- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabisc: Ny Herinandro Ara-kolontsaina sy Ara-javakanto

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Emirà Arabo Mitambatra, Libia, Oman, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 3 martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Dikàn-dahatsoratra fohifohy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy sasantsasany amin'ny teny Arabo ity manaraka ity.

Tamin'ity herinandro ity, faly i johacom nahita sariitatra maromaro nataon'ny mpanao sariitatra Arabo izay maneho ireo Manampahefana Mpitondra Arabo [1] . Hoy izy:

قليلة جدّا هي الرسوم الكاريكاتورية التي تتناول القادة العرب، وهذا رسم وجده جُحَا.كُمْْ بين خيوط الشبكة العنكبوتية العربية داخل موقع الرسام العربي رائد قرعان [2].
Tena vitsy ny sariitatra mampiseho ireo mpitondra Arabo. Nahita ity sariitatra ity aho tao amin'ny tranonkalan'ilay mpanao sariitatra Arabo, Raed Qara'an [2].

Cartoons - Arab Leaders

Ny mpitondra Libyana  Muammar al-Qaddafi [3] mijoro teo anoloan'ny zohy iray , mifatotra rojo vy sy misy fahitalavitra mandefa ny nahazo an'i Saddam Hussein [4]. Hoy i Qaddafi hoe: “Raha ny tena fanirianay, dia ho foanana ny WMD”.

Nanohy ny lahatsoratra etsy ambony miaraka amin'ny iray hafa avy eo i johacom izay manome ny lisitr'ireo tranonkala mpanao sariitatra Arabo rehetra hitany [5]. Lisitra feno, ny tiako hambara.

Avy any amin'ny Helodrano, nitatitra i Sadafat fa ny olom-pirenena Emirà Arabo Mitambatra dia manohitra ny Tsenaben'ny Sakafo, izay mamela ny alikaola sy ny divay hovarotana ao aminy:

عبر مواطنو دولة الإمارات العربية المتحدة عن رفضهم الشديد لاستضافة أي فعالية من شأنها المساس بعاداتهم وتقاليدهم العربية وتعاليم دينهم الإسلامي الحنيف، وذلك غداة الإعلان عن استمرار تنظيم معرض للخمور تستضيفه مدينة دبي على هامش فعاليات معرض “غذاء الخليج” .
Naneho ny fandàvany lalina [6] amin'ny fanatontosana ny hetsika rehetra izay mety hanohitra ny kolontsaina sy ny vakoka Arabo sy Islamika ny olom-pirenena Emira Arabo Mitambatra , satria atao miaraka amin'ny hetsika ho an'ny “Fampirantiana Sakafo ao amin'ny Helodrano ny fanomanana ny Fampirantiana Zava-pisotro misy Alikaola izay tontosaina ao Dubai “.
Ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana, nodinihina tamin'ity herinandro ity ny Sarimihetsika, ny Hatsaran-tarehy ary ny Boky .

Nilaza i Emy fa ny Printsy Waleed Bin Talal [7] (iray amin'ireo lehilahy manankarena indrindra manerantany), no manohana ny famokarana ny sarimihetsika Saodiana voalohany. Hoy izy:

يعقد شبان سعوديون يتوقون الى السينما في بلد ليس به دور للعرض ومجرد ارهاصات لصناعة سينما العزم على ادخال المملكة المحافظة الى عالم الفن السابع.وستشارك سبعة افلام سعودية في مهرجان سينمائي في العاصمة الاماراتية ابوظبي في مارس/اذار في أقوى ظهور للسينما السعودية الوليدة في أي مهرجان.

Hentitra amin'ny fahavononana hanosika ny Fanjakana mpandala ny mahazatra any amin'ny tontolon'ny Zavakanto Fahafito ny tanora Saodiana mpankafy sarimihetsika [8] ao amin'ny firenena iray izay tsy manana toerana fijerena sarimihetsika sy marika indostirian'ny sarimihetsika majinika.
Sarimihetsika Saodiana fito no handray anjara amin'ny fetiben'ny sarimihetsika izay hotontosaina amin'ity volana Martsa ity ao Abu Dhabi-Emirà Arabo Mitambatra [9] , amin'ny endrika goavana indrindra ho fahaterahan'ny sarimihetsika Saodiana vaovao.

Eo amin'ny lafiny hatsaran-tarehy , nilaza i Fuad Al Farhan fa tao amin'ny fivorian'ny lisea dia notaterina fa ny 90 isanjaton'ny vehivavy Saodiana dia tsy afa-po amin'ny endriny sy ny bikany [10] ary ny 37 isanjaton'izy ireo no inoana fa mety manao fandidiana plastika.

Nofeheziny avy eo hoe:

لا تعليق. ولكن أعتقد أنني لو فتحت عيادات تجميلية لربما كسبت خلال السنتين القادمة أكثر مما سأكسبه في مجال تقنية المعلومات لعشرة سنين قادمة.
Tsy asian-teny. Saingy mieritreritra aho fa raha manokatra toeram-pitsaboana hanaovana fandidiana plastika dia mety hahazo vola bebe kokoa ao anatin'ny roa taona noho ny azoko amin'ny Teknolojiam-baovao ao anatin'ny folo taona ho avy.

Nifantoka tamin'ireo bilaogera Arabo vitsivitsy ireo boky. Holazaina indray i Fuad Al Farhan izay nitsidika ny iray tamin'ireo trano fivarotam-boky lehibe indrindra ao Jeddah [11], nanamarika izy fa tena vitsy an'isa ny olom-pirenena Saodiana miasa ao amin'ity toeram-pivarotana vaovao ity [12] raha ampitahaina amin'ny fivarotam-boky Saodiana malaza hafa.

Amin'ny lafiny iray, naneho hevitra momba ny fifandonana sy ny fihenjanana izay nanimba ny sehatra momba ny Fanasivanana ny Fampitam-baovao [13] i Abu-Joori, izay natao ivelan'ny Tsenaben'ny Boky Iraisampirenena Al Riyadh. Nofaritany ny fifandonana teo amin'ireo liberaly sy ireo mpanandratra ara-pivavahana ary nilaza izy hoe:

بصراحة مشكلة كل طرف للأخر أن تتميز بالتطرف و الرفض و التعميم .. كل طرف به عيوب .. لكن الحرص على تسجيل النصر تلو الأخر في المعركة المختلقة بين التيارين … تمنع كلا الطرفين من البناء على ما يوجد لدى الأخر من حسنات.. بل إن التركيز ينحصر على تضخيم عيوب الأخر بصورة تهكمية و مليئة بالرغبة في مسحه من الوجود!
Raha ny marina, ny olana dia samy miavaka amin'ny fihoaram-pefy ny andaniny sy ny ankilany, amin'ny fandavana sy ny safobemantsina .. Samy manana ny tsy fahalavorariany ny andaniny sy ny ankilany .. kanefa ny fikasana handresy ny ankilany dia  … manakana ny roa tonta tsy hanorina lafiny tsara any amin'ny andaniny. Raha ny tena marina dia aoka hifantoka amin'ny fanalefahana ny fahadisoan'ny hafa amin'ny fomba maneso sy feno faniriana ny hamafa ny fisian'ny hafa !

Ny farany fa tsy ny kely indrindra momba ny boky, miandrandra ny Tsenaben'ny Boky ao Oman [14] i Zeyad Al Saidi sy ireo bilaogera hafa avy any Oman [15] . Hoy izy:

أما المدونون العمانيون في فقد نشر أحدهم [16] عرض مسبق لما يدور في المعرض قبل الافتتاح الرسمي .
Raha ho an'ireo bilaogera Omani, namoaka sary [16] maromaro momba ny zavatra miseho ao amin'ny Tsenabe alohan'ny fanokafana ofisialy ny iray amin'izy ireo.