ny lohateny hoe ‘fiandohan'ny vanim-potoana’ izay mendrika ho jerena i Shakia .

7) Fanaintainana: nanao ny tsindrony voalohany i Scribbles ary mitantara ny ahiahiny sy ny fihetseham-pony momba izany.

8) Lalàna: mihevitra i Sadat Shahriar fa lasa lalàna anarany fotsiny ny lalàna iadiana amin'ny fifohana sigara any Bangladesh.

9) Filaharana: nahita i Sakib fa i Bangladesh no firenena manankarena indrindra manerantany faha 31 raha ny harin-karena faobe amin'ny mponina ao amin'ny firenena no jerena.

10) Bangla mamahana bilaogy manan-danja: nahatratra jeripejy 1 tapitrisa ny sehatra famahanana bilaogy bangla ‘Bandh Bhanger Awaz’ telo volana taorian'ny nivoahany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.